Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena be pitsiny ny selan’ny leviora. Misy ADN ao anatin’ny vihin’izy io sady misy milina bitika kely, izay manavaka sy mitatitra ary manova ny molekiola ho lasa sakafo. Tena ilaina izany mba hahavelona an’ilay sela.

Porofo eo Amin’ny Zavamananaina

Porofo eo Amin’ny Zavamananaina

Mihalehibe sy mihetsika ary mihamaro ny zavamananaina manodidina antsika. Lasa mahafinaritra ny planetantsika noho izy ireny. Mahalala kokoa momba ny zavamananaina izao ny olona raha oharina amin’ny taloha. Handinika ny zavamananaina isika mba hahitana hoe ahoana no nampisy azy ireny.

Hoatran’ny hoe noforonina ny zavamananaina. Misy zavatra bitika atao hoe sela ao amin’ny zavamananaina. Toy ny orinasa kely ny sela tsirairay ka manao asa be pitsiny an’arivony, amin’izay velona foana ny zavamananaina sady mihamaro. Ahitana an’izany na dia ao anatin’ny zavamananaina faran’izay tsotra aza. Tokan-tsela, ohatra, ny leviora. Hoatran’ny hoe tsotra be ny selan’ny leviora raha oharina amin’ny selan’ny olombelona. Tena be pitsiny anefa izy io. Ny vihin’izy io mantsy misy ADN, izay toy ny kaody mamaritra ny zavatra tokony hataon’ilay sela. Ahitana toy ny milina kely koa ao anatin’ilay sela. Manavaka sy mitatitra ary manova ny molekiola ho sakafo izy ireny. Tena ilaina izany mba hahavelona azy. Rehefa tsy misy sakafo ny selan’ny leviora, dia tsy miasa be intsony izy fa hoatran’ny hoe matory. Azo tehirizina ela be ao an-dakozia àry ny leviora. Miasa indray anefa izy io rehefa anaovana mofo.

Nandinika ny selan’ny leviora ny mpahay siansa nandritra ny am-polony taona, mba hahazoany tsara kokoa ny fomba fiasan’ny selan’ny olombelona. Mbola betsaka anefa ny zavatra tsy hain’izy ireo. Nitaraina toy izao i Ross King, profesora ao amin’ny oniversite iray any Soeda: “Vao ny fomba fiasan’ny selan’ny leviora fotsiny no tianay ho azo, nefa efa tsy ampy ny mpikaroka momba ny zavamananaina. Be dia be mantsy ny fikarohana ilaina hatao amin’izany.”

Hitantsika teo hoe tena be pitsiny na dia ny selan’ny zavamananaina faran’izay tsotra hoatran’ny selan’ny leviora aza. Mety ho nisy namorona ve izany sa tongatonga ho azy?

Tsy afaka miforona ho azy ny ADN. Misy molekiola atao hoe niokleotida ao anatin’ny ADN. Samy manana niokleotida 3 200 tapitrisa ny sela tsirairay ao amin’ny olombelona. Voalamina tsara izy ireo, dia lasa afaka mamokatra anzima sy proteinina ny sela.

Afaka mitambatambatra ho azy ve ny niokleotida mba hanome ADN? Mety hoe indray mandeha ao anatin’ny an-tapitrisany maro (1 arahina zero 150) no itrangan’izany. Tsy hisy mihitsy izany!

Mbola tsy nisy mihitsy mpahay siansa nahavita nanamboatra ­zavamananaina avy amin’ny zavatra tsy mananaina.

Miavaka ny olombelona. Manana ny toetra mampiavaka azy ny olombelona, ka afaka mankafy fiainana mihoatra noho ny zavamananaina hafa. Tsy misy afaka mamoron-javatra, miara-miaina tsara, ary maneho fihetseham-po hoatran’ny olombelona. Afaka mandre fofona sy tsiron-kanina ary feo isan-karazany isika, sady afaka mahita loko samihafa sy mankafy an’izay zavatra hitantsika. Isika irery koa no mahavita mandamina an’izay hataontsika amin’ny hoavy sy mikaroka hoe nahoana isika no misy.

Ahoana ny hevitrao? Nivoatra tsikelikely tao amintsika ve ireo toetra ireo, satria hoe raha tsy manana azy ireo isika tsy ho afaka ho velona sy hiteraka? Sa ve izy ireny manaporofo hoe fanomezana avy amin’ny Mpamorona iray be fitiavana ny fiainana?