Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haharitra Ihany ve ity Tany Ity?

Haharitra Ihany ve ity Tany Ity?

Manontany ny Mpamaky

Haharitra Ihany ve ity Tany Ity?

Tsy hisy mihitsy loza hanapotika tanteraka ny Tany. Azo antoka ve izany? Eny, satria mampanantena Andriamanitra fa ‘tsy hihetsika mandrakizay doria’ ny tany. (Salamo 104:5) Hoy ny Baiboly: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.”—Mpitoriteny 1:4.

Araka ny teny hebreo tany am-boalohany, dia misy teny roa ao amin’ny Salamo 104:5 manamafy fa haharitra ny tany. Izany dia ny hoe ʽôhlam na “mandrakizay”, sy ʽad na “doria.” Azo adika koa hoe “taona maro” na “tsy mety tapitra” ny hoe ʽôhlam. Milaza ny Diksionera Hebreo sy Kaldeanina ho An’ny Mpianatra (anglisy) nataon’i Harkavy, fa midika hoe “fotoana maharitra, tsy voafetra, mandrakizay” ny hoe ʽad. Asehon’ireo teny hebreo roa ireo àry fa tena azo antoka hoe haharitra mandrakizay ny tany. Ireto koa misy porofo telo avy ao amin’ny Baiboly.

Voalohany, nataon’Andriamanitra honenan’ny olona ny tany, ary ho paradisa mahafinaritra sy maitso mavana, fa tsy ho ngazana. Milaza ny Isaia 45:18 fa i Jehovah no “nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana).”

Faharoa, efa ela Andriamanitra no nampanantena fa hiaina mandrakizay eto an-tany sy hiadana izay mankatò azy. Hoy ny Mika 4:4: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” Tsy maintsy haharitra mandrakizay àry ny tany mba honenan’ny olona, araka ny fikasan’Andriamanitra.—Salamo 119:90; Isaia 55:11; 1 Jaona 2:17.

Fahatelo, nasain’Andriamanitra nikarakara ny tany ny olombelona. Hoy ny Baiboly: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” (Salamo 115:16) Misy ray be fitiavana ve manome fanomezana tsara be ho an-janany, nefa manimba an’ilay izy avy eo? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa fa fanomezana nomen’i Jehovah ho an’ny olona ny tany, ka tsy hanimba azy io mihitsy Izy. “Andriamanitra [mantsy] dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8.

Nilaza i Jesosy Kristy fa ‘marina’ ny tenin’ny Rainy. (Jaona 17:17) Hoy koa ilay Andriamanitra tsy mahay mandainga: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:29; Titosy 1:2.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Gilaoby: Based on NASA photo