Hijery ny anatiny

Hianatra Teny Bengali Hoe?

Hianatra Teny Bengali Hoe?

Vao haingana izay dia nianatra niteny sy namaky ny fiteny bengali ny Vavolombelon’i Jehovah 23 tany Queens, any New York. Fiteny ampiasaina any Bangladesy sy any amin’ny faritra sasany any Inde ny bengali. Vetivety ilay fampianarana ary Vavolombelon’i Jehovah ihany no nampianatra.

Maromaro ny kilasy fianarana teny vahiny any Etazonia sy any an-tany hafa, ankoatra ny kilasy fianarana ny fiteny bengali. Inona no tanjona amin’izany? Mba hianarana mitory momba ny Baiboly amin’ny olona miteny vahiny.

Hoy i Magaly, ao amin’ilay kilasy fianarana teny bengali: “Mihamitombo haingana ny olona miteny bengali any aminay. Betsaka no mametraka fanontaniana, ohatra hoe nahoana isika no mijaly be hoatr’izao. Rehefa hazavaiko hoe mampanantena Andriamanitra fa ho tsara be ny fiainana amin’ny hoavy, dia mametraka fanontaniana hafa ry zareo. Tsy afaka mitohy anefa ny resakay satria tsy mifankahazo ny fiteninay.”

Mba hahaizan’ny mpianatra haingana araka izay azo atao, dia mampiasa fomba fampianatra mahafinaritra ny mpampianatra. Anisan’izany, ohatra, ny hoe ampiarahina amin’ny fihetsika ilay teny mba ho tadidy tsara.

Mampihatra an’izay ianarany avy hatrany ny mpianatra, isaky ny avy mianatra. Mitsidika an’ireo miteny bengali any amin’ny misy azy izy ireo, ary manasa azy hiresaka momba ny Baiboly. Hoy i Magaly: “Gaga ny olona hoe nahoana aho no mianatra ny fiteniny. Lasa zava-dehibe amin-dry zareo ilay zavatra torina aminy rehefa fantany hoe mandany fotoana hianarana ny fiteniny aho.”

Tsy hoe mianatra teny vahiny fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah fa ampiofanina mba hampianatra teny vahiny koa. Tany amin’ny tany iandraiketan’ny biraon’ny sampan’i Etazonia fotsiny, dia efa nisy seminera 38 nampiofanana mpampianatra 2244, tamin’ny Janoary 2006 ka hatramin’ny Janoary 2012. Nahavita nampianatra fiteny 37 tamin’ny kilasy 1500 mahery koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany iandraiketan’ny biraon’ny sampan’i Etazonia, tamin’ny 1 Septambra 2012.