Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anton Petrus/Moment via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Hisy Ady Lehibe Hipoaka ve Tsy ho Ela? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Hisy Ady Lehibe Hipoaka ve Tsy ho Ela? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Betsaka ny olona mieritreritra hoe nilamindamina ny fiainana eran-tany tato anatin’ny 30 taona, ary nihatsara mihitsy aza. Hoatran’ny tsy mitombina anefa izany raha jerena ny zavatra nitranga tato ho ato.

  •   “Be dia be ny olona matahotra hoe hitatra any an-tany hafa ilay ady any Gaza, satria efa manomboka miady eo amin’ny sisin-tanin’i Liban koa i Israely sy ny Hezbollah.”​—Reuters, 6 Janoary 2024.

  •   “Manafika any amin’ny toerana samihafa izao ny miaramila fehezin’i Iran, dia nanomboka nanamboatra fitaovam-piadiana niokleary koa izy. Ankoatra izay, dia lasa manohana an’i Iran i Rosia sy Chine. Dia mampanahy ny firenena tandrefana izany rehetra izany.”​—The New York Times, 7 Janoary 2024.

  •   “Mbola manafika an’i Ukraine foana i Rosia, dia be dia be ny zavatra rava.”​—UN News, 11 Janoary 2024.

  •   “Lasa matanjaka be ny tafik’i Chine sady mandroso be ny toe-karenany. Vao mainka manindrahindra tanindrazana ny olona any Taïwan. Mihenjana koa ny tady eo amin’i Chine sy Etazonia. Dia atahorana hampisy ady izany rehetra rehetra izany.”​—The Japan Times, 9 Janoary 2024.

 Inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireny korontana mitranga eran-tany ireny? Mety hiteraka ady eran-tany ve ireny?

Miresaka momba zava-mitranga amin’izao ny Baiboly

 Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza sy iza avy no hiady amin’izao, fa resahiny anefa hoe hihabetsaka ny ady, dia “hanala ny fandriampahalemana eto an-tany” ireny ady ireny.​—Apokalypsy 6:4.

 Milaza ny bokin’i Daniela hoe “amin’ny fotoanan’ny farany”, dia hisy firenena matanjaka “hifanosika” na hiady hoe iza no tena matanjaka. Hampiasa tafika mahery be ry zareo sady handany “harena” be dia be, izany hoe vola be.​—Daniela 11:40, 42, 43.

Ady iray mbola hitranga

 Milaza ny Baiboly fa hiharatsy aloha ny zava-mitranga eran-tany, izay vao hihatsara. Nilaza i Jesosy fa hisy “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.” (Matio 24:21) Hiafara amin’ny ady antsoina hoe Aramagedona io “fahoriana lehibe” io. Antsoina koa hoe “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny Aramagedona.​—Apokalypsy 16:14, 16.

 Hamonjy ny olombelona anefa ny Aramagedona fa tsy hoe handringana. Amin’io ady io Andriamanitra no hanala ny fitondran’olombelona, satria ireny no mahatonga ady be dia be. Vakio ireto lahatsoratra manaraka ireto raha tianao ho fantatra hoe nahoana no hitondra fiadanana mandrakizay ho antsika ny Aramagedona: