Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena MISY DIKANY ny Fiainana

Tena MISY DIKANY ny Fiainana

Faizal. Tsy maintsy nodidiana fo izy. Vao herintaona talohan’izay koa no maty ny vadiny. Hoy izy: “Rehefa mamaky ny bokin’i Joba aho, dia azoko tsara hoe maninona izy io no nataon’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Maivamaivana ianao rehefa mamaky tantaran’olona efa niaina zavatra hoatran’ny anao. Tena mbola misy dikany ny fiainana!”

Tarsha. Mbola kely izy tamin’ny mamany maty. Izao no nolazainy: “Na dia be dia be aza ny olana atrehinao, dia lasa misy dikany ny fiainanao raha mahafantatra an’ilay Mpamorona ianao. Falifaly koa ianao sady manana fanantenana. Afaka matoky ianao hoe tena hanampy sy hanohana anao i Jehovah.”

HITANTSIKA tamin’ireo lahatsoratra teo aloha hoe mila tsy ho zaka ny olana indraindray. Raha izany no iainanao, dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Mba misy dikany ihany ve ny fiainana? Mba misy miraharaha an’ahy ihany ve?’ Matokia hoe hitan’Andriamanitra ny fahorianao, ary tsy manao tsinontsinona an’izany izy. Sarobidy aminy ianao!

Natoky an’Andriamanitra ilay mpanoratra ny Salamo faha-86. Izao no nolazainy: “Miantso anao aho rehefa ao anatin’ny sarotra, satria hamaly ahy ianao.” (Salamo 86:7) Ahoana anefa no hanaovan’Andriamanitra an’izany?

Mety hoe tsy tonga dia esorin’Andriamanitra ny olana mahazo anao. Manome toky anefa ny Baiboly hoe afaka manampy anao hilamin-tsaina izy. Hoy ny Filipianina 4:6, 7: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.” Ho hitanao amin’ireto andinin-teny ireto fa tena tia anao Andriamanitra.

Sarobidy amin’Andriamanitra ianao

“Na ny iray amin’ireny [fody ireny] aza ... tsy misy hoe tsy raharahian’Andriamanitra. ... Mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.”​Lioka 12:6, 7, fanamarihana ambany pejy.

ERITRERETO IZAO: Vorona tena kely ny fody, ka mety tsy hiraharaha azy ireny ny olona. Karakarain’i Jehovah anefa ny fody tsirairay, satria sarobidy aminy. Mbola sarobidy lavitra amin’Andriamanitra ny olombelona. Isika mantsy no zavaboariny miavaka indrindra eto an-tany. Nataony “mitovy endrika” aminy isika ka afaka manahaka ny toetrany.​—Genesisy 1:26, 27.

‘Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy. Fantatrao ny eritreritro. Diniho aho, ka fantaro izay mampitebiteby ahy.’​Salamo 139:1, 2, 23.

ERITRERETO IZAO: Fantatr’Andriamanitra tsara ianao. Fantany ny fihetseham-ponao na dia tsy teneninao amin’ny hafa aza. Mety tsy hahazo ny zavatra iainanao koa ny olona. I Jehovah anefa afaka manampy anao, satria azony tsara ny olana atrehinao. Tena misy dikany àry ny fiainana.

Manohana sy mitari-dalana anao Andriamanitra

“Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô! Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko! ... Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy. Mba valio haingana aho rehefa miantso anao. ... Hohenoiny tsara ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona.”​Salamo 102:1, 2, 17.

ERITRERETO IZAO: Hitan’i Jehovah ny ranomaso rehetra nalatsaky ny olona hatramin’izay, ary tsy hadinony mihitsy. (Salamo 56:8) Tsy hadinony koa ny olana rehetra natrehinao sy ny ranomaso narotsakao, satria sarobidy aminy ianao.

“Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. ... Izaho Jehovah Andriamanitrao no ... milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”​Isaia 41:10, 13.

ERITRERETO IZAO: Vonona hanampy anao Andriamanitra. Hanarina anao izy raha lavo ianao.

Mbola ho tsara be ny hoavy

“Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.”​Jaona 3:16.

ERITRERETO IZAO: Sarobidy amin’Andriamanitra ianao matoa nafoiny ho anao i Jesosy Zanany. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ianao noho ny soron’i Jesosy. a

Miady saina ve ianao ary mila tsy ho zakanao ny olana atrehinao? Ianaro tsara ny Tenin’Andriamanitra ary miezaha hatoky ny fampanantenany. Ho sambatra ianao amin’izay, ary hino hoe mbola misy dikany ny fiainana.

a Manazava bebe kokoa momba ny soron’i Jesosy sy ny soa entin’izy io ilay video hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy ao amin’ny www.isa4310.com/mg. Jereo ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY > FAHATSIAROVANA.