Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 19

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

(Matio 26:26-30)

  1. 1. Jehovah Rainay any ambony any,

    Te hanandra-peo ny fonay.

    Tsaroanay ankehitriny ilay Paska fahiny,

    Nataon’ny olonao fahizay.

    Taloha mantsy dia zanak’ondry

    No niaro ny vahoakanao.

    Hoatran’iny Kristy, ’lay nafoinao, satria

    Hafa mihitsy ny fitiavanao!

  2. 2. Ho fampahatsiahivana ho anay

    Ireo mofo sy ny divay.

    Ireo no mampahatsiahy

    ilay aina sy ra,

    Takalo hanavotana anay.

    Fa mafy kanefa nataonao

    ’Lay sorona iray lafo vidy.

    Takariva toy ’zao,

    maty ilay Zanakao,

    Ho tsaroanay am-po, ho tadidy.

  3. 3. Tonga eto izahay fa nasainao;

    Tsy hainay ny tsy hisaotra anao.

    Mitsingerina androany

    ’zay niseho tam’izany,

    Porofon’ny fitiavanao.

    Ho anao re ny dera sy laza,

    Fisaorana no asandratray.

    Irinay ny hankatò, dia handray valisoa:

    ’Lay fiadanana mandrakizay.