Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Filipianina 4:6, 7: “Aza Manahy na Inona na Inona”

Filipianina 4:6, 7: “Aza Manahy na Inona na Inona”

 “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Filipianina 4:6, 7 holazaina?

 Rehefa misy zavatra mampanahy be ny mpanompon’Andriamanitra, dia afaka mivavaka amin’Andriamanitra izy ireo mba ho maivamaivana. Mampanantena izy hoe homeny fiadanan-tsaina izy ireo, dia tsy hanahy be intsony, sady ho tony ny fo sy ny sain’izy ireo. Misy karazana vavaka afaka manampy azy ireo hilamin-tsaina eo amin’ny andininy faha-6.

 Vavaka fitalahoana: Vavaka atao rehefa hiangavy mafy ny fanampian’Andriamanitra. Mety hitalaho amin’Andriamanitra, ohatra, ny olona iray rehefa miady saina be, na rehefa tandindomin-doza ny ainy. Izany no nataon’i Jesosy. (Hebreo 5:7) Mety hoe mila averimberina im-be dia be mihitsy ny vavaka hoatr’izany.

 Vavaka fangatahana: Vavaka atao rehefa hangataka zavatra voafaritra tsara amin’Andriamanitra. Afaka manao vavaka fangatahana amin’Andriamanitra ny mpanompony “amin’ny zava-drehetra”, izany hoe amin’ny toe-javatra rehetra mitranga. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra anefa ilay vavaka vao ekeny.—1 Jaona 5:14.

 Vavaka fisaorana: Vavaka atao rehefa hankasitraka ny zavatra nataon’Andriamanitra sy izay zavatra mbola hataony ho antsika amin’ny hoavy. Ho falifaly foana isika raha mieritreritra ny antony tokony hisaorantsika an’Andriamanitra.—1 Tesalonianina 5:16-18.

 Omen’Andriamanitra ny fiadanany ny mpanompony rehefa mamaly an’ireo karazana vavaka ireo izy. Lasa milamin-tsaina ny olona iray rehefa manana “ny fiadanan’Andriamanitra” satria mifandray tsara aminy. (Romanina 15:13; Filipianina 4:9) “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” io fiadanana io, satria avy amin’Andriamanitra sady afaka manampy antsika mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika.

 Milaza ilay andinin-teny fa afaka miambina ny fontsika ny fiadanan’Andriamanitra. Ilay teny grika nadika hoe “miambina”, dia teny nilazana andiana miaramila nasaina niambina tanàna nisy manda. Mitovy amin’izany ny fiadanan’Andriamanitra, satria afaka miaro ny fo sy ny saintsika. Manampy antsika tsy hanahy be loatra izy io, na dia eo aza ny olana mahazo antsika.

 Miaro antsika “amin’ny alalan’i Kristy Jesosy” ny fiadanan’Andriamanitra satria amin’ny alalan’i Jesosy no ahafahantsika mifandray tsara amin’Andriamanitra. Nahafoy ny ainy i Jesosy mba hanafahana antsika amin’ny ota. Raha mino azy isika, dia hotahin’Andriamanitra. (Hebreo 11:6) I Jesosy koa no mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra rehefa mivavaka isika. Hoy izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6; 16:23.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Filipianina 4:6, 7?

 Ny Kristianina tany Filipy a no nanoratan’ny apostoly Paoly ny bokin’ny Filipianina. Nampirisika ny fiangonana mba hifaly i Paoly eo amin’ny toko faha-4 amin’io boky io. Tena faly koa i Paoly satria nalala-tanana izy ireo, dia nisaotra azy ireo izy. (Filipianina 4:4, 10, 18) Nilaza izy fa manampy ny olona hahazo ny fiadanan’Andriamanitra ny vavaka. Nohazavainy koa hoe inona no tokony hoeritreretintsika sy hataontsika raha te hanana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika.—Filipianina 4:8, 9.

a Tanàna any Gresy ankehitriny.