Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 11

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

(Salamo 19)

  1. 1. Jehovah ô, ny zavaboarinao

    Dia mampiseho ny voninahitrao.

    Miteny ’reo, na dia tsy misy feo,

    Midera ny Mpamorona azy ’reo.

    Miteny ’reo, na dia tsy misy feo,

    Midera ny Mpamorona azy ’reo.

  2. 2. Ny fahatahorana anao no harena,

    Dia ’zay no fiandohan’ny fahendrena.

    Ny didinao dia tsara sy faniry,

    Toa volamena tsy fahita firy.

    Ny didinao dia tsara sy faniry,

    Toa volamena tsy fahita firy.

  3. 3. Manompo anao no mahafinaritra,

    Fa tombontsoa sy voninahitra.

    Ny fiainanay mahafa-po izao.

    Soa ihany izahay fa mahalala anao!

    Ny fiainanay mahafa-po izao.

    Soa ihany izahay fa mahalala anao!