Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 65

Mandrosoa Foana!

Mandrosoa Foana!

(Hebreo 6:1)

  1. 1. Mandrosoa, manehoa toetra tsara izao;

    Aoka hamiratra anie ny hazavana entinao!

    Dia ny fanompoanao mbola hatsarao,

    Fa Jehovah hanampy anao.

    Ho an’ny rehetra io asa io;

    ’Zay nataon’i Kristy, tadidio!

    Ka Jehovah Andriamanitra no itokio;

    Ny mihemotra fadio.

  2. 2. Mandrosoa, mazotoa, aok’ianao ho sahy;

    N’iza n’iza itorio, na manaiky na mandà!

    Mandehana isan-trano dia ambarao,

    Ka Jehovah no derao.

    Mety hisy ihany aloha ’reo tsy tia.

    Aza kivy ianao, mitoria!

    Fa manjaka Jehovah ka mifalia,

    Mahereza, matokia!

  3. 3. Mandrosoa, mijoroa, mahereza ianao;

    Hatsarao ny asanao,

    mbola be no mila atao!

    Dia ny fanahy masina no angataho;

    Izy hampahery anao.

    Izay liana rehetra jereo,

    Ka tsidiho, ampianaro avy eo.

    ’Zay hampiova ny fony àry no kendreo,

    Dia handroso izy ireo.

(Jereo koa ny Fil. 1:27; 3:16; Heb. 10:39.)