Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | SARAHA

“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”

“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”

NIJORO teo afovoan-trano i Saraha, vehivavy iray tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Mainty ngalingaly ny masony ary nalahelohelo izy nijery ny manodidina. Fa nahoana? Satria nisy fahatsiarovana be dia be tao amin’io trano io. Efa ela izy sy Abrahama vadiny no nipetraka tao, ary tena sambatra ny tokantranony. * Io no akany niarahan’izy roa nanangana.

Nipetraka tao Ora izy mivady. Tanàna nandroso be izy io, ary be mpivarotra sy mpanao asa tanana. Azo antoka àry fa nanan-javatra maro izy roa. Tsy toerana nasiany ny fananany fotsiny anefa ilay trano, tamin’i Saraha. Tao koa izy sy ny vadiny no niara-nigoka ny mamy sy ny mangidy. Tao izy mivady no nivavaka imbetsaka tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tena tiany. Tsy mahagaga àry raha tsy foiny ilay trano.

Vonona handao an’izay rehetra nahazatra azy anefa i Saraha. Nanaiky handeha tany amin’ny toerana tsy fantany izy, na dia mety ho efa 60 taona mahery aza. Maro ny loza sy zava-tsarotra tsy maintsy hatrehiny, ary mety tsy ho afaka hody intsony izy. Fa nahoana izy no vonona hanao izany fiovana lehibe izany? Ahoana no anahafantsika ny finoany?

“MIALÀ AMIN’NY TANINAO”

Azo inoana hoe lehibe tao Ora i Saraha. Efa rava tanteraka io tanàna io ankehitriny. Nandroso be anefa izy io fahiny. Nifamezivezy teo amin’ny Reniranon’i Eofrata sy ny lakandranony ny sambon’ireo mpivarotra, izay nitondra entana sarobidy avy lavitra. Tomefy olona ireo lalana tery sy niolakolaka tao Ora. Nifanety teo amin’ny seranana ireo sambo, ary tondraka ny sakafo teny an-tsena. Alao sary an-tsaina hoe tanàna naresaka be hoatr’izany no nipetrahan’i Saraha. Lasa hainy ny anaran’ny ankamaroan’ny olona tao. Na ry zareo aza nahatadidy tsara azy, satria tsara tarehy be izy. Be dia be koa ny havany tao.

Ny finoan’i Saraha no tena amantarana azy ao amin’ny Baiboly. Tsy ilay andriamanitra volana nivavahana tao Ora anefa no ninoany, na dia nisy tilikambo avo be natokana ho azy io aza tao an-tanàna. Nivavaka tamin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, kosa izy. Tsy resahin’ny Baiboly hoe ahoana no nahatonga an’i Saraha hino azy. Nisy fotoana mantsy mpanompo sampy ny dadany. Nanambady an’i Abrahama, izay zokiny folo taona, i Saraha. * (Genesisy 17:17) “Rain’izay rehetra manam-pinoana” no nahalalana azy io tatỳ aoriana. (Romanina 4:11) Mafy orina sy sambatra ny tokantranon’izy mivady. Nifanaja izy ireo, nifampiresaka tsara, ary vonona hifanohana rehefa nisy olana. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe samy tia an’Andriamanitra izy mivady.

Tena tian’i Saraha ny vadiny. Nanorim-ponenana niaraka tamin’ny havany tao Ora izy ireo. Tsy ela anefa dia diso fanantenana izy mivady. Milaza mantsy ny Baiboly fa “momba” i Saraha, izany hoe “tsy nanan-janaka.” (Genesisy 11:30) Tsy mora izany tamin’ny androny. Tsy nivadika tamin’ny vadiny sy ny Andriamaniny anefa i Saraha. Nataony toy ny zanany i Lota zana-drahalahin’i Abrahama, rehefa maty ny rain’i Lota. Dia nitohy teny ny fiainan’izy ireo. Niova tampoka anefa izany indray andro.

Iny i Abrahama fa nanatona an’i Saraha. Nientanentana erỳ izy! Tsy nampino azy ny zava-nitranga. Vao avy niseho sy niresaka taminy tamin’ny alalan’ny anjely iray mantsy ilay Andriamanitr’izy ireo. Nibanjina an’i Abrahama tamin’ireo masony baribary i Saraha, sady tsindrian-daona erỳ nilaza hoe: “Eo mba lazao amiko hoe izay noteneniny!” Nipetraka mihitsy angamba aloha i Abrahama mba ho tony. Dia nolazainy taminy ny tenin’i Jehovah hoe: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.” (Asan’ny Apostoly 7:2, 3) Rehefa tonitony izy mivady, dia nandinika tsara an’izay nasain’i Jehovah nataon’izy ireo. Nila nandao ny fiainana milamina sy mampiadana nananany izy ireo, ary hifindrafindra monina. Nanao ahoana ny fihetsik’i Saraha? Azo antoka fa nijery azy tsara i Abrahama. Hanohana azy ve i Saraha, ka hanaiky an’izany fiovana lehibe izany?

Mety hieritreritra isika hoe tsy voatery hanao safidy hoatran’ny an’i Saraha. Angamba isika hilaza hoe: ‘Tsy mbola nangataka anay mivady hanao zavatra hoatr’izany Andriamanitra!’ Mila manao safidy toy ny azy anefa isika rehetra. Tia vola loatra mantsy ity tontolo ity, ka mety hampirisika antsika hikatsaka harena sy fiainana mampiadana. Mampirisika antsika hanao safidy hafa anefa ny Baiboly. Asainy ataontsika loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra, ka hiezaka hampifaly azy aloha isika vao hampifaly ny tenantsika. (Matio 6:33) Diniho àry izay nataon’i Saraha, ary eritrereto izao: ‘Inona ny safidy hataoko eo amin’ny fiainana?’

‘NIALA TAO AMIN’ILAY TANY’ IZY IREO

Nampirina ny entan’izy ireo i Saraha. Tsy mora ny nifidy hoe inona no havela ary inona no hoentina. Voatery najanona izay entana ngeza loatra ka tsy zakan’ny ampondra na rameva, na tsy nety tamin’ny olona hifindrafindra monina. Maromaro ihany ny entana tsy maintsy hamidy na homena olona. Tsy hilamindamina toy ny any an-tanàn-dehibe intsony koa ny fiainany. Tsy hisy intsony, ohatra, ny tsena hividianana voamadinika, hena, voankazo, akanjo, ary ny kojakoja hafa nilainy.

Be finoana i Saraha ka vonona handao ny fiainana mampiadana tao an-tranony

Mbola mafy kokoa tamin’i Saraha aza angamba ny nandao ny tranony, raha hoatran’ireo trano hitan’ny mpikaroka tany Ora izy io. Tena nampiadana mantsy ny trano hita tany. Nisy efitra 12 mahery, ohatra, ny trano sasany, nisy dobo misy rano mifantsitsitra, efitra fandroana, ary toeram-pivoahana. Na ny trano tsotsotra aza nisy tafo mafy tsara, rindrina, ary varavarana azo nohidiana tsara. Tsy mba hoatran’izany anefa ny tranolay. Ireny ve dia hahavita hiaro amin’ny mpangalatra, na amin’ny liona, leopara, orsa, na amboadia, izay fahita tany Palestina fahiny?

Ahoana ny amin’ny fianakavian’i Saraha? Iza avy no tsy maintsy hilaozany? Mety ho mafy be taminy ilay didin’Andriamanitra hoe: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao.” Be fitiavana i Saraha ka mety ho nifandray akaiky tamin’ny mpiray tam-po aminy sy ny zanak’izy ireo ary ny nenitoany sy dadatoany, izay mety tsy ho hitany intsony. Tsy nampiova hevitra azy anefa izany, fa nanomana tsikelikely an’ilay dia ihany izy.

Na teo aza ny zava-tsarotra, dia vonona i Saraha sy ny entana rehefa tonga ny fotoana hiaingana. Niaraka tamin’izy sy Abrahama i Tera, loham-pianakaviana, na dia efa 200 taona teo ho eo aza. (Genesisy 11:31) Tsy maintsy ho nikarakara an’io rainy efa antitra io i Saraha. Niaraka tamin’izy ireo koa i Lota rehefa “niala tao amin’ny tanin’ny Kaldeanina” izy ireo, araka ny nandidian’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 7:4.

Nianavaratrandrefana nanaraka ny Reniranon’i Eofrata ilay fianakaviana. Avy eo dia nijanona kely tao Harana izy ireo, tany amin’ny 960 kilaometatra tany ho any. Tsy salama angamba i Tera, ka tsy afaka nanohy an’ilay dia intsony. Nijanona tao àry izy rehetra mandra-pahafatin’i Tera, tamin’izy 205 taona. Niresaka tamin’i Abrahama indray i Jehovah, talohan’ny nanohizan’izy ireo ny diany. Nasainy niala tao amin’ilay tany izy ireo mba ho any amin’ny tany hasehony azy. Nampanantena azy koa anefa i Jehovah hoe: “Hataoko misy firenena lehibe avy aminao.” (Genesisy 12:2-4) Ahoana no hetezan’izany? Mbola tsy niteraka mantsy izy mivady, nefa efa 75 taona i Abrahama ary 65 taona i Saraha tamin’izy ireo niala tao Harana. Mila maka vady hafa ve izany i Abrahama? Mety ho izay no tao an-tsain’i Saraha, satria nanambady maro ny olona tamin’izany.

Niala tao Harana àry izy ireo, ary nanohy ny diany. Nisy hafa niaraka taminy koa anefa. Milaza ny Baiboly fa nentin-dry Abrahama niaraka taminy ny harena sy “ny olona rehetra izay efa azony tao Harana.” (Genesisy 12:5) Iza ireo olona ireo? Mpanompo angamba. Azo antoka anefa hoe niresaka ny zavatra ninoany tamin’izay rehetra vonon-kihaino i Abrahama sy Saraha. Misy boky jiosy fahiny milaza fa miresaka olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy koa ilay andininy, izany hoe olona lasa mpanompon’i Jehovah toa an’i Abrahama sy Saraha. Raha izany no izy, dia naharesy lahatra ny zavatra noresahin’i Saraha momba ny Andriamaniny sy ny fanantenany, noho izy tena nanam-pinoana. Tsara ny misaintsaina an’izany. Vitsy mantsy ny olona manana finoana sy fanantenana ankehitriny. Maninona àry raha resahina amin’ny olona ny zavatra tsara ianaranao ao amin’ny Baiboly?

“NIDINA NANKANY EJIPTA”

Azo inoana fa niampita ny Reniranon’i Eofrata ry Abrahama, ny 14 Nisana 1943 T.K. Nianatsimo nankany amin’ilay tany nampanantenain’i Jehovah izy ireo avy eo. (Eksodosy 12:40, 41) Variana i Saraha mitazana ny hakanton’ny manodidina. Mahafinaritra azy koa ny toetany! Niseho tamin’i Abrahama indray i Jehovah, teo akaikin’ireo hazoben’i More, tsy lavitra an’i Sekema. Hoy izy: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” Azo inoana fa nisy dikany be tamin’i Abrahama ilay teny hoe ‘taranaka.’ Nampahatsiahy azy an’ilay tenin’i Jehovah tao amin’ny zaridainan’i Edena izany hoe hisy taranaka hanorotoro an’i Satana. Efa nilaza tamin’i Abrahama koa i Jehovah fa amin’ny alalan’ilay firenena avy aminy no hitahiana ny olona eran-tany.—Genesisy 3:15; 12:2, 3, 6, 7.

Tojo olana koa anefa ilay fianakaviana. Nisy mosary tao Kanana, ka nentin’i Abrahama nianatsimo nankany Ejipta izy ireo. Efa tsinjotsinjony anefa ny loza ho hitany any. Hoy àry izy tamin’i Saraha: “Azafady ange ianao e! Fantatro tsara fa vehivavy tsara tarehy ianao. Koa tsy maintsy hahita anao ny Ejipsianina, ka hilaza hoe: ‘Io no vadiny.’ Dia hovonoin-dry zareo aho, fa ianao kosa hotsimbininy. Koa mba lazao hoe anabaviko ianao, mba handeha tsara ny zava-drehetra ka tsy hisy hanjo ahy noho ny aminao, ary ho velona aho noho ny aminao.” (Genesisy 12:10-13) Nahoana i Abrahama no nangataka zavatra hafahafa hoatr’izany?

Misy mpanao tsikera milaza fa mpandainga na kanosa i Abrahama. Tsy marina anefa izany. Tena anabaviny mantsy i Saraha satria iray ihany ny rain’izy ireo. Malina koa izy. Fantatr’izy sy Saraha ilay fikasan’Andriamanitra hoe hisy taranaka sy firenena hipoitra avy amin’i Abrahama. Tsy misy zava-dehibe kokoa noho izany, ka tena nilaina narovana ny ain’i Abrahama. Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany koa fa efa nisy manam-pahefana tany Ejipta naka an-keriny vadin’olona, ary avy eo namono an’ilay lehilahy tompom-bady. Tena malina àry i Abrahama. Nanetry tena koa i Saraha, ka narahiny ny tenin’ny vadiny.

Tsy ela dia hita hoe nitombina ny ahiahin’i Abrahama. Nisy olona ambony tao an-dapan’i Farao mantsy nahamarika hoe tsara tarehy be i Saraha. Tena niavaka izany raha jerena ny taonany. Nolazain’izy ireo tamin’i Farao izany, ka nasainy nalaina ravehivavy. Azo antoka fa nalahelo be i Abrahama, ary natahotra i Saraha. Toa nentina toy ny vahiny nanan-kaja anefa i Saraha, fa tsy toy ny babo. Angamba i Farao nitetika ny hambabo ny fony sy hampideradera azy ny fananany, ary avy eo hangataka azy ho vady tamin’ny “anadahiny.”—Genesisy 12:14-16.

Alao sary an-tsaina i Saraha mitazana ny tanin’i Ejipta avy eo am-baravarankely na lavarangan’ilay lapa. Inona re no tsapany e? Mba misy trano ipetrahana indray mantsy izy izao, sady mahazo sakafo matsiro. Nampiadana kokoa noho ny tany Ora aza angamba ny fiainana tao an-dapa. Ho babon’izany ve ny fony ka handao an’i Abrahama izy, ary hanambady an’i Farao? Azo antoka fa ho faly be i Satana, raha izany no nataony! Tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy anefa i Saraha. Tsy nivadika tamin’ny vadiny sy ny Andriamaniny izy, ary nanaja ny tokantranony. Raha mba izany koa mantsy no ataon’ny olona manambady eto amin’ity tontolo ratsy fitondran-tena ity! Hanahaka an’i Saraha ve ianao, ka tsy hivadika amin’ny olon-tianao sy ny havanao ary ny namanao?

Tsy nivadika tamin’ny vadiny i Saraha, na teo aza ireo fakam-panahy tao an-dapan’i Farao

Niaro an’io vehivavy mahatehotia io i Jehovah, ka nahatonga loza tamin’i Farao sy ny ankohonany. Nalefan’i Farao nody tany amin’i Abrahama àry i Saraha, rehefa fantany hoe vadin’izy io izy. Nasainy niala tao Ejipta koa izy mianakavy. (Genesisy 12:17-20) Faly erỳ i Abrahama fa tafaverina soa aman-tsara ny vady malalany! Tadidio ny teny mamy nataony taminy hoe: “Fantatro tsara fa vehivavy tsara tarehy ianao.” Tsy noho i Saraha tsara tarehy fotsiny anefa no nitiavany azy, fa noho izy tsara toetra koa. Izany no tena sarobidy eo imason’i Jehovah. (1 Petera 3:1-5) Afaka miezaka ny ho tsara toetra isika rehetra. Ataovy loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra, ary resaho amin’ny olona ny zavatra ianaranao momba azy. Miezaha koa hadio fitondran-tena foana na dia misy fakam-panahy aza. Hanahaka ny finoan’i Saraha ianao amin’izay!

^ feh. 3 Abrama sy Saray no anaran’izy ireo taloha. Ny anarana vaovao nomen’i Jehovah azy ireo anefa no tena ahalalana azy.—Genesisy 17:5, 15.

^ feh. 8 Anabavin’i Abrahama i Saraha saingy hafa reny. Samy zanak’i Tera mantsy izy ireo. (Genesisy 20:12) Tsy mety ny manambady havana akaiky toy izany ankehitriny. Hafa mihitsy anefa ny zava-nisy tamin’izany. Marina fa tsy lavorary ny olona, tsy hoatran’i Adama sy Eva tany am-boalohany. Mbola nanakaiky ny fahalavorariana anefa izy ireo. Tsy natahorana hiteraka sampona àry ireo nanambady ny havany akaiky. Efa lavitra kokoa ny fahalavorariana anefa ny olona, 400 taona teo ho eo taorian’izay. Nilaza àry ny Lalàn’i Mosesy fa tsy mahazo manao firaisana ny mpihavana akaiky.—Levitikosy 18:6.