Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Chagan sy Yekaterina vadiny

1 MARTSA 2024
ROSIA

Voaheloka Higadra Valo Taona ny Rahalahy Aleksandr Chagan

Voaheloka Higadra Valo Taona ny Rahalahy Aleksandr Chagan

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy any Tolyatti, any amin’ny Faritr’i Samara, higadra valo taona ny Rahalahy Aleksandr Chagan, tamin’ny 29 Febroary 2024. Tonga izy dia naiditra am-ponja rehefa vita ny fitsarana azy.

Ilay voampanga

Hivavaka amin’i Jehovah foana isika mba “ho miramirana” amin’i Aleksandr sy ireo rahalahy rehetra mafana fo miaro ny anarany izy.​—Salamo 119:135, 139.

Zava-nitranga

  1. 4 Martsa 2022

    Nosavana ny tranony

  2. 14 Septambra 2022

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava

  3. 21 Septambra 2022

    Nosavana fanindroany ny tranony

  4. 22 Septambra 2022

    Nalaina am-bavany, ary voatazona tany indray alina

  5. 23 Septambra 2022

    Nafahana ary tsy navela nanao dia lavitra

  6. 23 Aogositra 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy

  7. 29 Febroary 2024

    Voaheloka higadra valo taona

a Talohan’izy nogadraina no nakana an’ireo fanazavana ireo.