Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Mahaiza Miresaka Amin’ny Zanakao

Mahaiza Miresaka Amin’ny Zanakao

“Mora taminay ny niresaka tamin’ny zanakay lahy taloha. Lasa sarotra aminay anefa izao ny mamantatra ny ao an-tsainy, satria zara raha miresaka izy! Aleony mitokana ao amin’ny efitranony. Efa 16 taona izy izao.”—MIRIAM, MEKSIKA.

“Nihaino tsara an’izay rehetra nolazaiko ny zanako tamin’ny mbola kely. Tsy leo mihitsy izy ireo! Mimenomenona anefa ry zareo izao hoe tsy maharaka ny fiainan’ny tanora, hono, aho.”—SCOTT, AOSTRALIA.

MANAN-JANAKA tanora ve ianao? Azo inoana fa mitovitovy amin’ireo voalaza ireo ny mahazo anao. Nifampiresaka tsara ianareo taloha. Tsy izany intsony anefa ny zava-misy ankehitriny. Hoy i Angela, any Italia: “Tia nanontany zavatra tamiko foana ny zanako lahy, taloha. Izaho indray anefa izao no tsy maintsy mampiresaka azy. Raha tsy izay, dia zara raha miresaka izy.”

Hitanao koa angamba fa lasa tezi-dava sy tsy miteny tsy mivolana ny zanakao, nefa niresaka be taloha. Mba miezaka mampiresaka azy ianao, nefa valy boraingina no azonao. Mila tsy hiteny, ohatra, izy rehefa anontanianao hoe: “Nanao ahoana ny tany am-pianarana?” Mamaly tsy sazoka izy hoe: “Asa!”, na hoe: “Hoatran’ny isan’andro ihany.” Mangina tanteraka izy, raha vao teneninao hoe: “Maninona raha mba miresaka tsara, fa tsy manao an’izany e?”

Marina aloha fa misy tanora miresaka ihany, saingy tsy tantin’ny ray aman-dreniny ny zavatra teneniny. Hoy i Edna, any Nizeria: “Isaky ny mba irahiko ny zanako vavy dia tsy maintsy mamaly foana hoe: ‘Sss! Aza manelingelina kah!’ ” Mitovitovy amin’izany koa ny zavatra voamarik’i Ramón, any Meksika, amin’ny zanany lahy 16 taona. Hoy i Ramón: “Miady foana izahay isan’andro. Tsy maintsy mahita havaly izy isaky ny mba irahiko.”

Sorena ny ray aman-dreny rehefa sarotra iresahana ny zanany. Na ny Baiboly aza milaza hoe: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina [na resaka amim-pahatsorana].” (Ohabolana 15:22) Hoy i Anna, reny tokan-tena, any Rosia: “Tsy haiko mihitsy indraindray izay ao an-tsain’ny zanako lahy. Tezitra be àry aho, ka te hivazavaza aminy.” Tokony hifampiresaka tsara ny ray aman-dreny sy zanaka. Ary rehefa mihalehibe ny ankizy no tena ilaina izany. Amin’izay indrindra anefa ry zareo no lasa tsy mahay mifampiresaka intsony. Fa nahoana?

Inona no olana?

Lasa mahalala zavatra momba ny olona iray isika, rehefa mifampiresaka tsara aminy. Sahy milaza ny ao am-pontsika koa isika. Hoy i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Lioka 6:45) Sarotra amin’ny tanora sasany anefa ny mamoaka ny ao am-pony. Lasa saro-kenatra mantsy izy rehefa mihalehibe, na dia tena tia niresaka aza taloha. Milaza ny manam-pahaizana fa mihevitra ny ankamaroan’ny tanora hoe manara-maso foana an’izay lazainy sy ataony ny olona. Toy ny hoe eo ambony sehatra izy, ary any aminy daholo ny mason’ny mpijery. Aleony àry miala, ary miafina mba tsy hisy hahita.

Inona koa no mahatonga ny ray aman-dreny sy ny zanany tanora tsy hahay hifampiresaka? Te hahaleo tena ny tanora. Voajanahary izany. Mihalehibe ny zanakao, ary mihataka tsikelikely aminao. Tsy midika izany hoe efa mahavita tena izy. Mbola mila anao izy, indrindra fa amin’izao fotoana izao. Manomboka mianatra mahaleo tena anefa izy, na dia mbola ho ela aza vao lasa olon-dehibe. Izany no mahatonga ny tanora maro tsy hilaza ny heviny avy hatrany, fa misaintsaina irery aloha.

Tsy menatra miresaka amin’ny namany anefa ny tanora. Hoy i Jessica, any Meksika, momba izany: “Niresaka tamiko foana ny zanako vavy taloha, isaky ny nanana olana. Any amin’ny namany indray anefa izy izao no miresaka.” Izany koa ve no hitanao? Aza mieritreritra hoe tsy mila anao intsony ny zanakao. Hita tamin’ny fanadihadiana natao, fa ny tenin’ny ray aman-dreny mazàna no henoin’ny ankizy kokoa noho ny an’ny namany, na dia mody tsy miraharaha an’izany aza izy. Inona àry no azonao atao, mba hahay hifampiresaka foana ianareo?

Vahaolana

Eritrereto hoe mandeha bisikileta eo amin’ny lalana lava sady mahitsy be ianao. Efa kilaometatra maro no vitanao, nefa tsy nila nivilivily mihitsy ianao. Tampoka teo anefa, dia nivily ilay lalana. Tsy maintsy avilinao àry ny bisikiletanao. Toy izany koa no tokony hataonao, rehefa mihalehibe ny zanakao. Tsy dia nila nanova ny fomba niresahanao taminy angamba ianao, nandritra ny taona maro. Miova be tampoka anefa izao ny fiainany, ka tsy maintsy manova ny fomba iresahanao aminy koa ianao. Eritrereto àry ireto fanontaniana ireto:

‘Vonona hiresaka amin’ny zanako ve aho, rehefa te hiresaka izy?’ Hoy ny Baiboly: “Ny teny atao amin’ny antony [na amin’ny fotoana mahamety azy] dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.” (Ohabolana 25:11) Tena ilaina àry ny manararaotra miresaka, amin’ny fotoana mahamety izany. Ity misy ohatra: Tsy azon’ny mpamboly aroso na ahemotra ny fotoam-pijinjana. Tsy maintsy miandry an’io fotoana io izy, ary manararaotra mijinja rehefa tonga ilay izy. Toy izany koa fa misy fotoana itiavan’ny ankizy miresaka. Hararaoty àry izany. Hoy i Frances, reny tokan-tena, any Aostralia: “Nankao amin’ny efitranoko ny zanako vavy matetika, talohan’ny hatoriana. Nijanona tao amiko adiny iray izy indraindray. Mafy tamiko ilay izy, satria tsy tia miari-tory aho. Niresaka be anefa izahay mianaka, ary samy nilaza izay tao am-ponay.”

ANDRAMO IZAO: Raha tsy te hiresaka izy, dia manaova zavatra miaraka aminy. Ohatra hoe mandehandeha, milalao, na manao raharaha. Matetika no mora kokoa amin’ny ankizy ny miresaka, rehefa manao zavatra tsotra toy izany izy sy ny ray aman-dreniny.

‘Inona no tena tiany holazaina?’ Hoy ny Joba 12:11: “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?” Izao indrindra ianao no mila “mamantatra” izay tena tian’ny zanakao holazaina. Manitatra ny ankizy matetika. Mety hilaza izy hoe: “Ataonareo hoatran’ny zazakely foana aho!”, na: “Tsy mihaino ahy mihitsy ianareo!” Aza miady hevitra aminy hoe tsy marina ny teniny. Mety ho zavatra hafa mantsy no tiany holazaina. Aoka hatao hoe miteny an’izao tokoa izy: “Ataonareo hoatran’ny zazakely foana aho!” Izao angamba no tiany holazaina: “Tsy atokisanareo aho.” Ary ahoana ilay hoe: “Tsy mihaino ahy mihitsy ianareo!”? Mety te hilaza izy hoe: “Mba tiako ho fantatrareo ny hevitro.” Fantaro àry ny tena tian’ny zanakao holazaina.

ANDRAMO IZAO: Raha tsy tantinao ny teniny, dia lazao hoe: “Hitako hoe tezitra ianao. Lazao amiko àry ny antony mahatonga anao hieritreritra hoe ataoko hoatran’ny zazakely ianao.” Henoy tsara izy avy eo, ary aza tapahina ny teniny.

‘Sao dia mba tereko hiresaka izy, ka izany no mahatonga azy tsy mety hiteny?’ Hoy ny Baiboly: “Ny voan’ny fahamarinana dia afafy amim-pihavanana ho an’ny mpampihavana.” (Jakoba 3:18) Asehoy amin’ny teninao sy ny ataonao fa te ‘hihavana’ amin’ny zanakao foana ianao. Ho mora aminy ny hiresaka aminao amin’izay. Ataovy toy ny hoe eny amin’ny fitsarana ianareo, ary ianao no misolovava azy. Tokony hanampy azy ianao, fa tsy himenomenona aminy. Hoy i Ahn, raim-pianakaviana, any Korea: “Tsy tsara ny milaza hoe: ‘Zaza saina mihitsy ianao ity!’, na hoe: ‘Efa impiry moa ianao no tenenina hoe...?’ Hitako hoe tezitra ny zanako lahy isaky ny niteny an’izany aho. Tsy tiany koa ny fomba nilazako an’ilay izy.”

ANDRAMO IZAO: Raha tsy mety mamaly anao izy, dia mitadiava fomba hafa hampiresahana azy. Aza manontany azy, ohatra, hoe: “Nanao ahoana ny tany am-pianarana?” Tantarao azy kosa izay nataonao, fa mety hiresaka koa izy. Ary ahoana raha te hahalala ny heviny momba ny zavatra iray ianao? Aza miteny hoe: “Ahoana ny hevitrao?” Anontanio kosa izy hoe ahoana ny hevitry ny namany. Asaivo milaza izy avy eo hoe inona no torohevitra azony omena an’ilay namany.

Aza mieritreritra hoe tsy ho vitanao mihitsy ny hiresaka amin’ny zanakao. Ovao ny fomba iresahanao aminy, rehefa ilaina. Miresaha amin’ny ray aman-dreny nahay niresaka tamin’ny zanany. (Ohabolana 11:14) Aoka ianao ho “mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra”, rehefa miresaka amin’ny zanakao. (Jakoba 1:19) Ambonin’ny zava-drehetra, dia miezaha hatrany mitaiza azy “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.”—Efesianina 6:4.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no fiovana hitako eo amin’ny zanako, amin’izao izy mihalehibe izao?

  • Inona no azoko atao, mba hahaizako miresaka aminy?