Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Iza no Tena Namako?

Iza no Tena Namako?

“Niana-javatra betsaka tamin’i Koly aho. Lasa mifankahalala amin’ny olon-kafa aho rehefa miaraka aminy, manandrana zava-baovao, sady falifaly foana. Tena nanova ny fiainako izy.”—Fara. *

Hoatran’ny sarotra inoana ve hoe hisy namana hoatr’izany? Aza kivy raha tsy mana-namana toy izany ianao. Betsaka ny olona azo atao namana. Hanampy anao hahita namana tsara ity lahatsoratra ity.

NILAZA i Sonia, 21 taona, fa be dia be no mifanerasera aminy, nefa tsy misy tena namany. Ny mpampiasa tranonkala fifaneraserana ao amin’ny Internet angamba no tena mahatsapa toy izany. Hoy i Domoina, 22 taona: “Mety ho lava be ny ‘lisitry ny namanao’ sady hoatran’ny hoe be mpitia erỳ ianao, nefa tsy hanampy anao akory ny ankamaroany.” *

Iza no tianao, olona an-jatony ao amin’ny lisitry ny namanao sa olona vitsivitsy tena namanao? Samy tsara ireo nefa ny tena namana no afaka manampy anao amin’ny sarotra sy mampirisika anao hahavita zavatra tsara. (1 Korintianina 16:17, 18) Jereo tsara ny voalaza manaraka mba hahitanao hoe iza amin’ny olona fantatrao no tena namanao.

AZO ITOKISANA NY TENA NAMANA

“Notantarain’ilay namako tamiko foana ny tsiambaratelony, ka nieritreritra aho hoe azoko itokisana koa izy. Nolazaiko taminy àry indray mandeha hoe nisy ankizilahy tiako. Loza anefa fa tonga dia notantarainy tamin’ny olona izany.”—Mialy.

“Azoko resahina amin’i Andy daholo izay tiako horesahina. Fantatro fa tsy hotantarainy amin’iza n’iza izany.”—Fanilo.

Iza amin’izy dahy ireo no manana tena namana? Iza amin’ny namanao no sahinao iresahana tsiambaratelo? * Milaza ny Baiboly fa “tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”—Ohabolana 17:17.

Soraty eto ny anaran’ny namanao roa hitanao hoe azo itokisana.

  1. ․․․․․

  2. ․․․․․

MAHAFOY TENA NY TENA NAMANA

“Tsapan’ny mpinamana hoe tsy maintsy misy fotoana mahakivy ny iray ary ny iray mba matanjaka. Fantatry ny tena namanao rehefa kivy ianao ka manampy izy. Mazava ho azy fa matoky izy hoe hanampy azy koa ianao rehefa mila anao izy.”—Kanto.

“Nanana namana vaovao aho tamin’i Neny maty. Mbola tsy tena mpinamana be izahay, nefa nanao fotoana hiara-mamonjy mariazy. Nifanindry tamin’ilay mariazy anefa ny fandevenana an’i Neny. Tsy nampoiziko hoe tonga tany amin’ilay fandevenana izy fa tsy nankany amin’ilay mariazy. Tamin’izay no nahitako hoe tena namana izy.”—Landy.

Iza amin’ny namanao no mahafoy tena ho anao? ‘Mitady mandrakariva an’izay hahasoa ny hafa’ ny tena namana, fa tsy mitady “izay hahasoa ny tenany.”—1 Korintianina 10:24.

Soraty eto ny anaran’izay namanao roa mahafoy tena.

  1. ․․․․․

  2. ․․․․․

MANAMPY ANAO HAHAVITA ZAVATRA TSARA NY TENA NAMANA

“Tadiavin’ny olona sasany hanaraka ny ataony aho na hanaiky ny heviny, na dia tsy maintsy handa an’izay heveriko fa mety sy tsy hanaraka ny feon’ny fieritreretako aza. Tsy tena namana ny fahitako ny olona hoatr’izany.”—Navalona.

“Ny zokiko vavy no namako akaiky indrindra. Mandrisika ahy hanao an’izay fara heriko izy ary manampy ahy hahay hifandray kokoa amin’olona. Lazainy amiko ny tena marina na dia tsy te hihaino an’izany aza aho.”—Angoty.

“Tamin’izaho nanana olana, dia tsy nampirisika ahy hanadino an’ilay izy fotsiny ny namako akaiky fa nanoro hevitra ahy. Ny hafa niandry ahy hamaha an’ilay olana fotsiny na nanao an’izay hanadinoako an’izany. Tsy nanaiky ry zareo hoe nisy tsy nety tao.”—Miora.

“Ilay namako ihany no tena mahita ny mety ho vitako sy mampirisika ahy hanatratra ny tanjoko. Tiako be koa izy satria sahy miteny ahy rehefa misy tsy mety.”—Eliza.

Manampy anao hanao izay farany vitanao ve ny namanao, sa ianao tsy maintsy mampandefitra ny fitsipika arahinao mba ho tiany? Hoy ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”

Soraty eto ny anaran’ny namanao roa nanampy anao hahavita zavatra tsara.

  1. ․․․․․

  2. ․․․․․

Jereo ny anarana rehetra nosoratanao. Tena namana ny olona iray raha niverina intelo ny anarany. Aza kivy raha tsy mahita olona manana an’ireo toetra voalaza teo ireo ianao. Misy olona mety ho lasa tena namanao eo amin’ny manodidina anao. Mila fotoana fotsiny angamba ianao. * Miezaha mafy mba ho namana tsara, mandra-pahatongan’izany. Hoy i Elena, 20 taona: “Miezaka ny hanampy ny namako foana aho. Ampiako izy ireo rehefa mila fanampiana, henoiko rehefa te hiresaka, ary ampahereziko rehefa mitomany.”

Mety hahalala olona maro ianao, ary tsara kokoa izany noho ny hoe antokon’olona vitsivitsy ihany no namanao. (2 Korintianina 6:13) Tsy ho tianao koa ve anefa ny hanana namana vitsivitsy hanampy anao “amin’ny fotoam-pahoriana”? (Ohabolana 17:17) Hoy i Jeanne, 20 taona: “Tsara ny mahalala olona maro. Toy ny hoe manana arimoara feno akanjo tsara tarehy ianao amin’izany, nefa tsy misy antonona anao izy rehetra. Ireo akanjo vitsivitsy mety aminao foana àry no anaovanao. Toy izany koa no ataonao amin’ny namanao akaiky.”

 

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Manazava momba ny tranonkala fifaneraserana ny “Manontany ny Tanora” ao amin’ny Mifohaza! Jolay sy Aogositra 2011.

^ feh. 10 Ilaina indraindray ny miteny ny zavatra fantatrao, ohatra hoe raha nanao fahotana lehibe ny namanao, na mitady hamono tena, na manao zavatra hampidi-doza azy. Jereo ny Mifohaza! Desambra 2008, pejy 19-21 sy Mey 2008, pejy 26-29.

^ feh. 30 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Hiova Namana ve Aho?”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2009.