Hijery ny anatiny

28 DESAMBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Folo Taona Izay no Nanavaozana ny JW.ORG: Fizarana 1

Video sy boky ary gazety ara-baiboly amin’ny endrika elektronika

Folo Taona Izay no Nanavaozana ny JW.ORG: Fizarana 1

Feno 25 taona tamin’ity taona 2022 ity ny nananan’ny Vavolombelon’i Jehovah tranonkala, araka ny efa voalaza tany aloha. Nohavaozina anefa ny jw.org, dia nanomboka tamin’ny 27 Aogositra 2012 no azo nampiasaina ilay endriny vaovao. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra misy fizarana telo ity hoe nahoana no nahasoa olona an-tapitrisany ny jw.org rehefa nohavaozina.

Video: Lasa nisy video mifampitohitohy hoe Ataovy Namanao i Jehovah, nanomboka tamin’ny 2012. Natao tamin’ny DVD ilay izy, dia navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ny roa voalohany tamin’izay. Lasa tsy dia be mpampiasa intsony anefa ny DVD tatỳ aoriana sady lasa lafo ny mamoaka azy. Nanamora zavatra àry ilay hoe nohavaozina ny tranonkalantsika tamin’ny 2012. Tsotra kokoa mantsy ny namoaka video tao amin’izy io. Lasa tao amin’ny jw.org no namoahana ny fizarana manaraka tamin’ilay video hoe Ataovy Namanao i Jehovah, nanomboka tamin’ny Janoary 2013. Mivavaha Foana no lohateniny. Efa fizarana 40 mahery no navoaka tao amin’ny jw.org taorian’izay.

Navoaka tamin’ny endrika elektronika koa ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?, tamin’ny 2013. Tena ilaina be io video io rehefa mitory sy mampianatra, dia lasa natao anisan’ny Fitaovana Fampianarana. Nisy video hafa navoaka koa tao amin’ny jw.org nanomboka teo, sady mbola ampiasaina be amin’ny asa fitoriana izy ireny hatramin’izao. Efa 15 tapitrisa teo ho eo, ohatra, ny video nisy nijery na nisy naka tao amin’ny jw.org, tamin’ny Aogositra 2014, nandritra an’ilay ezaka manokana nizarana an’ilay taratasy mivalona natao hampahafantarana an’io tranonkala io.

Izao no tenin’ny rahalahy iray anisan’ny nanampy namorona ny jw.org: “Lasa natanjaka ny finoako rehefa nahita hoe hay nataon’i Jehovah izay hahavonona antsika hiatrika ny hoavy. Niezaka be izahay tamin’ireny nitady fomba vaovao hamoahana video, fa tsy tonga tao an-tsainay mihitsy hoe hay ilaina be atỳ aoriana ilay zavatra noforoninay.” Lasa nisy, ohatra, ny Tele JW nanomboka tamin’ny Oktobra 2014, dia video 37 tapitrisa mahery no nisy naka tao amin’ny tranonkalantsika. Vao mainka nitombo ny video nisy nijery na nisy naka tao amin’ny jw.org, rehefa nirongatra ny valanaretina COVID-19 tamin’ny 2020. Video 260 tapitrisa mahery isam-bolana hatreto no alain’ny olona ao amin’ny jw.org.

Boky sy gazety amin’ny endriny elektronika: Mihabetsaka tato ho ato ny olona lasa tsy dia tia mamaky zavatra vita pirinty, fa aleony ao amin’ny Internet ilay izy no vakina na amin’ny telefaonina na amin’ny tablette. Lasa afaka mamaky ny gazetintsika ao amin’ny Internet ny olona taorian’ny nanavaozana ny jw.org tamin’ny 2012. Matetika aza no efa voavakiny ao sahady ilay gazety, na dia mbola tsy mahazo an’ilay vita pirinty akory aza izy. Lasa mora koa tatỳ aoriana, tamin’ny 2013, ny namorona an’ilay programa JW Library, satria efa nisy boky sy gazety be dia be tamin’ny endriny elektronika tao amin’ilay tranonkala jw.org. Mifameno tsara ny jw.org sy ny JW Library satria samy tena manampy an’izay olona te hamaky sy handalina ny boky sy gazetintsika amin’ny endriny elektronika.

Tsy tonga dia nipoitra tao amin’ny jw.org sy ny JW Library tamin’ny voalohany izay boky na video nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, fa ny volana Janoary taorian’ilay fivoriambe ilay izy vao nivoaka tao. Faly be anefa ny mpanatrika tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2015 satria nampandrenesina tamin’izay hoe tonga dia azon-dry zareo alaina ao amin’ny jw.org izay zavatra nivoaka tamin’ilay fivoriambe. Anisan’izany ilay boky hoe I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana sy ilay bokikely hoe Miverena Amin’i Jehovah ary ilay video hoe Inona no Atao hoe Tena Fitiavana? Nilaza ny Rahalahy Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, herintaona tatỳ aoriana, tao amin’ny Tele JW Mey 2016 fa nisy bokikely vaovao hoe Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora, dia noresahiny tamin’izay hoe tonga dia azo alaina ao amin’ny jw.org ilay izy. Sambany tamin’izay vao hoe niara-nahazo bokikely tamin’ny fotoana nitovy ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany.

Efa ela be ny fandaminan’i Jehovah no nampiasa ny teknolojia mba hitoriana ny vaovao tsara sy hampaherezana ny rahalahy sy anabavy maneran-tany. Faly be isika satria lasa ampiasaina hizarana sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety koa izao ny tranonkala jw.org.​—Matio 24:45.

  • Video misy maka isam-bolana

  • Olona mijery jw.org isan’andro ao anatin’ny volana iray

  • Janoary 2013: Navoaka ilay video hoe Mivavaha Foana

  • Oktobra 2013: Lasa nisy ny programa JW Library

  • Aogositra 2014: Ezaka manokana maneran-tany nizarana taratasy mivalona momba ny jw.org

  • Oktobra 2014: Lasa nisy ny Tele JW

  • Mey 2015: Lasa nisy tamin’ny endrika elektronika izay zavatra nivoaka tamin’ny fivoriambe

  • Mey 2016: Nivoaka naneran-tany ilay bokikely hoe Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora