Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

Ry Tanora, Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’​—LIOKA 14:28.

HIRA: 120, 64

Natao ho an’ny tanora mieritreritra ny hatao batisa ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka

1, 2. a) Inona no mahafaly ny vahoakan’Andriamanitra? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy atao mba hanampiana ny tanora hahazo ny dikan’ny batisa?

HOY ny anti-panahy iray tamin’i Christopher, ankizilahy 12 taona: “Vao teraka ianao dia efa fantatro, ary faly aho fa te hatao batisa ianao. Fa hono ho’aho: ‘Maninona ianao no te hatao batisa?’” Mitombina ny fanontanian’ilay anti-panahy. Faly be isika mahita hoe tanora an’arivony isan-taona no atao batisa eran-tany. (Mpito. 12:1) Tena te hatao batisa marina ve anefa ilay tanora, ary efa noeritreretiny tsara ve ilay fanapahan-keviny? Tian’ny ray aman-dreny kristianina sy ny anti-panahin’ny fiangonana ho fantatra izany.

2 Resahin’ny Baiboly fa fiaingana vaovao eo amin’ny fiainan’ny Kristianina iray ny fanokanan-tena sy batisa. Hotahin’i Jehovah izy manomboka eo, nefa koa hotoherin’i Satana. (Ohab. 10:22; 1 Pet. 5:8) Manokana fotoana àry ny ray aman-dreny kristianina mba hampianarana an-janany ny atao hoe mpianatr’i Kristy. Ahoana anefa raha tsy Kristianina ny ray aman-drenin’ilay tanora? Ny anti-panahy indray no hanampy azy hahazo ny tena dikan’ny hoe mpianatr’i Kristy. (Vakio ny Lioka 14:27-30.) Misy fiomanana tsy maintsy atao vao voaorina ny trano iray. Tokony ho vonona tsara koa izay te hahavita hanompo an’i Jehovah “hatramin’ny farany.” (Mat. 24:13) Inona àry no hanampy ny tanora ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah mandritra ny androm-piainany? Handinika an’izany isika izao.

3. a) Nahoana no zava-dehibe ny batisa, araka ny tenin’i Jesosy sy Petera? (Mat. 28:19, 20; 1 Pet. 3:21) b) Inona no fanontaniana hodinihintsika, ary nahoana?

3 Tanora mieritreritra ny hatao batisa ve ianao? Mendri-piderana ianao raha izany! Voninahitra lehibe mantsy ny hoe Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Takina amin’ny Kristianina koa ny batisa, ary tena ilaina mba hahavoavonjy. (Mat. 28:19, 20; 1 Pet. 3:21) Azo inoana fa te hiomana amin’io dingana lehibe io ianao, satria tena irinao ny hanaja ny voady hataonao amin’i Jehovah. Tsara àry ny hieritreretanao an’ireto fanontaniana telo ireto: 1) Efa matotra ve aho ka afaka manapa-kevitra ny hatao batisa? 2) Tena maniry hatao batisa ve aho? 3) Azoko ve ny dikan’ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah? Hodinihintsika tsirairay ireo.

EFA MATOTRA VE AHO?

4, 5. a) Nahoana no tsy ny olon-dehibe ihany no azo atao batisa? b) Inona no atao hoe olona matotra?

4 Tsy milaza ny Baiboly hoe ny olon-dehibe ihany no azo atao batisa, na ireo efa ampy taona ka manan-jo hanao zavatra sasany. Hoy ny Ohabolana 20:11: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.” Afaka mahalala ny atao hoe mahitsy sy ny hoe manokan-tena ho an’ny Mpamorona àry ny ankizy. Dingana tena lehibe ny batisa, ka mety tsara raha tanora efa matotra sy efa nanokan-tena ho an’i Jehovah no atao batisa.—Ohab. 20:7.

5 Inona anefa no atao hoe matotra? Izay efa olon-dehibe ve? Tsy voatery ho izany. Ny olona matotra dia izay “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy”, hoy ny Baiboly. (Heb. 5:14) Fantany ny atao hoe mahitsy eo imason’i Jehovah, ary tapa-kevitra ao am-pony ny hanao izany foana izy. Sady tsy mora voatarika hanao ratsy àry izy no tsy mila ampirisihina foana vao hanao izay mahitsy. Antenaina fa hanaraka foana ny fitsipik’Andriamanitra ny tanora iray vita batisa, na dia tsy eo imason’ny ray aman-dreniny na olon-dehibe hafa aza.—Ampitahao amin’ny Filipianina 2:12.

6, 7. a) Inona no zava-tsarotra natrehin’i Daniela tany Babylona? b) Nahoana izy no azo lazaina fa matotra?

6 Afaka ny ho matotra toy izany ve ny tanora? Diniho ny ohatr’i Daniela ao amin’ny Baiboly. Mbola ankizilahy angamba izy no nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny, sy natao sesitany tany Babylona. Niova tampoka àry ny fiainany. Niara-niaina tamin’ny olona tsy nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy izy tany Babylona. Nindrahindraina koa izy tany, satria anisan’ireo tanora nofidina hanompo teo anatrehan’ny mpanjaka. (Dan. 1:3-5, 13) Toa afaka ny hanana toerana ambony kokoa noho ny tany Israely àry i Daniela.

7 Nanao ahoana ny fihetsiny nanoloana an’izany rehetra izany? Voasariky ny rendrarendra tao Babylona ve izy? Niova ve izy na lasa tsy nanam-pinoana intsony? Tsy izany mihitsy! ‘Tapa-kevitra tao am-pony izy ny tsy handoto ny tenany’ tamin’izay rehetra nisy ifandraisany tamin’ny fivavahan-diso. (Dan. 1:8) Tanora matotra tokoa i Daniela!

Tsy hoe naman’Andriamanitra ny tanora matotra rehefa ao amin’ny Efitrano Fanjakana, nefa naman’ity tontolo ity rehefa any am-pianarana (Fehintsoratra 8)

8. Inona no azonao ianarana avy amin’i Daniela?

8 Inona no azonao ianarana avy amin’i Daniela? Mijoro amin’ny heviny ny tanora matotra fa tsy hoatran’ny tanalahy, izay miova loko arakaraka ny manodidina azy. Tsy hoe naman’Andriamanitra izy rehefa ao amin’ny Efitrano Fanjakana, nefa naman’ity tontolo ity rehefa any am-pianarana. Tsy manaiky hatopatopan’ny hevitr’ity tontolo ity koa izy, na inona na inona fitsapana mahazo azy.—Vakio ny Efesianina 4:14, 15.

9, 10. a) Nahoana no mahasoa ny tanora ny misaintsaina an’izay nataony tamin’izy tojo fitsapana? b) Inona no dikan’ny batisa?

9 Tsy lavorary isika rehetra. Mety hanao fahadisoana àry ny tanora, toy ny olon-dehibe ihany. (Mpito. 7:20) Raha tanora mieritreritra ny hatao batisa anefa ianao, dia tokony handini-tena hoe tena tapa-kevitra ao am-ponao ny hankatò foana ny fitsipik’i Jehovah ve ianao. Ahoana no ahalalanao an’izany? Eritrereto izao: ‘Zatra mankatò an’Andriamanitra ve aho?’ Saintsaino, ohatra, izay nataonao rehefa tojo fitsapana ianao tato ho ato. Nanana fahaiza-misaina ve ianao ka nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy? Ahoana raha misy olona eto amin’ity tontolo ity manindrahindra anao, toy ny natao tamin’i Daniela? ‘Mamantatra ny sitrapon’i Jehovah’ foana ve ianao, na dia rehefa mifanohitra amin’izay tianao aza izany?—Efes. 5:17.

10 Nahoana no tena ilaina ny mandinika an’ireo fanontaniana ireo? Satria hanampy anao ireo mba hahita fa tena zava-dehibe ny batisa. Efa hitantsika teo aloha ny dikan’ny batisa. Izy io no ahafantarana fa efa nivoady tamin’i Jehovah ianao hoe ho tia azy amin’ny fo manontolo sy hanompo azy mandrakizay. (Mar. 12:30) Tokony ho tapa-kevitra ny hanaja ny voadiny izay olona atao batisa.—Vakio ny Mpitoriteny 5:4, 5.

TENA MANIRY HATAO BATISA VE IANAO?

11, 12. a) Inona no tokony ho azonao antoka, raha mieritreritra ny hatao batisa ianao? b) Inona no hanampy anao hitovy hevitra amin’i Jehovah?

11 Milaza ny Baiboly fa “hanolo-tena an-tsitrapo” hanompo an’i Jehovah ny vahoakany, anisan’izany ny tanora. (Sal. 110:3) Raha mieritreritra ny hatao batisa àry ianao, dia tokony ho azonao antoka fa tena fanirianao ilay izy. Mety hilainao ny mandini-tena, indrindra raha zanaka Vavolombelona ianao.

12 Azo inoana fa efa nahita olona maro natao batisa ianao, anisan’izany angamba ny tanora namanao na ny iray tam-po aminao. Raha izany no izy, inona no tokony hotandremanao? Mitandrema mba tsy hihevitra hoe tokony hatao batisa koa ianao, satria efa ampy taona ho amin’izany na satria atao batisa ny hafa. Inona àry no hanampy anao hitovy hevitra amin’i Jehovah? Saintsaino matetika hoe nahoana no tena zava-dehibe ny batisa. Hahita antony maromaro ianao ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.

13. Ahoana no hahitanao raha vokatry ny fo ny fanirianao hatao batisa?

13 Ahoana no hahitanao raha vokatry ny fo ny fanirianao hatao batisa? Ny vavaka ataonao, ohatra, no ahitana fa tena maniry hanompo an’i Jehovah ianao. Hita hoe akaiky azy ianao, rehefa mivavaka matetika sy manao vavaka voafaritra tsara. (Sal. 25:4) Mampiasa ny Teniny i Jehovah mba hamaliana ny vavaka ataontsika. Mila miezaka mianatra Baiboly koa ianao, mba hahitana fa tena te ho akaiky an’i Jehovah sy te hanompo azy amin’ny fo. (Jos. 1:8) Eritrereto àry izao: ‘Voafaritra tsara ve ny vavaka ataoko? Mianatra Baiboly samirery tsy tapaka ve aho? Mazoto mandray anjara amin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianay ve aho, raha misy izany?’ Ny valin-teninao no ahitana raha tena maniry hatao batisa ianao.

INONA NO DIKAN’NY HOE MANOKAN-TENA?

14. Inona no tsy mampitovy ny hoe manokan-tena sy ny hoe atao batisa?

14 Afangaron’ny tanora sasany ny hoe manokan-tena sy ny hoe atao batisa. Misy, ohatra, milaza fa efa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy, saingy mbola tsy vonona hatao batisa. Mitombina ve anefa izany? Manokan-tena ny olona iray rehefa milaza amin’i Jehovah fa te hanompo azy mandrakizay. Atao batisa kosa izy mba hahafantaran’ny rehetra fa efa nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny vavaka izy. Tokony ho azonao tsara àry ny atao hoe manokan-tena, alohan’ny hanaovana batisa anao.

15. Inona no atao hoe manokan-tena?

15 Manokan-tena ianao rehefa mivoady amin’i Jehovah fa ny sitrapony no hataonao loha laharana eo amin’ny fiainanao. Tsy izay tianao intsony àry no ataonao rehefa avy nanokan-tena ho azy ianao. (Vakio ny Matio 16:24.) Zava-dehibe ny voady atao. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny voady atao amin’i Jehovah Andriamanitra. (Mat. 5:33) Ahoana àry no anaporofoanao fa mandà tena tokoa ianao ary efa an’i Jehovah?—Rom. 14:8.

16, 17. a) Hazavao amin’ny ohatra ny ataon’ny olona iray tsy tena mandà tena. b) Toy ny milaza hoe ahoana ny olona iray rehefa manokan-tena?

16 Aoka hatao hoe omen’ny namanao fiara ianao. Atolony anao ny taratasin’ilay fiara, sady hoy izy: “Omeko anao io fiara io.” Milaza koa anefa izy hoe: “Fa tsy omeko anao ny lakile, satria izaho ihany no hitondra azy fa tsy ianao.” Ho faly ve ianao hahazo an’ilay fiara? Tsy hoatran’ny manome tsy foifoy ve ilay namanao?

17 Milaza amin’i Jehovah koa ny olona manokan-tena ho azy hoe: “Omeko anao ny fiainako. Anao aho izao.” Inona no antenain’i Jehovah fa hataon’izany olona izany? Ahoana, ohatra, raha mampiaraka amin’ny olona tsy Vavolombelona izy nefa manafina an’izany? Ary ahoana raha manaiky hanao asa iray izy, nefa tsy ahafahany manompo amin’ny fo manontolo sy mivory tsy tapaka ilay izy? Izany ve tsy hoatran’ilay hoe manome fiara nefa tsy manome ny lakile? Toy ny milaza an’izao amin’i Jehovah mantsy ny olona manokan-tena ho azy: “Anao ny fiainako fa tsy an’ahy intsony. Raha sendra tsy mitovy amin’ny zavatra tiako àry ny zavatra tianao, dia izay tianao foana no hataoko.” Mitovitovy amin’izany ny toe-tsain’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Hoy izy: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.”—Jaona 6:38.

18, 19. a) Inona no nolazain’i Rose sy Christopher ka ahitana fa voninahitra ny atao batisa sady ahazoana fitahiana? b) Araka ny hevitrao, voninahitra tokoa ve ny hoe vita batisa?

18 Dingana tena lehibe àry ny batisa ka tsy tokony hohamaivanina mihitsy. Voninahitra lehibe koa ny hoe manokan-tena sy atao batisa. Tsy hisalasala ny hatao batisa ny tanora iray, raha tia an’i Jehovah sy mahazo ny dikan’ny hoe manokan-tena ho azy. Tsy hanenenany koa ny fanapahan-keviny. Hoy i Rose, tovovavy vita batisa: “Tiako i Jehovah, ary fantatro fa ny manompo azy no hahasambatra ahy indrindra. Ny fanapahan-kevitro hatao batisa no fanapahan-kevitra hitako hoe nety indrindra.”

19 Ary ahoana ny amin’i Christopher, ilay voaresaka tany aloha? Nety ve ilay fanapahan-keviny hatao batisa, na dia vao 12 taona aza izy? Tena faly izy fa nanokan-tena sy natao batisa. Lasa mpisava lalana maharitra izy rehefa 17 taona, voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tamin’izy 18 taona, ary manompo ao amin’ny Betela izao. Hoy izy: “Soa ihany aho fa nanapa-kevitra ny hatao batisa. Afa-po aho manompo an’i Jehovah sy miara-miasa amin’ny fandaminany.” Raha mieritreritra ny hatao batisa àry ianao, inona no fiomanana tokony hataonao? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.