Hijery ny anatiny

21 MARTSA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Folo Taona Izay no Nanavaozana ny JW.ORG: Fizarana 3

Mahasoa amin’ny asa fitoriana

Folo Taona Izay no Nanavaozana ny JW.ORG: Fizarana 3

Noresahina tao amin’ny fizarana roa voalohany tamin’ity lahatsoratra ity hoe lasa ampiasaina hamoahana boky sy gazety amin’ny endriny elektronika ary video ny jw.org, sady hampahafantarana vaovao marina tsara momba ny rahalahy sy anabavintsika maneran-tany. Hohazavaina ato kosa hoe mahasoa amin’ny asa fitoriana koa io tranonkala io.

Fiteny: Nisy tamin’ny fiteny 139 ny jw.org rehefa avy nohavaozina tamin’ny Aogositra 2012. Lasa nisy tamin’ny fiteny 500 mahery anefa izy io tamin’ny Aogositra 2014, sady mahavariana fa tenin’ny tanana ny 22 tamin’ireo fiteny ireo. Tamin’io taona io isika no nanao ezaka manokana nizarana an’ilay taratasy mivalona momba ny jw.org. Lasa misy amin’ny fiteny 1 070 izao ny jw.org, dia tenin’ny tanana ny 100 mahery amin’ireo.

Lahatsoratra tonga amin’ny fotoana ilana azy: Lasa nasiana lohateny lehibe anankiray sy sary manaitra ny maso teo amin’ny pejy fandraisana, nanomboka tamin’ny Oktobra 2019. Misy lahatsoratra telo hafa mahaliana foana koa miaraka aminy. Manaitra ny olona kokoa amin’izay ny zavatra resahintsika ao amin’ilay tranonkala. Nahita fomba haingana kokoa hamoahana an’ilay lohateny lehibe sy ilay sary mihitsy aza ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana sy ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, tatỳ aoriana. Tsara mantsy raha hoe tonga amin’ny fotoana ilana azy foana izay zavatra mivoaka eo amin’ilay pejy fandraisana sady mifandray amin’izay vaovao farany malaza eran-tany. Nisy fotoana, ohatra, efa nisy lahatsoratra momba an’ireto teo: Ny COVID-19 sy ilay ady ifanaovan’i Rosia sy Ukraine ary ny fijalian’ny mpitsoa-ponenana vokatr’izany.

Fanazavana momba antsika: Misy fanazavana marina momba ny fandaminantsika sy ny asa ataontsika ao amin’ny jw.org, ho an’izay olona liana amin’izany. Atoro ao koa izay tokony hataony raha mbola misy zavatra hafa mahaliana azy ka hoe te hifampiresaka amintsika Vavolombelon’i Jehovah izy. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny vehivavy iray marenina, tamin’izy mbola tanora kely. Nifindra trano anefa izy avy eo, dia tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah intsony. Mbola te hianatra Baiboly izy fa mbola tsy nisy mpitory tonga mihitsy tany aminy. Tadidiny ny tranonkala jw.org, dia tao izy no nangataka hotsidihina. Andro vitsivitsy fotsiny taorian’izay, dia nisy mpisava lalana manokana roa nandondòna tao aminy. Niverina nianatra Baiboly indray izy sady lasa nivory. Efa vita batisa izy izao, dia ampianariny momba an’i Jehovah koa ny zanany telo. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah aho hoe nisy ny jw.org satria raha tsy nameno an’ilay hoe hangataka hotsidihina aho izany, dia nihanahana teny foana mandra-pahitako Vavolombelona indray.”

Mihabetsaka foana ny olona itoriantsika, dia mampahery ny mahalala hoe miezaka foana manome fitaovana mety tsara hanampiana ny olona liana ny fandaminan’i Jehovah.​—Isaia 60:22.

  • Video misy maka isam-bolana

  • Olona mijery jw.org isan’andro ao anatin’ny volana iray

  • Martsa 2013: Nivoaka ny marika famantarana ny jw.org

  • Jolay 2014: Lasa nisy tamin’ny tenin’ny tanana ny jw.org

  • Oktobra 2019: Nohavaozina ny pejy fandraisana mba hahaliana kokoa ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah

  • Janoary 2021: Nivoaka ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!