Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba An’Andriamanitra sy Kristy

Ny Marina Momba An’Andriamanitra sy Kristy

Be dia be ny andriamanitra ivavahan’ny olona. Iray ihany anefa ny tena Andriamanitra. (Jaona 17:3) Izy ilay “Andriamanitra Fara Tampony”, Mpamorona ny zava-drehetra, ary Loharanon’aina. Izy ihany no mendrika hivavahana. ​—Daniela 7:18; Apokalypsy 4:11.

Iza moa Andriamanitra?

MIVERINA IM-7 000 EO HO EO ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany

JEHOVAH no anaran’Andriamanitra

Anisan’ny anaram-boninahitr’i Jehovah ny hoe RAY, ANDRIAMANITRA, ary TOMPO

Iza no anarany? Izy mihitsy no miteny hoe: “Izaho no Jehovah. Izany no anarako.” (Isaia 42:8) Miverina im-7000 eo ho eo ny hoe “Jehovah” ao amin’ny Baiboly. Nosoloana hoe “Tompo” na anaram-boninahitra hafa anefa izy io ao amin’ny Baiboly maro. Asain’Andriamanitra ‘miantso ny anarany’ anefa isika, satria tiany ho lasa namany.​—Salamo 105:1.

Ireo anaram-boninahitr’i Jehovah. Anisan’ny anaram-boninahiny ny hoe “Andriamanitra”, “Mahery Indrindra”, “Mpamorona”, “Ray”, “Tompo”, ary “Avo Indrindra.” Rehefa nivavaka ny olona sasany voaresaka ao amin’ny Baiboly, dia samy notononin’izy ireo na ilay hoe “Jehovah” na ny anaram-boninahiny.​—Daniela 9:4.

Hoatran’ny ahoana izy? Fanahy tsy hita maso izy. (Jaona 4:24) Milaza ny Baiboly fa mbola “tsy nisy nahita an’Andriamanitra.” (Jaona 1:18) Resahina ao koa fa manana fihetseham-po izy. Mety hampalahelo na ‘hampifaly’ azy ny zavatra ataontsika.​—Ohabolana 27:11; Salamo 78:40, 41.

Inona avy ny toetrany? Tsy manavakavaka Andriamanitra, fa tiany daholo ny olona na inona na inona fiaviany, ary na mahantra izy na manankarena. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) “Mamindra fo sy mangoraka” koa izy, “tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.” (Eksodosy 34:6, 7) Ireto toetrany efatra ireto anefa no tena mampiavaka azy:

Mahery. “Andriamanitra Mahery Indrindra” izy, izany hoe tsy misy fetra ny heriny. Afaka manatanteraka ny fampanantenany rehetra àry izy.​—Genesisy 17:1.

Hendry. Tsy misy hendry sy mahira-tsaina hoatran’i Jehovah. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe izy ilay “hany manam-pahendrena.”​—Romanina 16:27.

Tia rariny. Manao ny rariny foana Andriamanitra. “Tonga lafatra” ny zavatra ataony, ary “sanatria azy ny hanao ny tsy rariny.”​—Deoteronomia 32:4.

Be fitiavana. Resahin’ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy hoe maneho fitiavana fotsiny izy, fa izy mihitsy no “fitiavana.” Ny fitiavana foana no mahatonga azy hanao zavatra, ary be dia be ny soa raisintsika avy amin’izany.

Te hifandray amintsika izy. Be fitiavana ilay Raintsika any an-danitra. (Matio 6:9) Ho lasa namany isika raha maneho finoana azy. (Salamo 25:14) Manasa anao mihitsy aza izy mba hifandray akaiky aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Tiany koa raha ‘apetrakao aminy daholo izay rehetra mampanahy anao, satria miahy anao izy.’​—1 Petera 5:7; Jakoba 4:8.

Inona no tsy mampitovy an’Andriamanitra sy Kristy?

Tsy Andriamanitra i Jesosy. I Jesosy mantsy mbola noforonin’Andriamanitra. Miavaka anefa izy. Izy ihany no noforonin’Andriamanitra mivantana, ka izany no mahatonga azy hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra. (Jaona 20:31) Nampiasa an’i Jesosy i Jehovah tamin’izy namorona ny zavatra hafa rehetra. “Mpiasa tena mahay” teo akaikiny i Jesosy tamin’izay.​—Ohabolana 8:30, 31; Kolosianina 1:15, 16.

Tsy niteny mihitsy i Jesosy Kristy hoe Andriamanitra izy. Nanazava kosa izy hoe: “[Solontenan’Andriamanitra] aho, ary izy Ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:29) Rehefa niresaka tamin’ny mpianany iray izy, dia niantso an’i Jehovah hoe ‘Raiko sy Rainareo’, ary “Andriamanitro sady Andriamanitrareo.” (Jaona 20:17) Natsangan’i Jehovah izy rehefa maty, ary niverina tany an-danitra. Nipetraka teo an-kavanan’Andriamanitra izy ary nomeny fahefana be.​—Matio 28:18; Asan’ny Apostoly 2:32, 33.

Afaka manampy anao hifandray amin’Andriamanitra i Jesosy Kristy

Tonga teto an-tany izy mba hampianatra antsika momba ny Rainy. I Jehovah mihitsy no niteny momba an’i Jesosy hoe: “Io no Zanako malalako. Henoy izy.” (Marka 9:7) I Jesosy no tena mahafantatra tsara an’Andriamanitra. Hoy ny Lioka 10:22: “Tsy misy mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray.”

Tena nanahaka an’Andriamanitra izy. Nitovy be tamin’ny toetran’ny Rainy ny toetran’i Jesosy, ka afaka niteny izy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Hita tamin’ny teniny sy ny nataony fa be fitiavana hoatran’ny Rainy izy. Lasa te hifandray tamin’Andriamanitra ny olona noho izany. Hoy i Jesosy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Niteny koa izy hoe: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona hoatr’izany mihitsy no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:23) Eritrereto ange izany e! Olona te hahalala ny marina hoatr’anao mihitsy no tian’i Jehovah hifandray aminy.