Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JOSEFA

“Izaho Angaha Solon’Andriamanitra?”

“Izaho Angaha Solon’Andriamanitra?”

EFA somambisamby tamin’izay, ary mandehandeha ao an-jaridainany i Josefa. Angamba izy sondriana mijery an’ireo palmie sy hazo hafa fihinam-boa ary ireo dobo misy zavamaniry. Tazany kely ao ambadiky ny tamboho koa ny lapan’i Farao. Henony any ambadimbadika any ny feon’i Efraima zanany kely ampihomehezin’i Manase. Toa hitany erỳ ny vadiny mitsiky malefaka mahita azy roa lahy misangisangy. Mitsiky i Josefa satria tsapany hoe nahazo fitahiana be dia be izy.

Nataony hoe Manase ny anaran’ny zanany voalohany satria mifandray amin’ny hoe manadino io anarana io. (Genesisy 41:51) Notahin’Andriamanitra i Josefa, tato ho ato, ka nahatsiaro ho maivamaivana, na dia nankarary ny fony aza ny zavatra tsaroany momba ny any an-tanànany sy ny rahalahiny ary ny rainy. Niova tanteraka mantsy ny fiainany noho izy nankahalain’ny rahalahiny. Efa saika novonoin’izy ireo ho faty mihitsy aza izy, fa avy eo namidiny ho andevo tamin’ny mpivaro-mandeha indray. Taorian’izay, dia zavatra ratsy nifanesisesy no niainany nandritra ny 12 taona teo ho eo. Andevo izy ary nigadra. Nisy fotoana aza izy nasiana gadra vy mihitsy. Izao anefa i Josefa lasa manam-pahefana be, satria izy no manarakaraka an’i Farao any Ejipta, ilay firenena natanjaka indrindra tamin’izany. *

Efa ela i Josefa no nahita hoe tanteraka foana izay nolazain’i Jehovah. Be dia be izao ny vokatra any Ejipta mandritra ny fito taona, araka ny efa voalazany mialoha. I Josefa no miandraikitra ny fanangonana an’ireo ambim-bokatra tsy ilain’ny olona. Niteraka roa lahy tamin’i Asenata vadiny izy, tao anatin’izay fotoana izay. Matetika anefa izy no mieritreritra ny havany, any amin’ny an-jatony kilaometatra any, indrindra fa i Benjamina zandriny lahy sy Jakoba rainy. Mety ho lasa ny sainy hoe mba nanao ahoana izay izy mianaka. Mety ho nanontany tena koa izy hoe efa niova ve ny zokiny lahy fa tsy mahery setra intsony, ary mety ho afaka hampihavana ny fianakaviany ihany ve izy.

Mety hitovy amin’ny an’i Josefa ny zavatra iainanao, raha lasa miady ny fianakavianao. Angamba misy mialona na mankahala na tsy mena-mivadika ao aminareo. Inona no azonao ianarana avy amin’ny finoan’i Josefa, rehefa nifandray tamin’ny havany izy?

“MANKANESA ANY AMIN’I JOSEFA”

Be atao be i Josefa ary toa nandeha haingana be ny fotoana. Efa nasehon’i Jehovah tao amin’ny nofin’i Farao hoe zara raha hamokatra ny tany, rehefa tapitra ireo fito taona maha be dia be ny sakafo. Tratran’ny mosary àry ny tany manodidina. “Eran’i Ejipta kosa mbola nahitana sakafo”, hoy ny Baiboly. (Genesisy 41:54) Tena nahazo tombony ny Ejipsianina satria nahay nandamin-javatra i Josefa sady efa nampahafantarin’Andriamanitra azy mialoha ny hoavy.

Nanetry tena foana i Josefa ka azon’i Jehovah nampiasaina

Fantatry ny Ejipsianina fa raha tsy teo i Josefa, dia asa fotsiny izay ho nanjo azy ireo. Tian’i Josefa anefa raha i Jehovah Andriamaniny ihany no homena voninahitra fa tsy izy. Raha manetry tena koa isika rehefa mampiasa ny fahaizantsika mba hanompoana an’Andriamanitra, dia mety hasainy hanao zavatra tsy noeritreretintsika mihitsy.

Tratran’ny mosary ny Ejipsianina rehefa nandeha ny fotoana. Izao fotsiny no nasain’i Farao nataon’izy ireo rehefa nitaraina izy ireo: “Mankanesa any amin’i Josefa, ka ataovy izay rehetra lazainy aminareo.” Nosokafan’i Josefa àry ny trano fitehirizam-bokatra mba hahafahan’ny olona hividy an’izay nilainy.—Genesisy 41:55, 56.

Tsy mba toy izany kosa ny tany an-tany hafa fa tena voa mafy. Nijaly ny havan’i Josefa tany Kanana, any amin’ny an-jatony kilaometatra miala an’i Ejipta. Nasain’i Jakoba nandeha nividy sakafo tany Ejipta ny zanany lahy satria henony hoe misy any.—Genesisy 42:1, 2.

Nirahin’i Jakoba izy folo lahy fa tsy nalefany kosa i Benjamina faralahiny. Mbola tadidiny mantsy ilay izy naniraka an’i Josefa hijery ny zokiny lahy, ary tamin’izay no nahitany azy farany. Nentin’ireo zanany niverina ilay akanjo tsara tarehin’i Josefa, ary rotidrotika sy nihosin-dra ilay izy. Iny anefa ilay akanjo nomeny an’i Josefa mba hanaporofoany hoe tena tiany izy. Nataon’ireo zanany ireo izay hinoany hoe lanin’ny biby masiaka i Josefa.—Genesisy 37:31-35.

“TSAROAN’I JOSEFA AVY HATRANY NY NOFINY”

Tonga tany Ejipta ihany ny zanak’i Jakoba, rehefa avy nanao dia lavitra. Rehefa nilaza izy ireo hoe te hividy sakafo, dia nasaina nankany amin’ilay olona ambony antsoina hoe Zafenata-panea. (Genesisy 41:45) Fantatr’izy ireo ve hoe i Josefa io olona io rehefa hitany? Tsia. Hainy fotsiny hoe mila ny fanampian’io manam-pahefana ejipsianina io izy ireo. Nanaja azy izy ireo ka “niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.”—Genesisy 42:5, 6.

Ary i Josefa? Tonga dia fantany ny rahalahiny! Tadidiny koa ilay zava-nitranga tamin’izy mbola kely, rehefa hitany niankohoka teo anatrehany izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Tsaroan’i Josefa avy hatrany ny nofiny.” Efa nasehon’i Jehovah azy tamin’ny nofy mantsy, tamin’izy mbola kely, fa hiankohoka eo anatrehany ny rahalahiny. (Genesisy 37:2, 5-9; 42:7, 9) Dia io tokoa fa miankohoka izy ireo izao! Hanoroka sy hamihina azy ireo ve izao i Josefa sa hamaly faty?

Na inona na inona tsapany, dia niezaka nifehy tena izy. I Jehovah mantsy no nahatonga an’izao fiovana be izao mba hanatanterahana ny fikasany. Efa nampanantena izy fa ho lasa firenena matanjaka ny taranak’i Jakoba. (Genesisy 35:11, 12) Raha mbola nahery setra sy tia tena ary mafy fo anefa ny rahalahin’i Josefa, dia mety tsy ho tanteraka amin’izy ireo ilay fikasan’Andriamanitra. Raha maika nanao zavatra koa i Josefa dia mety ho nisy fiantraikany tamin’ny fifandraisan’izy ireo tany an-trano izany, ary mety ho nampidi-doza an’ny rainy sy Benjamina mihitsy aza. Tsy hainy akory na mbola velona na efa maty izy mianaka. Naleon’i Josefa àry tsy nitsotra hoe iza izy mba hahafahany hitsapa azy ireo sy hahitana ny toetrany. Ho fantany avy eo hoe inona no tian’i Jehovah hataony.

Mety tsy hitranga aminao mihitsy io nahazo an’i Josefa io. Be dia be anefa izao ny fianakaviana tsy miray saina sy miady. Mety ho entim-po isika ka hanao izay hitantsika fa mety fotsiny rehefa tratran’izany. Hendry anefa isika raha manahaka an’i Josefa ka miezaka hahafantatra hoe ahoana no tian’i Jehovah handaminantsika an’ilay olana. (Ohabolana 14:12) Tadidio koa fa na zava-dehibe aza ny mihavana amin’ny fianakaviana, dia mbola zava-dehibe kokoa noho izany ny mifandray tsara amin’i Jehovah sy Jesosy.—Matio 10:37.

“IZAO NO HITSAPANA ANAREO”

Nisy zavatra maromaro nataon’i Josefa mba hahafantarana ny toetran’ny rahalahiny. Nampiasa mpandika teny aloha izy sady nasiaka tamin’izy ireo ka nilaza fa mpitsikilo izy ireo. Te hiaro tena ireo rahalahin’i Josefa ka notantarainy ny mombamomba ny fianakaviany. Nilaza izy ireo fa mbola manana zandrilahy. Mody tsy taitra mihitsy i Josefa, nefa tena faly be. Mbola velona tokoa ve ilay zandriny? Fantatr’i Josefa izao izay tokony hataony. Hoy izy: “Izao no hitsapana anareo”, dia noteneniny tamin’izy ireo hoe tsy maintsy entin’izy ireo any aminy ilay zandriny. Navelan’i Josefa nandeha nody ireo rahalahiny mba haka an’ilay zandriny fa ny iray amin’izy ireo kosa notazoniny.—Genesisy 42:9-20.

Nifampiresaka ireo rahalahiny hoe meloka izy ireo noho ny zavatra ratsy nataony tamin’ny 20 taona lasa. Tsy fantatr’izy ireo akory hoe azon’i Josefa ny fiteniny. Hoy izy ireo: “Tena meloka tokoa isika noho izay nataontsika tamin’ny rahalahintsika, satria hitantsika ny fahoriany rehefa nitalaho mafy tamintsika izy mba hangoraka azy, nefa tsy nihaino isika. Izany no mahatonga izao fahoriana izao amintsika.” Azon’i Josefa tsara ny zavatra resahin’izy ireo ka niala teo izy mba tsy ho hita hoe mitomany. (Genesisy 42:21-24) Fantany anefa fa tsy ampy ny manenina noho ny vokatry ny zava-dratsy natao. Tsy izany fotsiny ny hoe tena mibebaka. Notohiziny ihany àry izay efa noeritreretiny hatao.

Nalefan’i Josefa nody ireo rahalahiny fa notazoniny kosa i Simeona. Nasiany vola koa tao anatin’ny kitapo fasiana sakafo nentin’izy ireo nody. Niezaka mafy nandresy lahatra an’i Jakoba izy ireo rehefa tafody, mba hamela azy ireo hitondra an’i Benjamina ho any Ejipta. Rehefa tonga tany Ejipta indray izy ireo, dia nolazainy tamin’ny mpanompon’i Josefa ny momba an’ireo vola hita tao anatin’ny kitapony sady nilaza izy ireo hoe hamerina ny vola rehetra. Mety ny nataon’izy ireo nefa mbola tsy nahafa-po an’i Josefa izany. Nanao fanasambe ho azy ireo izy, ka hita hoe mitady tsy ho voafehiny ny hafaliany, rehefa nahita an’i Benjamina. Nalefany nody indray izy ireo sady nampitondrainy sakafo be dia be, ary nasiany kaopy volafotsy tao anatin’ny kitapon’i Benjamina.—Genesisy 42:26–44:2.

Nasain’i Josefa nenjehina sy nosamborina izy ireo satria hoe nangalatra an’ilay kaopy. Nentina niverina tany amin’i Josefa izy ireo avy eo rehefa tratra tany amin’i Benjamina ilay kaopy. Eto vao ho hitan’i Josefa hoe tena niova ve ireo rahalahiny. I Joda no nisolo tena azy ireo. Niangavy izy mba hamindra fo amin’izy ireo i Josefa. Nilaza mihitsy izy hoe tsy maninona raha lasa andevo any Ejipta izy 11 lahy. I Benjamina ihany anefa no nasain’i Josefa najanona ho andevo fa izy rehetra kosa tsy maintsy mody.—Genesisy 44:2-17.

Nalahelo be i Joda namaly an’i Josefa sady niteny hoe: “Izy irery sisa no tavela amin’ny zanaky ny reniny, ary tena tia azy ny rainy.” Hontsa ny fon’i Josefa satria izy no zanak’i Rahely voalohany. Vadin’i Jakoba i Rahely sady tena tiany, saingy maty teo am-piterahana an’i Benjamina. Hita hoe mahatsiarotsiaro an’i Rahely i Josefa, toy ny rainy ihany. Samy zanak’i Rahely koa izy roa lahy, ka izany angamba no tena nitiavan’i Josefa an’i Benjamina.—Genesisy 35:18-20; 44:20.

Mbola niangavy ihany i Joda mba tsy hatao andevo i Benjamina. Nanolo-tena hisolo an’i Benjamina mihitsy aza izy. Farany, dia nitalaho izy hoe: “Hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko nefa tsy hiaraka amiko ny zaza? Tsy te hahita ny fahoriana hanjo an-draiko aho.” (Genesisy 44:18-34) Tena niova tokoa izy! Tsy hoe nanenina fotsiny izy, fa tena nasehony hoe nalahelo sy nahafoy tena izy ary nangoraka.

Hitan’i Josefa hoe nanenina tamin’ny ratsy nataony ny rahalahiny

Tsy tantin’i Josefa intsony izany, ka navoakany daholo ny tao am-pony. Nasainy nandeha ny mpanompony rehetra, ary nitomany mafy be izy ka heno hatrany an-dapan’i Farao. Niteny ihany izy tamin’ny farany hoe: “Izaho ange ilay Josefa rahalahinareo e!” Gaga be ny rahalahiny. Nofihininy izy ireo ary nomeny toky fa efa namela ny helok’izy ireo izy. (Genesisy 45:1-15) Nasehony hoe vonona hamela heloka tanteraka toa an’i Jehovah izy. (Salamo 86:5) Manao toy izany koa ve isika?

“MBOLA VELONA IHANY IANAO”

Henon’i Farao daholo izay nitranga tao an-tranon’i Josefa. Nasainy nifindra nankany Ejipta àry ny rain’i Josefa, miaraka amin’ny fianakaviany manontolo. Vetivety dia nifankahita tamin’ny rainy i Josefa. Nitomany i Jakoba sady niteny hoe: “Tsy mampaninona ahy intsony na ho faty aza aho, satria efa nifanatri-tava taminao aho, fa mbola velona ihany ianao.”—Genesisy 45:16-28; 46:29, 30.

Mbola velona nandritra ny 17 taona tany Ejipta i Jakoba taorian’izay, ka afaka nitso-drano an’ireo zanany lahy 12. Tsy tso-drano fotsiny anefa ilay izy fa faminaniana koa. Nomeny anjaran-droa i Josefa, zanany faha-11, nefa ny lahimatoa matetika no omena an’izany. Ho avy amin’i Josefa ny foko roa eo amin’ny Israely. Ary ahoana ny amin’i Joda, ilay nisolo tena ny rahalahiny? Fitahiana lehibe no azony satria lasa razamben’ny Mesia izy.—Genesisy toko 48, 49.

Maty i Jakoba tamin’izy 147 taona. Natahotra ny zanany sao hamaly faty amin’izay i Josefa, satria efa lasa manam-pahefana be izy. Tena tian’i Josefa anefa izy ireo, ka nomeny toky hoe tsy tokony hanahy. Efa ela i Josefa no nahita hoe i Jehovah no nahatonga ny fianakaviany hifindra tany Ejipta, ka tsy tokony hanamelo-tena intsony ny rahalahiny. Nanontany izy avy eo hoe: “Izaho angaha solon’Andriamanitra?” (Genesisy 15:13; 45:7, 8; 50:15-21) Fantatr’i Josefa hoe i Jehovah no Mpitsara tonga lafatra. Raha i Jehovah aza efa namela ny heloky ny rahalahiny, nahoana moa izy no hanasazy azy ireo?—Hebreo 10:30.

Sarotra be aminao ve ny mamela heloka? Mety ho sarotra tokoa izany, indrindra raha fanahy inian’ilay olona ny nanao ratsy anao. Ahoana anefa raha tena mibebaka izy? Raha mamela azy tanteraka ianao dia tsy harary intsony ny fonao sady hilamina ny sainao ary ho toy izany koa ilay olona. Hitovy amin’ny an’i Josefa ny finoanao amin’izay ary hanahaka an’i Jehovah, ilay Rainy be famindram-po, ianao.

^ feh. 4 Jereo ny lahatsoratra “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2014, sy 1 Novambra 2014, ary 1 Febroary 2015.