Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao Ihany ve ny Mahafantatra An’Andriamanitra?

Azo Atao Ihany ve ny Mahafantatra An’Andriamanitra?

“Tsy takatry ny saina Andriamanitra.” —Philon avy any Aleksandria, filozofa tamin’ny taonjato voalohany.

“Tsy lavitra antsika tsirairay [Andriamanitra].” —Saoly avy any Tarsosy, tamin’izy niresaka tamin’ny filozofa tany Atena, tamin’ny taonjato voalohany.

IZA amin’ireo no ekenao? Be dia be no mahita fa mampahery sady mahaliana ilay tenin’i Saoly avy any Tarsosy, izany hoe ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 17:26, 27) Mbola misy andinin-teny hafa hoatr’izany koa ao amin’ny Baiboly. Rehefa nivavaka, ohatra, i Jesosy indray mandeha, dia nanome toky ny mpianany fa azon’izy ireo atao ny mahafantatra an’Andriamanitra sy mahazo ny fitahiany.—Jaona 17:3

Misy filozofa tsy miombon-kevitra amin’izany anefa, ohatra hoe i Philon. Milaza izy ireo fa tsy hahalala an’Andriamanitra izany mihitsy isika, satria tsy takatry ny saintsika izy. Inona àry no tena marina?

Milaza ny Baiboly fa tsy takatry ny saintsika ny zavatra sasany momba an’Andriamanitra. Tsy haintsika, ohatra, hoe oviana izy no nisy. Tsy takatry ny saintsika koa ny fahaizany sy ny fahendreny. Tsy misakana antsika tsy hahalala azy anefa izany. Vao mainka aza isika “hanatona” azy, raha misaintsaina an’ireny. (Jakoba 4:8) Andao àry isika handinika zavatra vitsivitsy tsy ho takatry ny saintsika mihitsy, ary avy eo hijery zavatra hafa tena azontsika fantarina.

Ny zavatra tsy takatry ny saintsika

EFA NISY HATRAMIN’IZAY ANDRIAMANITRA: Milaza ny Baiboly fa ‘efa Andriamanitra izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.’ (Salamo 90:2) Midika izany fa tsy nanam-piandohana izy ary hisy foana mandrakizay. Tsy ho voaisantsika mihitsy ny taonany.—Joba 36:26.

Ny soa azontsika rehefa mahalala an’izany: Mampanantena Andriamanitra fa hahazo fiainana mandrakizay ianao raha tena mahalala azy. (Jaona 17:3) Izy no “Mpanjakan’ny mandrakizay” ka afaka manatanteraka an’izany. (1 Timoty 1:17) Tsy ho azo inoana mantsy izany raha izy aza tsy velona mandrakizay.

MARANI-TSAINA BE ANDRIAMANITRA: Milaza ny Baiboly fa ‘tsy takatry ny saina ny fahalalan’Andriamanitra’, satria marani-tsaina be noho isika izy. (Isaia 40:28; 55:9) Izao mihitsy aza no lazain’ny Baiboly: “Iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, mba hampianatra azy?”—1 Korintianina 2:16.

Ny soa azontsika rehefa mahalala an’izany: Na an-tapitrisany aza no mivavaka amin’Andriamanitra ao anatin’ny fotoana iray, dia vitany ny mihaino azy ireo. (Salamo 65:2) Hitany na dia ny fody mianjera amin’ny tany aza. Mety ho be loatra ve anefa ny zavatra eritreretin’Andriamanitra, ka tsy hitany akory ianao sady tsy manam-potoana hihainoana anao izy? Tsy hisy mihitsy izany! Tsy voafetra tsinona ny zavatra takatry ny sain’i Jehovah. “Sarobidy noho ny fody maro” koa ianao aminy.—Matio 10:29, 31.

NY FOMBA FIASAN’ANDRIAMANITRA: Milaza ny Baiboly fa tsy ho haintsika olombelona mihitsy “ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” (Mpitoriteny 3:11) Tsy hahafantatra ny zava-drehetra momba azy mihitsy àry isika. “Tsy hay fantarina” ny lalany sy ny fahendreny. (Romanina 11:33) Ampahafantarin’Andriamanitra an’izay te hanao ny sitrapony anefa ny zavatra hataony.—Amosa 3:7.

Tsy haintsika hoe oviana ny Mpamorona no nisy. Tsy takatry ny saintsika koa ny fahaizany sy ny fahendreny

Ny soa azontsika rehefa mahalala an’izany: Hahafantatra zava-baovao momba an’Andriamanitra foana ianao raha mianatra sy mamaky Baiboly. Ho hainao koa ny fomba fanaovany zavatra. Midika izany fa afaka mifandray akaiky kokoa amin’ilay Raintsika any an-danitra isika mandrakizay.

Ny zavatra azontsika fantarina

Tsy hahafantatra an’Andriamanitra mihitsy àry ve isika, satria tsy takatry ny saintsika ny zavatra sasany momba azy? Tsia! Misy zavatra be dia be resahina ao amin’ny Baiboly mba hanampiana antsika hahalala tsara azy. Hijery ohatra vitsivitsy amin’izany isika.

NY ANARAN’ANDRIAMANITRA: Nolazainy ao amin’ny Baiboly ny anarany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” Miverina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny anarany raha oharina amin’ny anarana hafa. Hita im-7 000 eo ho eo izy io.—Isaia 42:8.

Ny soa azontsika rehefa mahalala an’izany: Hoy i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely nataony: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Mampiasa ny anaran’Andriamanitra koa ve ianao rehefa mivavaka? Hovonjen’i Jehovah mantsy izay manaja ny anarany.—Romanina 10:13.

NY FONENAN’ANDRIAMANITRA: Toerana roa ihany no resahin’ny Baiboly hoe misy mipetraka: Etỳ “ambany” izany hoe etỳ an-tany, sy any “ambony” izany hoe any an-danitra. Fanahy no mipetraka any an-danitra, ohatra hoe ny anjely. (Jaona 8:23; 1 Korintianina 15:44) Milaza ny Baiboly fa “any an-danitra” no fonenan’Andriamanitra.—1 Mpanjaka 8:43.

Ny soa azontsika rehefa mahalala an’izany: Lasa mazava kokoa aminao hoe hoatran’ny ahoana Andriamanitra. Tsy hery tsy fantapantatra eny rehetra eny akory izy. Tena misy izy ary manana fonenana. Tsy misy miafina aminy anefa ny zava-drehetra.—Hebreo 4:13.

NY TOETRAN’ANDRIAMANITRA: Voaresaka ao amin’ny Baiboly ny toetran’Andriamanitra: Fitiavana izy. (1 Jaona 4:8) Tsy mandainga mihitsy izy. (Titosy 1:2) Tsy manavakavaka koa izy, mamindra fo, tsara fanahy, ary tsy mora tezitra. (Eksodosy 34:6; Asan’ny Apostoly 10:34) Tiany ‘hifandray akaiky aminy’ mihitsy aza ny olona manaja azy.—Salamo 25:14.

Ny soa azontsika rehefa mahalala an’izany: Mety ho lasa naman’Andriamanitra ianao. (Jakoba 2:23) Mazava kokoa aminao ireo tantara ao amin’ny Baiboly, rehefa fantatrao ny toetran’i Jehovah.

‘TADIAVO IZY’

Hazavaina tsara ao amin’ny Baiboly àry hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah. Tsy hoe tsy takatry ny saina akory izy, fa azo atao tsara ny mahafantatra azy. Tiany hahalala azy mihitsy aza ianao. Hoy ny Baiboly: “Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.” (1 Tantara 28:9) Maninona raha mamaky sy misaintsaina an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly, amin’izay ho fantatrao Andriamanitra? Raha manao an’izany ianao, dia ‘hanatona anao izy.’—Jakoba 4:8.

Hahafantatra zava-baovao momba an’Andriamanitra foana ianao raha mianatra sy mamaky Baiboly. Ho hainao koa ny fomba fanaovany zavatra

Mety hilaza anefa ianao hoe: ‘Izaho ve dia ho lasa naman’Andriamanitra nefa tsy fantatro akory ny momba azy rehetra?’ Eritrereto izao: Tsy maintsy mahay momba ny fandidiana ve ny olona iray, vao ho afaka hinamana be amin’ny dokotera mpandidy? Tsia! Mety ho hafa mihitsy ny asany. Ny toetran’ilay dokotera sy ny zavatra tiany sy tsy tiany ihany no tena tokony ho fantany. Izay tokony ho fantatsika momba an’i Jehovah ihany koa no resahin’ny Baiboly. Voalaza ao hoe hoatran’ny ahoana izy. Izany ihany mantsy no tena ilainao fantarina raha te ho lasa namany ianao.

Tsy zavatra vitsivitsy fotsiny no resahin’ny Baiboly momba ny Mpamorona. Resahiny ao izay ilaintsika mba hahalalana tsara azy. Te hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah Andriamanitra àry ve ianao? Mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasa anao izahay hanatona azy ireo na hitsidika ny tranonkala www.isa4310.com/mg.