Hijery ny anatiny

Bokim-pahendren’olombelona ve ny Baiboly?

Bokim-pahendren’olombelona ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Maro ny tenim-pahendrena hita ao amin’ny Baiboly, izany hoe ny Soratra Masina. Hoy izy io: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Marina ve izany? Maro ny porofo manamarina an’izany teny izany. Diniho ireto:

  •   Mbola tsy nisy nahavita nanaporofo fa tsy mifanaraka amin’ny tantara ny Baiboly.

  •   Tena feno fahatsorana ireo mpanoratra Baiboly. Hita amin’izany fa tena marina ny zavatra nosoratany.

  •   Ahitana foto-kevitra lehibe iray ao amin’ny Baiboly. Tsy inona izany fa hoe manan-jo hitondra Andriamanitra, ary hanatanteraka ny fikasany amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra.

  •   Tsy ahitana hevi-diso neken’ny olona maro taloha izy io na dia efa an’arivony taona lasa aza izay no nanoratana azy.

  •   Porofoin’ny tantara fa tanteraka ireo faminaniana nambara mialoha ao amin’ny Baiboly.