Hijery ny anatiny

Inona no Nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra An’ilay Famonoana Tambabe Nataon’ny Nazia?

Inona no Nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra An’ilay Famonoana Tambabe Nataon’ny Nazia?

 Vavolombelon’i Jehovah 1 500 teo ho eo no maty, nandritra an’ilay Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia tamin’ny Ady Lehibe II. Nisy 35 000 teo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina sy tany amin’ireo firenena nofehezin’ny Nazia, tamin’izany. Mbola tsy fantatra hoe inona marina no nahafaty ny sasany tamin’izy ireo. Mitohy ny fikarohana hatramin’izao, ka mety hisy tsipiriany sy tarehimarika vaovao havoaka any aoriana any.

 Inona no nahafaty azy ireo?

  • Fitaovana fanapahan-doha nampiasain’ny Nazia

      Novonoina ho faty: Efa ho 400 ny Vavolombelona novonoina ho faty tany Alemaina sy tany amin’ireo firenena nofehezin’ny Nazia. Notsaraina ny ankamaroany, dia nohelohina ho faty, ary notapahin-doha avy eo. Nisy koa notifirina na nahantona nefa mbola tsy notsaraina akory.

  •   Nijaly be loatra tamin’ny nigadra: Vavolombelona 1 000 mahery no maty tany amin’ny toby fitanana sy fonjan’ny Nazia. Inona no nahafaty azy ireo? Nisy, ohatra, nampanaovina asa mafy loatra, na nampijalijalina, na matin’ny hanoanana, na matin’ny hatsiaka, na narary, na zara raha voatsabo. Ny hafa indray nampijalijalina loatra tamin’izy nigadra, dia maty raha vao afaka kelikely tany am-ponja, rehefa nifarana ny Ady Lehibe II.

  •   Antony hafa: Novonoina tamin’ny gazy ny Vavolombelona sasany. Nisy koa nanaovana fanandramana ara-pitsaboana, dia izay no nahafaty azy. Ny hafa kosa notsindronina ranon-javatra mahafaty.

 Nahoana izy ireo no nenjehina?

 Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah satria nankatò foana an’izay lazain’ny Baiboly. Tsy nanaiky, ohatra, izy ireo rehefa nasain’ny Nazia nanao zavatra raran’ny Baiboly. Naleon’izy ireo nankatò an’Andriamanitra fa tsy olona, satria Andriamanitra no mpitondra azy ireo. (Asan’ny Apostoly 5:29) Ireto, ohatra, ny safidy nataon-dry zareo:

  1.   Tsy nidikiditra tamin’ny politika. Hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra amin’izao andro izao, dia tsy nety nidikiditra tamin’ny resaka politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra nofehezin’ny Nazia. (Jaona 18:36) Noho izany, dia...

    •   tsy nanao miaramila na nanohana ny ady izy ireo.​—Isaia 2:4; Matio 26:52.

    •   tsy nifidy izy ireo rehefa nisy fifidianana, ary tsy niditra tamin’ny fikambanana nazia.​—Jaona 17:16.

    •   tsy nanangan-tanana izy ireo rehefa nahita lakroa nazia, ary tsy nilaza an’ilay fiarahabana hoe “Heil Hitler!”​—Matio 23:10; 1 Korintianina 10:14.

  2.   Tsy niala tamin’ny fivavahany mihitsy. Norarana ny fivavahan’izy ireo tamin’izany, nefa mbola nanao an’ireto ihany izy ireo:

 Tsy mahagaga raha niteny ny Profesora Robert Gerwarth hoe ny Vavolombelon’i Jehovah “irery no antokon’olona nenjehin’ny fitondran’i Hitler noho ny fivavahany.” a Tsy niova hevitra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena nampiaiky an’izay niara-nigadra taminy tany amin’ny toby fitanana. Izao, ohatra, no tenin’ny voafonja iray avy any Aotrisy: “Tsy mety mandeha miady ry zareo. Aleony vonoina ho faty toy izay hamono olona, na iza io na iza.”

 Taiza izy ireo no maty?

  •   Tany amin’ny toby fitanana: Maty tany amin’ny toby fitanana ny ankamaroan’ny Vavolombelona nosamborin’ny Nazia. Nisy, ohatra, maty tany amin’ireto toby ireto: Auschwitz, Buchenwald, Dachau, Flossenbürg, Mauthausen, Neuengamme, Niederhagen, Ravensbrück, ary Sachsenhausen. Voamarina fa Vavolombelon’i Jehovah 200 teo ho eo no maty tao amin’ilay toby fitanana tany Sachsenhausen.

  •   Tany am-ponja: Nampijalijalina ny Vavolombelona sasany tany am-ponja, ary tsy najanona raha tsy efa maty. Nisy indray naratra mafy satria nampijalijalina nandritra ny famotopotorana, dia izay no nahafaty azy.

  •   Tany amin’ny toerana famonoana ho faty: Tany amin’ny fonjan’i Berlin-Plötzensee sy Brandenburg ary Halle/Saale no tena betsaka Vavolombelona novonoina ho faty. Voamarina fa nisy toerana 70 teo ho eo koa ankoatra an’ireo, namonoana Vavolombelon’i Jehovah.

 Vavolombelona sasany novonoina tamin’izany

  •  Anarana: Helene Gotthold

     Toerana namonoana azy: Plötzensee (Berlin)

     Renim-pianakaviana nanan-janaka roa i Helene. Efa voasambotra imbetsaka izy. Afa-jaza izy tamin’ny 1937 satria nampijalijalina be nandritra ny famotopotorana azy. Notapahin-doha tany amin’ny fonjan’i Plötzensee, any Berlin, izy tamin’ny 8 Desambra 1944.

  •  Anarana: Gerhard Liebold

     Toerana namonoana azy: Brandenburg

     Roapolo taona i Gerhard tamin’izy notapahin-doha tao amin’io fonja io, tamin’ny 6 Mey 1943. Efa notapahin-doha tao koa ny dadany, roa taona talohan’izay. Nanoratra taratasy i Gerhard talohan’ny nahafatesany, dia nanao veloma ny fianakaviany sy ny fofombadiny. Izao no nolazainy tao: “Soa ihany aho fa nomen’ny Tompo hery, fa raha tsy izany aho tsy ho nahavita niatrika an’izao mihitsy!”

  •  Anarana: Rudolf Auschner

     Toerana namonoana azy: Halle/Saale

     Vao 17 taona i Rudolf tamin’izy notapahin-doha, tamin’ny 22 Septambra 1944. Izao no nolazainy tao amin’ilay taratasy nosoratany hanaovana veloma ny mamany: “Efa be dia be ny rahalahy niharan’izao, dia mba izaho indray izao no hiharan’ilay izy.”

a Hitler’s Hangman: The Life of Heydrich, pejy 105.