Nosoratan’i Jaona 16:1-33

  • Mety hovonoina ho faty ny mpianatr’i Jesosy (1-4a)

  • Ny fiasan’ny fanahy masina (4b-16)

  • Hivadika ho fifaliana ny alahelon’ny mpianatra (17-24)

  • Naharesy an’izao tontolo izao i Jesosy (25-33)

16  “Nilaza an’izany taminareo aho, mba tsy ho levona ny finoanareo.*  Horoahin’ny olona hiala amin’ny synagoga+ ianareo. Mbola ho avy aza ny fotoana* hiheveran’izay mamono anareo+ hoe manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy rehefa manao an’izany.  Hanao an’izany izy, satria mbola tsy fantany na izaho na ny Ray.+  Noteneniko anareo anefa izany, amin’izay rehefa tonga ny fotoana itrangan’izany, dia ho tadidinareo hoe efa niteny an’izany taminareo aho.+ “Tsy noteneniko anareo izany tamin’ny voalohany, satria mbola teo aminareo aho.  Handeha ho any amin’Ilay naniraka ahy aho izao,+ nefa tsy misy manontany ahy ianareo hoe: ‘Ho aiza ianao?’  Malahelo be mantsy ny fonareo satria niteny anareo an’izany aho.+  Lazaiko aminareo anefa fa tena mahasoa anareo ny handehanako, satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho tonga atỳ aminareo ilay mpanampy.+ Raha mandeha anefa aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo izy.  Ary rehefa tonga izy, dia hanome porofo mampiaiky an’izao tontolo izao momba ny fahotana, sy momba ny fahamarinana, ary momba ny fitsarana.  Voalohany, porofo momba ny fahotana,+ satria tsy mino ahy izy ireo.+ 10  Avy eo, porofo momba ny fahamarinana, satria ho any amin’ny Ray aho ka tsy ho hitanareo intsony. 11  Ary farany, porofo momba ny fitsarana, satria efa voatsara ilay mpitondra an’izao tontolo izao.+ 12  “Mbola betsaka ny zavatra tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany izao. 13  Rehefa tonga anefa izy, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana,+ dia hitari-dalana anareo mba ho azonareo tsara ny fahamarinana rehetra. Tsy ny heviny fotsiny mantsy no hoteneniny, fa izay henony no holazainy, dia hohazavainy aminareo ny zavatra mbola ho avy.+ 14  Hanome voninahitra ahy izy,+ satria hohazavainy aminareo izay azony avy amiko.+ 15  Izay rehetra an’ny Ray dia ahy.+ Izany no nahatonga ahy hiteny hoe hohazavainy aminareo izay azony avy amiko. 16  Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy intsony ianareo,+ fa rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo.” 17  Dia nifampiresaka ny mpianany sasany hoe: “Fa inona no tiany hotenenina amin’ilay hoe: ‘Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy ianareo, fa rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo’, sy ilay hoe: ‘Satria ho any amin’ny Ray aho’?” 18  Ary hoy ireo: “Fa inona àry no tiany hotenenina amin’ilay hoe: ‘Rehefa afaka kelikely’? Tsy azontsika ny tiany holazaina.” 19  Fantatr’i Jesosy fa te hanontany azy izy ireo, ka hoy izy: “Lasa mifanontany ve ianareo, satria niteny aho hoe: ‘Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy ianareo, fa rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo’? 20  Lazaiko marimarina aminareo fa hitomany sy hidradradradra ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Halahelo ianareo, nefa hivadika ho fifaliana ny alahelonareo.+ 21  Ory ny vehivavy rehefa tonga ny fotoana iterahany. Tsy tadidiny intsony anefa ny fahoriany rehefa teraka izy. Faly mantsy izy fa misy olona teraka eo amin’izao tontolo izao. 22  Malahelo koa ianareo izao. Hahita anareo indray anefa aho, dia ho faly ny fonareo.+ Dia tsy hisy hanala an’izany fifalianareo izany. 23  Tsy hanontany ahy intsony mihitsy ianareo amin’izay andro izay. Lazaiko marimarina aminareo fa na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray,+ dia homeny anareo amin’ny anarako izany.+ 24  Mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo, hatramin’izao. Mangataha dia hahazo ianareo, mba ho feno ny fifalianareo. 25  “Nanao fanoharana aho rehefa nilaza an’izany taminareo. Tonga anefa ny fotoana tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hotsoriko aminareo ny momba ny Ray. 26  Hangataka amin’ny anarako ianareo amin’izay andro izay. Tsy midika anefa izany teniko izany hoe izaho no hangataka amin’ny Ray ho anareo. 27  Tia anareo mantsy ny Ray, satria ianareo efa tia ahy+ ka nino fa avy tamin’ny Ray aho sady solontenan’Andriamanitra.+ 28  Solontenan’ny Ray aho, ary tonga eto amin’izao tontolo izao. Hiala eto amin’izao tontolo izao anefa aho izao, dia ho any amin’ny Ray.”+ 29  Hoy ny mpianany: “Izay fa miteny tsotra fotsiny ianao fa tsy manao fanoharana. 30  Fantatray izao fa hainao daholo ny zava-drehetra, ary tsy mila anontaniana akory ianao. Dia lasa mino izahay fa avy any amin’Andriamanitra ianao.” 31  Dia hoy i Jesosy: “Tena mino ve ianareo izao? 32  Ho avy ny fotoana, ary efa kely sisa dia ho tonga ny fotoana handosiranareo tsirairay any amin’izay halehanareo,* dia havelanareo ho irery aho.+ Tsy irery anefa aho satria eo ny Raiko.+ 33  Nilaza an’izany taminareo aho mba ho amin’ny alalako no hahazoanareo fiadanana.+ Eo amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa manàna herim-po! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”+

Fanamarihana

Abt: “tsy ho tafintohina ianareo.”
Abt: “ora.”
Na: “hiparitahanareo any an-tranonareo avy.”