Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 57

Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

(1 Timoty 2:4)

  1. 1. Andao hanahaka an’i Jehovah,

    ’Zay tsy manavaka fa tsara toetra.

    Tsarovy fa tsy misy tiany ho very

    Ireo karazan’olona rehetra.

    (FIVERENANA)

    Ka ny zava-dehibe

    Tsy ny bika na tarehy,

    Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao.

    N’iza n’iza io dia ampio,

    N’aiza n’aiza itorio

    Hoe: “I Jehovah te ho namanao!”

  2. 2. Ny toerana misy azy aza jerena,

    Tsy mampaninona izay fitafiany.

    Jehovah no mahita ny ao am-po,

    Ny maha izy azy sy ’zay mba iriny.

    (FIVERENANA)

    Ka ny zava-dehibe

    Tsy ny bika na tarehy,

    Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao.

    N’iza n’iza io dia ampio,

    N’aiza n’aiza itorio

    Hoe: “I Jehovah te ho namanao!”

  3. 3. Raha misy tapa-kevitra ny hiova,

    Jehovah mbola vonona ny handray.

    Koa ny karazan’olona rehetra,

    ’Ndao hitoriana, hampiana tsirairay.

    (FIVERENANA)

    Ka ny zava-dehibe

    Tsy ny bika na tarehy,

    Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao.

    N’iza n’iza io dia ampio,

    N’aiza n’aiza itorio

    Hoe: “I Jehovah te ho namanao!”