Hijery ny anatiny

Mahatratra Tampon’isa ny Vavolombelon’i Jehovah

Mahatratra Tampon’isa ny Vavolombelon’i Jehovah

Nandaha-teny tao amin’ny kianja Plaza Monumental any Valence, any Venezoelà, i Lyman Swingle, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1987. Nisy 63 580 ny mpanatrika ary maro tamin’izy ireo no nandeha bisy nandritra ny alina mba hihaino an’ilay lahateny. Hoy ny Rahalahy Swingle: “Tsy sampana kely intsony izao ny sampanareo, fa antonony. Raha izao fandehany izao, dia kely sisa ianareo dia ho anisan’ny tany manana mpitory 100 000!”

Mbola 38 000 mahery ny mpitory tany Venezoelà tamin’ny 1987, izany hoe ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah mazoto miresaka momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Firenena valo ihany no mbola nanana mpitory 100 000 mahery tamin’izany.

Nitombo be mihitsy ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. An’arivony vitsivitsy fotsiny no nitory momba ny Fanjakan’i Jehovah, taorian’ny Ady Lehibe I. Niova anefa izany. Hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1943: “Notahin’i Jehovah isika rehefa jerena ny fitambaran’ny tatitra tamin’ny 1942, na dia mbola tsy feno aza ilay izy satria sarotra ny fifandraisana. ... Hita mantsy hoe 106 000 mahery izao maneran-tany ny mpitory manao an’ilay asa [fitoriana ny vaovao tsara].” Maro no nandray tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly na dia nandritra ny Ady Lehibe II aza. Tany Etazonia fotsiny dia efa 100 000 mahery ny isan’ny mpitory, tamin’ny 1950.

Nahatratra 100 000 koa ny isan’ny mpitory tany Nizeria, tamin’ny 1974.

Samy nihoatra ny 100 000 ny isan’ny mpitory tany Brezila sy Alemaina, herintaona taorian’izay. Kontinanta efatra àry no nahitana fitomboana ka hita hoe mahaliana ny olona eran-tany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Nitombo foana ny isan’ny olona nanaiky ny vaovao tsara, maneran-tany. Mifanaraka tsara amin’ity efa nolazain’ny Baiboly mialoha ity izany: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.”​—Isaia 60:22.

Asehon’ny tatitra tamin’ny taom-panompoana 2014 fa firenena 24 izao no samy ahitana Vavolombelona 100 000 mahery. Tafiditra amin’ireo i Venezoelà, izay nahatratra an’io tampon’isa io tamin’ny 2007. Miisa 115 416 izao ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ary 8 201 545 ny mpitory.

Firenena ahitana mpitory 100 000 mahery

Kontinanta

Firenena

Mpitory

Afrika

Angola

108 607

Ghana

125 443

Nizeria

362 462

Repoblika Demokratikan’i Congo

216 024

Zambia

178 481

Azia

Japon

215 703

Philippines

196 249

Repoblikan’i Korea

100 641

Eoropa

Alemaina

166 262

Espaina

112 493

Frantsa

127 961

Grande-Bretagne

138 515

Italia

251 650

Polonina

123 177

Rosia

171 268

Ukraine

150 906

Amerika Avaratra

Etazonia

1 243 387

Kanada

116 312

Meksika

829 523

Amerika Atsimo

Arzantina

150 171

Brezila

794 766

Kolombia

166 049

Peroa

123 251

Venezoelà

140 226