Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Sombin’ny Aiko

Ry Sombin’ny Aiko

Haka:

  1. 1. Tonga soa, ry sombin’ny aina

    Fa nahita ny maraina.

    Etsy ange hotrotroiko. Eo fa ianao tsy hafoiko,

    Sombin’ny aina.

  2. 2. Tiako ianao, ry sombin’ny aiko,

    Satria lova avy amin’ny Raiko.

    Ny ho tsara famindra, ’zay no iriko ho anao ’ndrindra,

    Sombin’ny aiko.

    (Tetezana)

    Ao ’lay tontolo vaovao,

    Nokalin’i Jehovah ho ahy sy ho anao!

    Dia hiara-hankafy riandrano,

    Hilomano, hilalao liona kely.

    Ho fiainanao ’reny!

  3. 3. I Jehovah ry sombin’ny aiko

    Mba te ho Namanao ka raiso.

    Ianao ’nge hotrotroiny. Eo fa ianao tsy hafoiny.

    Sombin’ny aiko.

    Ry sombin’ny aiko!

    ’Lay sombin’ny aiko!