Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Paradisa

Paradisa

Inona no atao hoe Paradisa?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Misy milaza fa angano fotsiny izany Paradisa izany. Ny hafa indray mino hoe zaridaina iray nofinofisin’ny olona izy io, ary afaka miaina mandrakizay ao ny olona tsara ka manao zavatra mahafinaritra sy mahasoa be dia be.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Manondro ny zaridainan’i Edena, ilay fonenan’ny olombelona voalohany, ny teny hoe “paradisa.” (Genesisy 2:7-15) Resahin’ny Baiboly fa toerana tena nisy izy io, ary tsy narary na maty ilay mpivady voalohany nipetraka tao. (Genesisy 1:27, 28) Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa izy ireo, ka tsy maintsy noroahina avy tao. Hita avy amin’ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly fa haverina indray ny Paradisa, ary ho afaka hiaina ao ny olombelona.

NAHOANA IZANY NO TSARA HO FANTATRA?

Azo inoana fa hamaly soa an’ireo mpanompony tsy mivadika Andriamanitra raha tena be fitiavana, ka hanome azy ireo fiainana tsara ao amin’ny toerana iray toy ny Paradisa. Azo inoana koa fa horesahiny hoe inona no tokony hatao mba hampifaliana azy. Resahin’ny Baiboly fa afaka mampifaly an’Andriamanitra ianao raha mianatra momba azy sy mankatò ny didiny.—Jaona 17:3; 1 Jaona 5:3.

“Nanamboatra zaridaina tao Edena ... i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.”—Genesisy 2:8.

 Aiza ny Paradisa?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Misy mino hoe any an-danitra ny Paradisa. Ny hafa kosa mino hoe hisy Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Teto an-tany ilay Paradisa voalohany. Nataon’Andriamanitra ho fonenan’ny olona ny tany. Milaza ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra haharitra mandrakizay izy io. (Salamo 104:5) Hoy koa ny Baiboly: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”—Salamo 115:16.

Tsy mahagaga àry raha mampanantena ny Baiboly fa hisy Paradisa eto an-tany. Hataon’Andriamanitra miaina mandrakizay ao ny olona. Hiray saina sy hiadana izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fanaintainana sy fijaliana. Ho afaka hankafy tanteraka an’ireo zavaboary mahatalanjona eto an-tany koa izy ireo.—Isaia 65:21-23.

‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’—Apokalypsy 21:3, 4.

Iza no hiaina ao amin’ny Paradisa?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Maro ny fivavahana mampianatra fa ny olona tsara ihany no hiaina ao amin’ny Paradisa. Samy manana ny heviny momba ny atao hoe “tsara” anefa ny olona. Misy milaza fa rehefa mandray anjara amin’ireo fombafomba ataon’ny fivavahana ianao dia efa mety.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ampianarin’ny Baiboly fa hiaina ao amin’ny Paradisa “ny olo-marina.” Iza anefa no olo-marina, araka ny hevitr’Andriamanitra? Tsy anisan’izany ireo olona manaraka ny fombafomban’ny fivavahana nefa tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah kokoa noho ny mankatò ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona.” (1 Samoela 15:22) Raha tsorina, dia ireo mankatò ny didin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly no “olo-marina” hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa.

INONA NO AZONAO ATAO?

Tsy ampy ny manaraka fombafomba ara-pivavahana, raha tena mankatò ny didin’Andriamanitra ny olona iray. Ny fitondran-tenanao isan’andro no mety hampifaly an’Andriamanitra na tsia. Ianaro tsara ny Baiboly, dia ho fantatrao izay tokony hatao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tsy sarotra ampifaliana izy. Resahin’ny Baiboly fa ‘tsy mavesatra ny didiny.’ (1 Jaona 5:3) Mankatoava an’Andriamanitra dia hamaly soa anao tokoa izy ary havelany hiditra ao amin’ny Paradisa ianao.

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.