Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Tokantranonao?

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Tokantranonao?

Mety hahatonga ny mpivady hifandray kokoa ny teknolojia, raha mety ny fomba ampiasan-dry zareo azy io. Afaka mampiasa fitaovana elektronika, ohatra, ry zareo mba hifampiresahana mandritra ny andro.

Tsy mahay mandanjalanja anefa ny mpivady sasany rehefa mampiasa fitaovana elektronika, ka...

  • lany amin’izany ny fotoana sarobidy tokony hiarahan’izy roa.

  • entiny mody ny asany na dia tsy voatery hanao an’izany aza izy.

  • tsy mifampatoky sy mivadika amin’ny vadiny mihitsy.

TSARA HO FANTATRA

FOTOANA IARAHANA

Hoy i Michael: “Hoatran’ny tsy miaraka amiko akory ny vadiko indraindray na dia eo akaikiko eo aza, satria ilaozany mijery telefaonina. Hozy hoe: ‘Izao ange aho vao mba afaka mijery ny hafatra ato e!’” Nilaza koa i Jonathan fa rehefa mitranga izany, “dia tsy mifandray am-po ny mpivady na dia miaraka eo aza.”

ERITRERETO IZAO: Impiry ianao no afaka manararaotra miresaka amin’ny vadinao, nefa variana amin’ny antso na SMS na zavatra hafa ao amin’ny telefaoninao?—EFESIANINA 5:33.

ASA

Tsy maintsy vonona hamaly antso na hafatra andro aman’alina ny olona sasany, noho ny asa ataony. Misy indray tsy hoatr’izany ny asany, fa izy mihitsy no tsy mahavita manajanona an’ilay izy na dia any an-trano aza. Hoy i Lee: “Na mandritra ny fotoana natokako hiarahana amin’ny vadiko aza, dia sarotra amiko ny tsy hijery telefaonina isaky ny mahazo antso na SMS avy any am-piasana.” Hoy koa ny vehivavy antsoina hoe Joy: “Ao an-trano aho no miasa, dia satriko hanohy an’ilay izy foana. Mila miezaka be aho mba hahay handanjalanja.”

ERITRERETO IZAO: Mihaino tsara ny vadinao ve ianao rehefa miresaka aminao izy?—LIOKA 8:18.

TSY MIVADIKA AMIN’NY VADY

Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa betsaka ny mpivady niahiahy ny vadiny ka nifamaly taminy, rehefa nahita ny zavatra napetrany tao amin’ny tambazotran-tserasera. Niaiky ny folo isan-jaton’ireo nadinadinina fa efa nametraka zavatra tao izy nefa nafeniny tamin’ny vadiny.

Tsy mahagaga raha oharina amin’ny “toerana feno vanja milevina” ny tambazotran-tserasera. Mety hampidi-doza ny tokantrano mantsy izy ireny, ary lazaina hoe manamora ny fanitsakitsaham-bady mihitsy. Milaza koa ny mpisolovava sasany mikarakara fisaraham-panambadiana hoe ny fampiasana azy ireny no tena mahatonga ny mpivady maro hisaraka.

ERITRERETO IZAO: Misy olona iresahanao ve ao amin’ny tambazotran-tserasera, nefa afeninao amin’ny vadinao ny resakareo?—OHABOLANA 4:23.

INONA NO AZONAO ATAO?

TADIDIO IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA

Azo oharina amin’ny sakafo ny fotoana iarahana amin’ny vady. Inona no mitranga raha zara raha misakafo ianao? Mazava ho azy fa harary ianao! Tsy hifandray tsara koa ianareo mivady raha zara raha manokana fotoana hiarahana.—Efesianina 5:28, 29.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—FILIPIANINA 1:10.

Mariho izay tianao hampiharina, na soraty izay hevitra hitanao hoe mety hanampy anareo.

  • Miara-misakafo indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny

  • Manokana fotoana tsy hampiasana fitaovana elektronika

  • Mampiaraka kely amin’ny hariva na manokana fotoana hafa hiarahana manao zavatra miavaka

  • Mamono fitaovana elektronika rehefa amin’ny alina, ary tsy atao ao amin’ny efitra fatoriana ilay izy

  • Mifampiresaka mandritra ny fahefatr’adiny isan’andro, ary samy mamono ny fitaovana elektronika amin’io fotoana io

  • Manokana fotoana tsy hampiasana Internet