Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 32

Miandania Amin’i Jehovah!

Miandania Amin’i Jehovah!

(Eksodosy 32:26)

  1. 1. ’Sika taloha nampianarina diso,

    Kivy, tsy mba nanantena ny ampitso.

    Nefa nahita ny marina ihany,

    Faly tsy nisy hoatr’izany!

    (FIVERENANA)

    Raha toa ka Jehovah No iandanianao,

    Dia ny Fanjakany, Andeha ambarao.

    Ianao tsy hafoiny, Ianao tsy hariany;

    F’izay matoky azy Tsy maintsy hotahiny.

  2. 2. ’Ndao àry hiandany am’i Jehovah foana,

    Sady hararaotina koa ny fotoana.

    Koa itorio ny olona ankehitriny,

    Hifidy izay hiandaniany.

    (FIVERENANA)

    Raha toa ka Jehovah No iandanianao,

    Dia ny Fanjakany, Andeha ambarao.

    Ianao tsy hafoiny, Ianao tsy hariany;

    F’izay matoky azy Tsy maintsy hotahiny.

  3. 3. Te hampahatahotra antsika i Satana,

    Fa ny finoantsika tsy azony ovana.

    ’Sika anie vitsy, izy ’reo mety ho maro,

    Nefa Jehovah no miaro!

    (FIVERENANA)

    Raha toa ka Jehovah No iandanianao,

    Dia ny Fanjakany, Andeha ambarao.

    Ianao tsy hafoiny, Ianao tsy hariany;

    F’izay matoky azy Tsy maintsy hotahiny.