Hijery ny anatiny

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly fa Tsy Afa-po Amin’ny Fiainana Aho?

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly fa Tsy Afa-po Amin’ny Fiainana Aho?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Boky mirakitra fahendrena ny Baiboly. Afaka manampy anao ho sambatra sy ho afa-po kokoa izy io, ary mamaly an’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Ireto misy santionany amin’izany:

  1.   Nisy namorona ve izao rehetra izao? Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Fantany àry izay ilaintsika mba hahatonga antsika ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana.

  2.   Mba mitady izay hahasoa ahy ve Andriamanitra? Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tsy miraharaha antsika olombelona Andriamanitra. Milaza kosa ny Asan’ny Apostoly 17:27 hoe: “Tsy lavitra antsika tsirairay izy.” Zava-dehibe aminy izay mitranga eo amin’ny fiainanao, ary te hanampy anao ho sambatra izy.—Isaia 48:17, 18; 1 Petera 5:7.

  3.   Ho sambatra kokoa ve aho raha mahafantatra an’Andriamanitra? Natao hila an’Andriamanitra isika rehefa noforonina. (Matio 5:3) Midika izany fa efa natao ao amintsika ny faniriana hahafantatra ny Mpamorona sy ny antony ahavelomantsika ary ny dikan’ny fiainana. Efa natao ao amintsika koa ny faniriana hifandray amin’Andriamanitra. Ho faly àry izy raha miezaka hahafantatra azy ianao, satria hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

 Olona an-tapitrisany no lasa sambatra kokoa rehefa nifandray akaiky tamin’Andriamanitra. Lasa fantany koa izay tokony hatao mba ho afa-po amin’ny fiainana izy. Mety mbola hanana olana ihany ianao na mahalala an’Andriamanitra aza. Raha manaraka ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly anefa ianao, dia

 Be dia be ny fivavahana mampiasa Baiboly nefa tsy mampihatra izay voalaza ao. Manaraka izay lazain’ny Baiboly kosa ny fivavahana marina ary afaka manampy anao hahalala an’Andriamanitra.