Hijery ny anatiny

Ahoana no Niandohan’ny Halloween?

Ahoana no Niandohan’ny Halloween?

Valiny ara-baiboly

 Fety ankalazain’ny olona maro isaky ny 31 Oktobra ny Halloween. Na dia tsy miresaka momba azy io aza ny Baiboly, dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny niandohan’io fety io sy ny fombafomba mifandray aminy.

Ho hitantsika ato ireto:

 Ny tantaran’ny Halloween sy ny fombafomba atao amin’izy io

  •   Samain: Hoy ilay boky hoe The World Book Encyclopedia: “Fety fanaon’ny Selta, mpanompo sampy fahiny” ny Samain, ary “nankalazaina tokony ho 2 000 taona mahery lasa izay.” Avy amin’io fety io ny Halloween. “Mino ny Selta fa afaka mandehandeha miaraka amin’ny velona ny maty rehefa Samain, ary afaka mitsidika ny maty sy miaraka amin’izy ireo ny velona.”​—Jereo ilay hoe “ Maninona ilay fety no antsoina hoe Halloween?

  •   Akanjo Halloween sy ilay fanao mitety trano mangataka bonbon: Milaza ny boky iray fa nanao akanjo mampahatahotra ny Selta sasany. Amin’izay, hono, izy ireo tsy ampijalin’ireo fanahy mandehandeha satria “heveriny fa namany.” Ny hafa indray nanome bonbon an’ireo fanahy mba hampitonena azy ireo. a

     Narahin’ny mpitondra fivavahana katolika tany Eoropa tamin’ny Moyen Âge (taona 500-1500 tany ho any) ny fombafomban’ny mpanompo sampy, ka nampirisihiny hanao akanjo mampahatahotra ny mpivavaka tao aminy ary nasainy nitety trano mba hangataka fanomezana kely.

  •   Matoatoa, vampira, bibiolona, mpamosavy, ary lolovokatra: Nampifandraisina tamin’ny fanahy ratsy foana izy ireo hatramin’izay. “Zavaboary manana hery miafina” no iantsoan’ilay boky hoe Halloween Trivia azy ireo. Milaza koa izy io fa “ny fahafatesana sy ny maty ary ny tahotra ny ho faty no tonga ao an-tsain’ny olona avy hatrany” rehefa maheno momba an’ireo.

  •   Voatavo na harendrina voatavo ampiasaina amin’ny Halloween: “Nitety trano” ny olona tany Grande-Bretagne, tamin’ny Moyen Âge, ary “nangataka sakafo ho takalon’ny vavaka nataony ho an’ny maty.” Nitondra “harendrina vita tamin’ny nave” izy ireo, “ka ny labozia tao anatiny dia manondro fanahy ao amin’ny afofandiovana.” (Halloween​—From Pagan Ritual to Party Night) Misy mpahay tantara milaza fa natao handroahana fanahy ratsy ny harendrina. Nosoloan’ny olona tany Amerika Avaratra voatavo ny nave tamin’ny taona 1800 tany ho any. Be voatavo mantsy tany sady mora ny nanala ny tao anatiny sy nanao sarisary teo aminy.

 Tsy mampaninona ve ilay hoe avy amin’ny mpanompo sampy no niandohan’ny Halloween?

 Tsy izany mihitsy. Mieritreritra ny olona sasany hoe tsy mampaninona sady mahafinaritra ny manao Halloween. Tsy mifanaraka amin’ny zavatra lazain’ny Baiboly anefa ny fombafomba ataon’ny olona amin’io fety io. Miorina amin’ny fampianaran-diso momba ny maty sy ny fanahy tsy hita maso na demonia izy io.

 Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny fombafomba atao amin’ny Halloween? Mamaly an’izany ireto andininy ireto:

  •   “Tsy tokony hisy eo aminao mihitsy ny olona ... mankany amin’ny mpamoha angatra na mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty.”​—Deoteronomia 18:10, 11.

     Inona no dikan’izany? Tsy tian’Andriamanitra hifandray amin’ny maty ny olona. Ary na dia manao zavatra mba hahatonga ny hafa hieritreritra hoe mifandray amin’ny maty aza isika, dia efa tsy tian’Andriamanitra.

  •   “Ny maty ... tsy mahalala na inona na inona.”​—Mpitoriteny 9:5.

     Inona no dikan’izany? Tsy afaka mifandray amin’ny velona ny maty satria tsy mahalala na inona na inona.

  •   “Tsy tiako hanan-javatra iombonana amin’ny demonia ianareo. Tsy azonareo atao ny misotro amin’ny kaopin’i Jehovah sady misotro amin’ny kaopin’ny demonia.”​—1 Korintianina 10:20, 21.

     Inona no dikan’izany? Raha te hampifaly an’Andriamanitra isika dia tsy tokony hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny demonia mihitsy.

  •   “[Miezaha] mba ho mafy orina ianareo ka ho vitanareo ny hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly. Isika mantsy ... miady ... amin’ny fanahy ratsy.”​—Efesianina 6:11, 12.

     Inona no dikan’izany? Tokony hanohitra ny fanahy ratsy ny Kristianina, fa tsy hiseho hoe mifety miaraka amin’izy ireny.

a Jereo ilay boky hoe Halloween: An American Holiday, an American History, pejy 4.