Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy Anao Hiatrika ny Toetrandro Ratsy ve ny Baiboly?

Afaka Manampy Anao Hiatrika ny Toetrandro Ratsy ve ny Baiboly?

 Olona an-tapitrisany amin’izao no mijaly satria nisy rivo-doza na rambondanitra na andro ratsy hafa tany amin’ny faritra misy an-dry zareo. Anisan’izany ve ianao? Lasa misy olana na zavatra mampidi-doza be dia be mantsy rehefa ratsy be hoatr’izany ny andro. Mety hiakatra be, ohatra, ny ranomasina na hoe tondraky ny rano ny tanàna. Mety hifofofofo be koa ny rivotra dia handravarava. Raha avy be loatra ny orana, dia mety hisy tany hihotsaka. Mety hisy tselatra koa rehefa misy rivo-doza, dia lasa mirehitra ny ala. Rehefa tsy misy orana mihitsy koa anefa, na mafana be loatra ny andro, na mangatsiaka be loatra amin’ny ririnina, dia mety ho ratsy be ny vokany.

 Lasa misy andro ratsy matetika kokoa any amin’ny faritra maro eran-tany, sady mihamahery vaika foana izy ireny. Milaza ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Fikambanana Vokovoko Mena sy Tsinam-bolana Mena fa “mihamitombo ny isan’ny olona mijaly vokatry ny toetrandro. Mihabetsaka ny tondra-drano sy ny rivo-doza ary ny hain-tany, dia ireny matetika no tena manakorontana ny fiainan’ny olona. An-tapitrisany isan-taona no voatery miala amin’ny tranony.”

 Rehefa misy loza hoatr’izany, dia mety haratra ny olona na harary. Mety ho kivy be koa anefa ry zareo na hiady saina be satria nafoiny ny fananany na ny tranony, na mety ho nisy fianakaviany maty mihitsy.

 Raha mijaly àry ianao satria nisy toetrandro ratsy tany aminareo, dia aza kivy fa afaka manampy anao ny Baiboly. Mampahery izy io sady manome fanantenana, ary manoro an’izay azo atao. Be dia be ny olona nijaly vokatry ny toetrandro, nefa nanampy azy ireo ny Baiboly. (Romanina 15:4) Voavaly ao koa ireo fanontaniana mampiady saina olona be dia be, ohatra hoe: Tian’Andriamanitra hosazina ve aho dia izany no mahatonga azy hamela an’izao hitranga?

Tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny toetrandro ratsy

 Milaza ny Baiboly fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly. Manome toky antsika izy io hoe ‘tsy azo tsapaina amin’ny zava-dratsy Andriamanitra, sady tsy mitsapa na iza na iza amin’ny zava-dratsy koa.’ (Jakoba 1:13) Midika izany fa tsy izy no mahatonga ny toetrandro amin’izao ho lasa ratsy be.

 Marina fa tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe nisy fotoana Andriamanitra nampiasa ny herin’ny natiora mba hanasaziana ny mpanao ratsy. Tsy hoatran’ny toetrandro mandravarava amin’izao anefa ny zava-nitranga tamin’izany. Mamely tampoka indraindray ny andro ratsy, sady mijaly amin’ilay izy daholo na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy. Andriamanitra kosa anefa niaro foana an’izay tsy manan-tsiny, raha ny tantara ao amin’ny Baiboly no jerena. Nampitandrina foana koa izy talohan’ny nitrangan’ilay loza, sady nohazavainy ny antony mahatonga azy hanao an’ilay izy. Nohazavain’Andriamanitra tamin-dry Noa, ohatra, hoe fa maninona izy no hanao Safodrano maneran-tany. Nampitandrina koa izy talohan’ny nanaovany an’ilay izy, sady niaro an’i Noa sy ny fianakaviany.​—Genesisy 6:13; 2 Petera 2:5.

 Tianao ho fantatra bebe kokoa ve hoe nahoana isika no afaka milaza fa tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny rivo-doza na ny tondra-drano na ny loza hafa mitovitovy amin’izany? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?

Malahelo Andriamanitra rehefa mahita ny fijalian’ny olona vokatry ny toetrandro ratsy

 Milaza ny Baiboly fa be fitiavana sy mangoraka i Jehovah a Andriamanitra. Jereo ange ireto andinin-teny mampahery ireto e!

  •   Isaia 63:9: “Nalahelo be [Andriamanitra] tamin’ny fotoana rehetra nijalian’izy ireo.”

     Inona no dikan’izany? Tena malahelo i Jehovah rehefa mahita olona mijaly.

  •   1 Petera 5:7: “Miahy anareo izy.”

     Inona no dikan’izany? Mikarakara anao i Jehovah, ary izay mahasoa anao no tadiaviny.

 Be fitiavana sy mangoraka i Jehovah, ka lasa te hanao zavatra mba hanampiana ny olona. Mba hampaherezana azy ireo, dia atorony ao amin’ny Baiboly izay azo atao. Mampanantena koa izy hoe tsy hampidi-doza intsony ny toetrandro amin’ny hoavy.​—2 Korintianina 1:3, 4.

Tsy ho olana be intsony ny toetrandro amin’ny hoavy

 Milaza ny Baiboly hoe hanome antsika “hoavy tsara sy fanantenana” i Jehovah. (Jeremia 29:11) Tiany hankafy fiainana ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona, fa tsy hoe hatahotra sao dia hampidi-doza ny toetrandro.​—Genesisy 1:28; 2:15; Isaia 32:18.

 Ny Fanjakany no hampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana an’izany zavatra ampanantenainy izany. (Matio 6:10) Any an-danitra io Fanjakana io, ary i Jesosy no Mpanjakany. Hain’i Jesosy tsara ny mifehy ny toetrandro mba tsy hampidi-doza, sady manana hery hanaovana an’izany izy. Nasehony, tamin’izy tetỳ an-tany, hoe vitany izany. (Marka 4:37-41) Ho hita hoe hendry sy mahira-tsaina izy rehefa hitondra ny tany. (Isaia 11:2) Hampianariny hikarakara tsara ny tontolo iainana mantsy ny olombelona, ary hampahafantariny azy ireo hoe ahoana no hatao mba tsy ho simba izy io. Tsy hampijaly ny olona intsony ny toetrandro rehefa i Jesosy no hitondra.

 Mety hieritreritra izao ianao hoe: ‘Rahoviana àry i Jesosy no hampiasa ny heriny mba hifehezana ny toetrandro?’ Mamaly an’izany ilay lahatsoratra hoe “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

Inona no azo atao rehefa ratsy be ny toetrandro?

 Misy torohevitra afaka manampy anao ao amin’ny Baiboly. Resahiny ao izay azo atao dieny mbola tsy misy loza, mandritra an’ilay loza, ary aorian’izay.

  •   Dieny mbola tsy misy loza: Miomàna mba ho vonona avy hatrany raha misy zavatra mitranga.

     Inona no lazain’ny Baiboly? “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina, fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Ohabolana 22:3.

     Inona no dikan’izany? Eritrereto mialoha hoe inona ny loza mety hitranga, amin’izay ianao tonga dia vonona hanao zavatra mba hiarovana ny fianakavianao.

     Fitantarana: “Efa vonona handositra izahay, rehefa nirehitra ilay ala. Efa nanana kitapo misy an’izay rehetra ilaina izahay, efa nanana fanafody, dia efa nanana akanjo koa. Ny olona tamin’izany nikoropadropaka tetsy sy teroa. Tsy hitan-dry zareo izay hatao. Soa ihany izahay fa efa nanana an’izay rehetra nilainay.”​—Tamara, Kalifornia, Etazonia.

  •   Mandritra an’ilay loza: Izay tena zava-dehibe ifantohana.

     Inona no lazain’ny Baiboly? “Na manan-javatra be dia be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”​—Lioka 12:15.

     Inona no dikan’izany? Ny aina no zava-dehibe kokoa noho ny fananana.

     Fitantarana: “Nisy an’ilay Rambondanitra Lawin b iny tatỳ aminay, dia rava ny tranonay. Tsy haiko tsara intsony tamin’izay hoe inona no tokony hataoko, fa nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny foko manontolo aho. Tonga saina aho avy eo hoe soa ihany fa tsy maty izahay fa mba ny fanananay fotsiny no nafoinay.”​—Leslie, Philippines.

  •   Aorian’ilay loza: Ny androany ihany aloha eritreretina.

     Inona no lazain’ny Baiboly? “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin’ny andro tsirairay.”​—Matio 6:34.

     Inona no dikan’izany? Aza miady saina be loatra momba an’izay olana mety hitranga amin’ny hoavy.

     Fitantarana: “Dibo-drano ny tranoko taorian’ilay Rivo-doza Irma, dia be dia be mihitsy ny fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisiko. Mbola tsy tratran’izany mihitsy aho hatramin’izay, dia tena niady saina be. Niezaka nanaraka ny torohevitry ny Baiboly anefa aho, hoe ny androany ihany aloha eritreretina. Hitako tamin’izay hoe nanampy i Jehovah dia vitako ny niatrika olana, na dia izay noeritreretiko hoe tena mafy aza.”​—Sally, Florida, Etazonia.

 Misy torohevitra hafa azo jerena koa ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Azo Atao mba ho Voaro Amin’ny Loza?

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

b Antsoina koa hoe Rivo-doza Haima.