Hijery ny anatiny

Tonga Nijery ny Armada Ireo Tia Fahafahana

Tonga Nijery ny Armada Ireo Tia Fahafahana

Olona an-tapitrisany eran-tany no tonga nijery ny Armada tamin’ny 6 ka hatramin’ny 16 Jona 2013. Fampirantiana sambolay izy io, ary anisan’ny hetsika lehibe indrindra sy kanto indrindra ahitana sambolay. Tao amin’ny seranan-tsambon’i Rouen, any amin’ny faritra avaratr’i Frantsa, izy io no natao.

Efa natokana hanaovana an’ilay fampirantiana ny morony mirefy fito kilaometatra amin’ny Reniranon’i Seine. Teo no niantsona ireo sambo tsara indrindra sy avo indrindra, rehefa avy tany an-dranomasina ka namakivaky 120 kilaometatra manaraka an’io renirano miolakolaka any Normandia io. Sambo malaza 45 teo ho eo no naseho tany, ary afaka nitsidika azy ireny maimaim-poana ny olona nandritra ny folo andro mahery.

Tonga tany daholo na ny lehibe na ny kely. Inona no nanintona an’ireny olona maro ireny? Nilaza ilay mpikarakara sy mpamorona an’ilay hetsika fa ny Armada no ahafahana “mahita akaiky kokoa an’ireo sambo be mahalasalasa vinany.” Dia an-dranomasina sy fahafahana tokoa mantsy no tonga ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona, na tanora na antitra, raha vao mieritreritra sambo lehibe izy ireo.

Nandre momba an’ilay fahafahana azo avy amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ireo mpizaha tany an’arivony tonga tany. (Jaona 8:31, 32) Nahita ny fampirantiana boky sy gazety nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy ireo, rehefa nitsangantsangana tao amin’ilay tanàna tranainy nefa kanto sy nandeha tamin’ireo lalana tery sy feno olona tao amin’izy io. Rehefa nisy mpizaha tany na tantsambo nanatona teo amin’ireo fampirantiana, dia nasaina haka tamin’ireo boky ara-baiboly naseho teo izy ireo, ary maimaim-poana izany. Nanintona olona maro ilay Tilikambo Fiambenana hoe “Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?” Nasaina hanatrika lahateny ara-baiboly tamin’ny teny frantsay, na anglisy, na espaniola izy ireny.

Tena nahafaly an’ireo mponina tao an-tanàna ilay fampirantiana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga ny lehilahy iray tamin’ny voalohany rehefa nahita azy ireo. Hoy anefa izy: “Faly aho mahita anareo etỳ an-dalana. Marina fa tsy ekeko ny zavatra inoanareo, nefa mendri-koderaina ny olona mijoro amin’ny finoany toy izao.” Hoy koa ny lehilahy zokiolona anankiroa, rehefa nahita tanora Vavolombelona nandray anjara tamin’ilay fampirantiana: “Mahafinaritra ny mahita anareo mirehareha hoe Vavolombelon’i Jehovah!”