Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Antsika ve ny Tari-dalan’ny Baiboly?

Mahasoa Antsika ve ny Tari-dalan’ny Baiboly?

MISY MITENY HOE TSIA. Nilaza ny dokotera iray hoe toy ny mampiasa boky momba ny simia tamin’ny 1924 ianao mba hampianarana ankizy amin’izao, raha ny Baiboly no hakanao tari-dalana. Mety hisy hiteny aza hoe tsy bokina ordinatera tranainy be mihitsy no hakanao hevitra, rehefa hampiasa ordinatera nivoaka farany ianao. Raha tsorina, dia misy mihevitra fa efa lany andro ny Baiboly.

Mbola mila an’io boky tranainy be io ve isika, nefa ny teknolojia aza efa mandroso be? Tsy hita isa izao ny tranonkala manome torohevitra ao amin’ny Internet. Maro be koa ny fandaharana amin’ny tele ahitana mpanoro hevitra, toy ny psikology sy ny mpanoratra boky. Manginy fotsiny ny boky misy torohevitra, izay ahazoan’ny mpamokatra azy ireny vola tsy toko tsy forohana.

Mbola ilaina àry ve ny Baiboly, nefa izy io aza efa ho 2 000 taona lasa no vita? Mitombina ve ilay hoe toy ny mampiasa boky momba ny simia na bokina ordinatera tranainy be isika rehefa mampiasa Baiboly? Tsia. Ny teknolojia sy ny siansa mantsy no miova haingana, fa ny zavatra tena ilain’ny olona kosa tsy miova. Mbola te ho afa-po amin’ny fiainana foana ny olona, te ho sambatra sy tsy hanana ahiahy, hifandray tsara amin’ny fianakaviany, ary hana-namana tsara.

Afaka manampy amin’izany ny Baiboly sady mahavita mihoatra lavitra, na dia efa tranainy be aza. Voalaza ao koa hoe avy amin’ny Mpamorona antsika izy io. Misy tari-dalana hanampy antsika amin’ny lafim-piainana rehetra sy hiatrika ny olana rehetra ao. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy mety lany andro koa ny toroheviny! Hoy mantsy ny Hebreo 4:12: ‘Velona ny tenin’Andriamanitra.’

Misy torohevitra tena tsara sy mahasoa antsika tokoa ve ao amin’ny Baiboly, sa boky efa lany andro izy io? Ho hitanao ny valin’izany rehefa mamaky an’ity gazety ity ianao. Laharana manokana ity Tilikambo Fiambenana ity sy ireo manaraka, satria foto-kevitra iray ihany no velabelariny.