Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Tena Mahay?

Iza no Tena Mahay?

Miana-javatra betsaka avy amin’ny zavamaniry sy ny biby ny mpahay siansa sy ny injeniera. (Joba 12:7, 8) Mandinika tsara ny zavaboary isan-karazany izy ireo, ary maka tahaka azy ireny mba hamoronan-javatra, na hanatsarana fitaovana sasany. Andeha isika hijery ohatra vitsivitsy. Rehefa mamaky izany ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Iza no tena mendrika hoderaina amin’ireny rehetra ireny?’

Ny vombon’ny trozona

Inona no nianaran’ny mpanao fiaramanidina avy tamin’ny trozona misy trafo? Be dia be! Mirefy 12 metatra izy io, ary 30 taonina eo ho eo rehefa lehibe. Mitovy lanja amin’ny kamiao feno entana izany. Somary henjana ny vatan’ilay trozona, ary manana vombo lehibe miendrika elatra izy. Mitsoriaka be anefa izy ao anaty rano.

Ity no tena nahavariana ny mpikaroka: Tena mora amin’io trozona io ny mihodina nefa henjana be ny vatany. Ny bikan’ny vombony no manampy azy. Tsy malama toy ny elatry ny fiaramanidina ny rirany aloha amin’izy io, fa misy zavatra mivohitra mitandahatra.

Manampy an’ilay trozona hahatohitra rano sy hiakatra haingana ireo zavatra mivohitra ireo. Hazavain’ny gazety Tantaran’ny Zavaboary (anglisy), fa mikoriana sy mizarazara tsara eny anelanelan’izy ireo ny rano. Afaka mitsoriaka àry ilay trozona, na dia rehefa miakatra mahitsy be aza.10

Iza no manan-jo hoderaina rehefa dinihina ny zavaboary?

Raha ampitovina amin’ny vombon’io trozona io ny elatry ny fiaramanidina, dia azo inoana fa ho vitsy kokoa ny fitaovana ilaina hapetraka eo aminy, mba hanovaovana ny fandehan’ny rivotra. Ho azo antoka kokoa sy ho mora kojakojaina kokoa ny elatra toy izany. Mino ilay manam-pahaizana atao hoe John Long fa tsy ho ela, dia ‘mety hahitana zavatra mivohitra toy ny eo amin’ny vombon’ny trozona misy trafo ny elatry ny fiaramanidina lehibe rehetra.’11

Ny elatry ny varevaka

Efa nalaina tahaka avy amin’ny elatry ny vorona ny elatry ny fiaramanidina. Vao nahita hevi-baovao indray anefa ny injeniera. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy): ‘Nahavita fiaramanidina kely mahay mijanona eny amin’ny habakabaka sady mahay midina sy miakatra haingana toy ny varevaka ny mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Floride. Tsy mila mpanamory izy io fa baikoina avy lavitra.’12

Ampiakarin’ny varevaka fotsiny ny elany ary ataony somary miforitra ny eo afovoany, dia mahavita fihetsika mahavariana izy eny am-panidinana. Natao mora miforitra toy izany koa ny elatr’ilay fiaramanidina, hoy ihany ilay gazety. ‘Vy maromaro baikoin’ny maotera kely iray no manetsika azy ireo.’ Tena ary fomba ny elatr’ilay fiaramanidina, ka mahavita mijanona eny anelanelan’ireny trano avo be ireny izy io, ary mahay midina sy miakatra haingana. Tsy andrin’ny tafika sasany izay hahavitana fiaramanidina tena mora entina toy io, mba hitadiavana fitaovam-piadiana simika na misy otrikaretina, any an-tanàn-dehibe.

Ny tongotry ny varevaka

Tsy ngolin’ny hatsiaka ny varevaka, na dia mijoro eo ambony ranomandry aza. Nahoana? Misy fomba fampitana hafanana hafakely ao amin’ny vatany. Ahitana izany koa ao amin’ny biby maro any amin’ny tany mangatsiaka.

Mafana foana ny vatany. Tsy miakatra any amin’ny vatany ny hatsiaka

Ahoana izany fomba fampitana hafanana izany? Asa ianao raha efa nahita fantson-drano roa mitsangana sy miara-mifatotra, ka ny iray misy rano mafana ary ny iray misy rano mangatsiaka. Raha mitovy ny fikorianan’ilay rano, dia tsy tena hafana ilay rano mangatsiaka. Fa raha mikoriana midina kosa ny iray ary miakatra ny iray, dia tena hafana ilay rano mangatsiaka.

Misy lalan-dra mitondra ra midina sy lalan-dra mitondra ra miakatra ao amin’ny tongotry ny varevaka. Ra mafana no midina, ary mampita hafanana amin’ilay ra mangatsiaka miakatra. Lasa mafana àry ilay ra mangatsiaka, ka mafana foana ny vatan’ilay vorona, ary tsy tafakatra any ambony mihitsy ny hatsiaka. Nilaza i Arthur Fraas, injeniera momba ny milina sy ny fiaramanidina, fa “anisan’ny fomba mahomby indrindra hamerenana ny hafanana amin’ny laoniny” izy io.13 Nalain’ny injeniera tahaka àry io fomba fampitana hafanana io.

Iza no mendrika hoderaina?

Misosa haingana sy tsy mitsingilahila ny trondrovata. Nalaina tahaka avy aminy io fiara io

Manao milina manan-tongotra valo afaka mamindra toy ny maingoka izao ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso (NASA). Efa nahavita traktera manan-tongotra enina toy ny bibikely koa ny injeniera any Failandy. Mahay mandingana zavatra avo be izy io. Ny mpikaroka hafa kosa namorona lamba feno zavatra bitika afaka misokatra sy mikatona toy ny voan’ny hazo kesika. Mety amin’ny vatana foana izy io na mafana ny andro na mangatsiaka. Misy koa fiara nalaina tahaka avy amin’ny trondrovata, izay misosa haingana rehefa milomano. Efa mandinika ny antony mahatonga ny akorandriaka sasany tsy ho mora vaky koa ny mpikaroka, mba hanamboarana akanjo tsy laitram-bala, izay mafy sy maivana kokoa.

Mbola tsy tena mahavita maka tahaka ny onjam-peo avoakan’ny feso ny olona

Nahita hevitra tsara an’arivony ny mpikaroka rehefa nandinika ny zavaboary. Ataon’izy ireo lisitra ao amin’ny ordinatera izany. Afaka mijery ao ny mpahay siansa, rehefa ‘tsy mahatafavoaka ny zavatra foroniny ka mitady vahaolana’, hoy ny gazety Toe-karena (anglisy). Antsoina hoe zon’ny zavaboary ny hevitra ao amin’io lisitra io, satria avy amin’ny zavaboary no nahazoana azy. Toy ny hoe olona na orinasa namorona hevitra na fitaovana vaovao mantsy ny zavaboary, ka manan-jo ara-dalàna ho tompony. Nilaza ilay gazety fa tena mety ny niantsoan’ny mpikaroka an’ireo hevitra mahavariana ireo hoe “zon’ny zavaboary.”14

Tsy mora vaky ny akorandriaka sasany. Efa mandinika ny anton’izany ny mpikaroka

Maro ny mpikaroka milaza fa tsy nisy namorona ny zavaboary. Zavatra tsy mananaina, hono, izy ireny fahiny fa niova tsikelikely nandritra ny an-tapitrisany taona. Io ilay atao hoe evolisiona. Hafa anefa ny hevitry ny mpikaroka sasany. Hoy i Michael Behe, tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 7 Febroary 2005: “Raha mahita vorona miresaresa fandeha ianao, ary tena toy ny gana ilay izy sady migakagaka, dia tsy maintsy hiaiky ianao fa gana io, rehefa tsy mahita porofo hanoherana izany! Tsy maintsy miaiky koa isika hoe nisy namorona [ny zavaboary] satria efa maro ny porofo.” Hoy ihany i Behe: “Raha efa miharihary fa nisy namorona ny zavatra iray, dia tokony hekena izany.”15

Afaka mamikitra amin-javatra malama be ny katsatsaka, noho ireo volo bitika kely ao amin’ny faladiany

Marina fa mendri-piderana ny injeniera mamorona elatra fiaramanidina tsara sy azo antoka kokoa, na ny olona mamorona lamba mampahazo aina kokoa na fiara tsara kokoa. Azo lazaina hoe mpangalatra anefa izay maka tahaka ny zavatra noforonin’olon-kafa, nefa tsy manome voninahitra an’ilay olona, na tsy manaiky fa misy izy.

Maka tahaka ny zavaboary ny mpikaroka tena mahay, rehefa tsy mahatafavoaka ny zavatra foroniny. Milaza anefa ny sasany aminy hoe tsy misy mpamorona tena mahay nanao ny zavaboary, fa ny evolisiona no nampisy azy. Manaiky izany ve ianao? Raha ny zavatra nalain-tahaka avy tamin’ny zavaboary aza nilana manam-pahaizana vao vita, mainka fa ny zavaboary? Iza no tokony homem-boninahitra kokoa: Ny mpamorona faran’izay mahay, sa ny olona maka tahaka ny zava-bitany?

Iza àry no tena mahay?

Rehefa nandinika an’ireo porofo ireo ny olona maro, dia niray hevitra tamin’ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’—Romanina 1:19, 20.