Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Mafy Loatra ny Manjo Anao

Rehefa Mafy Loatra ny Manjo Anao

MAMY erỳ ny miaina rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra. Tena mangidy anefa ny fiainana rehefa mafy ny manjo.

Izany no nahazo an’i Sally, a mipetraka any Etazonia. Nisy rivo-doza tany amin-dry zareo, dia fongana ny fananany. Hoy izy: “Mafy loatra ilay izy, dia imbetsaka aho no niteny hoe ‘tsy zakako intsony izao!’”

Maty ny zanak’i Janice, any Aostralia. Nilaza izy hoe: “Tena potika ny fiainako rehefa maty ny zanako roa lahy. Nitalaho tamin’Andriamanitra aho hoe: ‘Aoka izay ka! Avelao re aho ho faty e!’”

I Daniel indray kivy be rehefa nijangajanga ny vadiny. Hoy izy: “Hoatran’ireny notsatohana antsy ireny ny foko, rehefa nilaza tamiko ny vadiko hoe nijangajanga izy. Nijaly be foana aho nandritra ny volana maromaro.”

Ary ianao? Iza amin’ireto no iainanao?

Hazavain’ity gazety ity fa tena mbola misy dikany ny fiainana, na mitranga aza ireo. Ahoana, ohatra, raha niharan’ny loza ianao?

a Novana ny anarana sasany.