Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Comstock Images/Stockbyte via Getty Images

Mpanao Politika Tsy Manao ny Marina: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Mpanao Politika Tsy Manao ny Marina: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Te hanana mpitondra azo itokisana ny vahoaka satria efa leo ny mpanao politika tsy manao ny marina. Araka ny fanadihadiana eran-tany, navoaka tamin’ity taona 2023 ity, dia ny mpitondra fanjakana no tsy atokisan’ny olona indrindra. a

 Miresaka fitondrana iray ny Baiboly, ary azo itokisana sy manao ny marina foana ny Mpitondra azy io. Ny Fanjakan’Andriamanitra io fitondrana io, dia i Jesosy Kristy no Mpitondra azy io.​—Isaia 9:7.

 Nasehon’i Jesosy tamin’ny zavatra nataony hoe tena miahy ny olona izy. (Matio 9:35, 36) Mpanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra izy, dia tsy ho ela izy dia hampanjaka ny rariny ary hanome fiadanana ho an’izay rehetra manaiky ny fitondrany.​—Salamo 72:12-14.

a 2023 Edelman Trust Barometer Global Report.