Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Ekoatera

Nahafoy Tena Izy Ireo: Ekoatera

Nahafoy Tena Izy Ireo: Ekoatera

NAHAVITA ny fianarany teny amin’ny lise i Bruno any Italia, ary izy no nahazo naoty ambony indrindra tao amin’ny kilasy nisy azy. Sahiran-tsaina izy satria nampirisika azy hanao fianarana ambony ny havany sy ny mpampianatra azy. Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah anefa izy, ary nampanantena fa ny sitrapon’Andriamanitra no hataony loha laharana. Ahoana àry no hataony? Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary niteny taminy fa ny fanompoana azy no hataoko loha laharana. Notsoriko taminy koa anefa hoe tiako raha mba tsy hankaleo be ny fiainako eo amin’ny fanompoana azy, fa mba hanao fanompoana isan-karazany aho.”

Nanitatra ny fanompoany tany Ekoatera, any Amerika Atsimo, i Bruno, taona vitsivitsy taorian’izay. Hoy izy: “Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, ary mihoatra noho izay nangatahiko aza!” Tsy nampoizin’i Bruno rehefa tonga tany izy, fa hay efa maro ny tanora nifindra tany mba hanitatra ny fanompoany.

TANORA ‘NITSAPA TOETRA AN’I JEHOVAH’

Hoy i Jehovah: ‘Tsapao toetra ange aho e, raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho.’ (Mal. 3:10) Nanaraka an’io tenin’i Jehovah io i Bruno sy ny tanora maro maneran-tany. Tia an’i Jehovah izy ireo ka mahafoy fotoana sy hery ary fananana, mba hanohanana ny asan’i Jehovah any amin’ny tany mila mpitory maro kokoa.

Vao tonga kelikely tao amin’ilay tany nifindrany izy ireny, dia nahita fa “be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.” (Mat. 9:37) Nanoratra toy izao ho an’ny sampan’i Ekoatera, ohatra, i Jaqueline, avy any Alemaina: “Tena faly be aho fa vao roa taona aho no nanompo teto Ekoatera, nefa efa manana mpianatra 13, ary mivory tsy tapaka ny 4.” Hoy koa i Chantal, avy any Kanada: “Nifindra tany amin’ny faritra iray any amin’ny morontsirak’i Ekoatera aho tamin’ny 2008, ary tsy nisy fiangonana afa-tsy iray tany. Misy fiangonana telo sy mpisava lalana 30 mahery anefa any izao. Tena mahafinaritra ahy ny mahita an’ireo vaovao mandroso!” Hoy koa izy: “Nifindra aho vao haingana ka nankatỳ amin’ny tanàna iray, 2 743 metatra miakatra ny Tendrombohitra Andes. Tsy misy afa-tsy fiangonana iray atỳ, nefa 75 000 mahery ny mponina. Mamokatra be ilay faritany, ka tena tiako ny fanompoako atỳ.”

NY ZAVA-TSAROTRA REHEFA MIFINDRA

Tsy mora foana ny hoe manompo any an-tany hafa. Mbola tsy miainga ny tanora sasany dia efa misy ny vato misakana. Hoy i Kayla, avy any Etazonia: “Nisy mpiara-manompo te hanampy ahy nilaza hoe tsy tokony handeha aho. Tsy azon-dry zareo hoe nahoana aho no te hanompo any an-tany hafa. Nahakivy ahy izany, ka nieritreritra aho indraindray hoe: ‘Tena tokony handeha ve aho?’ ” Nandeha ihany anefa i Kayla. Hoy izy: “Nivavaka foana momba an’ilay izy aho, ary niresaka tamin’ny Kristianina matotra. Nanampy ahy izany mba hahatakatra hoe tahin’i Jehovah ny olona vonona hanompo azy.”

Sarotra ho an’ny sasany koa ny mianatra teny vahiny. Hoy i Siobhan, avy any Irlandy: “Mafy tamiko ilay hoe tsy mahavita milaza ny zavatra tiako holazaina. Nila nanam-paharetana aho, nianatra tsara an’ilay fiteny, ary nihomehy ny tenako rehefa sendra diso ny teniko.” Hoy koa i Anna, avy any Estonia: “Mafana be atỳ, be vovoka, ary tsy misy rano mafana ny efitra fandroana. Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’ny mianatra teny espaniola. Tsy te hanohy intsony aho indraindray! Niezaka nifantoka tamin’ny fandrosoana vitako anefa aho, fa tsy tamin’ny fahadisoako intsony.”

Zava-tsarotra hafa koa ny hoe tafasaraka amin’ny tapaka sy namana. Hoy i Jonathan, avy any Etazonia: “Kivy aho rehefa tonga kelikely teto Ekoatera, satria nalahelo ny fianakaviako sy ny namako. Afakafaka anefa izany, rehefa nifantoka tamin’ny fanompoana aho ary nianatra samirery bebe kokoa. Tsy ela aho dia lasa falifaly indray, satria nahafinaritra ny fanompoana, ary nahazo namana vaovao aho teo anivon’ny fiangonana.”

Tsy mora koa ny miaina any an-tany hafa. Hoy i Beau, avy any Kanada: “Efa zatra trano misy jiro sy rano aho tany aminay. Tsy misy an’izany anefa atỳ indraindray.” Mahantra koa ny olona amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Betsaka no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ary tsy dia tsara ny fiara fitaterana. Mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona i Ines, avy any Aotrisy, mba hiatrehana izany. Hoy izy: “Mahay mandray vahiny be ny olona atỳ, tsara fanahy, tia manampy, ary manetry tena. Fa ny tena lehibe indrindra, dia ry zareo tena te hahafantatra momba an’Andriamanitra.”

‘FITAHIANA MIHOATRA NOHO IZAY ILAINA’

Mahafoy zavatra maro ireo rahalahy sy anabavy tanora tonga any Ekoatera. Karakarain’i Jehovah anefa izy ireo. Tsapan’izy ireo aza fa mahazo ‘fitahiana mihoatra noho izay ilainy’ izy ireo, eny “mihoatra lavitra” noho izay noeritreretiny. (Mal. 3:10; Efes. 3:20) Izao no nolazain’ny sasany:

Bruno: ‘Tany amin’ny faritra tsara tarehin’i Amazonia aho no nanompo voalohany, tamin’izaho tonga teto. Nandray anjara tamin’ny fanitarana ny Betelan’i Ekoatera aho tatỳ aoriana, ary manompo eto amin’ny Betela aho izao. Ny fanompoana no ataoko loha laharana, araka ny nampanantenaiko an’i Jehovah. Notanterahiny ny faniriako ka nanao zavatra mahafinaritra isan-karazany teo amin’ny fanompoana aho.’

Beau: “Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho izao, satria manokana ny fotoanako rehetra aho eto Ekoatera mba hanompoana azy. Faly koa aho fa mahita tany sy mitsidika toerana mahafinaritra. Efa faniriako hatramin’izay mantsy izany!”

Anna: “Tsy noeritreretiko mihitsy hoe afaka ny hanana fiainana misionera ny anabavy mpitovo toa ahy! Fantatro anefa izao fa tena azo atao tokoa izany. Notahin’i Jehovah aho ka manana mpianatra, mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary manana namana vaovao.”

Elke, avy any Aotrisy: ‘Nivavaka matetika tamin’i Jehovah aho tamin’izaho mbola tany aminay, mba hahazo fampianarana iray. Manana fampianarana 15 anefa aho atỳ! Tena mahafinaritra ny mahita azy ireo mandroso sy faly mianatra ny fahamarinana.’

Joel, avy any Etazonia: “Mahafinaritra be ilay hoe manompo any an-tany hafa. Miantehitra kokoa amin’i Jehovah ianao, ary faly satria mitahy ny ezaka ataonao izy! Tsy nisy afa-tsy 6 ny mpitory tao amin’ilay antoko-mpitory misy ahy tamin’izaho vao tonga, nefa lasa 21 izany tao anatin’ny herintaona. Nisy 110 koa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana.”

AHOANA NY AMINAO?

Ry rahalahy sy anabavy tanora, afaka manompo any amin’ny toerana mila mpitory maro kokoa ve ianao? Fanapahan-kevitra lehibe izany, ka mila fiomanana tsara. Tena mila tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aloha ianao. Raha manana an’izany fitiavana izany ianao, sady afaka mifindra toerana, dia mivavaha amin’i Jehovah momba ny fanirianao hanitatra faritany. Miresaha koa amin’ny ray aman-dreninao sy ny anti-panahy. Rehefa vitanao izany, dia mety ho hitanao fa afaka manao an’io karazana fanompoana masina io ianao, izay sady mahafa-po no mahafinaritra.

[Teny notsongaina, pejy 3]

‘Nivavaka foana aho, ary niresaka tamin’ny Kristianina matotra. Nanampy ahy izany mba hahatakatra hoe tahin’i Jehovah ny olona vonona hanompo azy.’—Kayla avy any Etazonia

[Efajoro, pejy 6]

Fiomanana tokony hatao rehefa hanitatra faritany

• Mizàra mianatra samirery tsy tapaka

• Diniho Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 2011, pejy 4-6

• Miresaha amin’ireo efa nanitatra ny fanompoany tany an-toeran-kafa

• Fantaro ny kolontsaina sy ny tantaran’ilay toerana hifindrana

• Mianara teny vitsivitsy fampiasa any

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Fomba iveloman’ny olona sasany manitatra faritany:

• Miasa volana vitsivitsy isan-taona any amin’ny tanàna niaviany

• Mampanofa trano

• Mivarotra

[Sary, pejy 4, 5]

1 Jaqueline avy any Alemaina

2 Bruno avy any Italia

3 Beau avy any Kanada

4 Siobhan avy any Irlandy

5 Joel avy any Etazonia

6 Jonathan avy any Etazonia

7 Anna avy any Estonia

8 Elke avy any Aotrisy

9 Chantal avy any Kanada

10 Ines avy any Aotrisy