Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Mihasimba ny Tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mihasimba ny Tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 “Tsy ho ela isika dia hiatrika olana ngezabe, vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Tanàn-dehibe difotry ny rano. Hafanam-be mbola tsy nisy hoatr’izany. Rivo-doza mahery vaika. Fitomboan’ny tsy fahampian-drano. Karazan-javamaniry sy biby an-tapitrisany lany tamingana. Tsy manitatra isika raha milaza an’ireo fa izay no tena zava-misy. Izany no lazain’ny mpahay siansa fa hitranga raha tsy manova ny fomba itantanantsika ny angovo isika.”​—Kabary nataon’i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, momba an’ilay tatitra nataon’ny GIEC (fikambanana iraisam-pirenena mikaroka momba ny fiovan’ny toetrandro), tamin’ny 4 Aprily 2022.

 “Manaitra ny sain’ny olona ny mpahay siansa fa ato anatin’ny taona vitsivitsy dia efa ho ny valan-javaboary rehetra [eto Etazonia], izany hoe izy 423, no ho simba noho ny fiovan’ny toetrandro. Misy vokany be amin’izy ireo mantsy ny fiakaran’ny mari-pana. Mitovitovy amin’ireo loza hitantsika ao amin’ny Baiboly izany: Afo mandravarava sy tondra-drano, gilasy mitsonika any amin’ny tendron-tany, ranomasina miakatra, ary hafanam-be.”​—“Tondra-drano Mandravarava any Yellowstone, Famantarana hoe vao Manomboka ny Loza”, The New York Times, 15 Jona 2022.

 Ho voavaha ihany ve ny olana momba ny tontolo iainana? Iza no hanao an’izany? Jereo izay lazain’ny Baiboly.

Efa voalaza mialoha hoe ho simba ny tontolo iainana

 Milaza ny Baiboly hoe ‘handringana an’izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18) Misy zavatra telo ianarantsika avy amin’io andininy io:

  1.  1. Ho simba be ny tany noho ny ataon’ny olombelona.

  2.  2. Mbola hifarana ny fanimbana ny tany.

  3.  3. Andriamanitra fa tsy olona no hamaha ny olana mifandray amin’ny tontolo iainana.

Mbola ho tsara be ny tany amin’ny hoavy

 Milaza ny Baiboly fa ‘haharitra mandrakizay’ ny tany. (Mpitoriteny 1:4) Hisy olona hipetraka foana eto.

  •   “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​—Salamo 37:29.

 Hiverina amin’ny laoniny tanteraka ny tontolo iainana.

  •   “Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.”​—Isaia 35:1.