Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nanangana ny maty tokoa ve i Jesosy?

Natsangan’i Jesosy i Lazarosy, na dia efa maty efatra andro aza

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa nanangana olona tamin’ny maty i Jesosy. Tsy angano izany satria tena nisy ny toerana nitrangany, ary voalaza mazava tsara ny fotoana nisehoany. Nisy vahoaka niaraka tamin’i Jesosy, ohatra, teo antenatenan’ny taona 31. Avy tany Kapernaomy izy ireo ary ho any Naina. Nifanena tamin’ny mpandevina maromaro izy ireo rehefa ho tonga tany, ary natsangan’i Jesosy ilay olona maty. Tena nitranga izany satria voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, sady hitan’ny olona be dia be.—Vakio ny Lioka 7:11-15.

Natsangan’i Jesosy koa i Lazarosy namany, na dia efa maty efatra andro aza. Tena azo antoka izany satria be dia be koa ny vavolombelona nahita an’ilay izy.—Vakio ny Jaona 11:39-45.

Nahoana i Jesosy no nanangana ny maty?

Nanangana ny maty i Jesosy satria tena nalahelo ny olona izy. Tiany haseho koa hoe nanome azy fahefana hanao izany ny Rainy, izay Mpanome aina.—Vakio ny Jaona 5:21, 28, 29.

Nampanantena i Jesosy fa mbola hanangana ny maty, amin’ny hoavy, ary azontsika antoka izany satria efa nanao izany izy taloha. Hanangana olona maro be izy, anisan’izany ny olona tsy marina, izany hoe izay tsy nahalala mihitsy an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Havela hianatra momba an’i Jehovah sy hampiseho hoe tia azy izy ireo.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.