Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Mahita ny Mahazo Anao Izy

Mahita ny Mahazo Anao Izy

“Mijery ny ataon’ny olona Izy, ary mahita ny diany rehetra.” —JOBA 34:21.

Amin’ilay izy mbola kely iny ny zaza no tena mila arahi-maso

NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Hita tamin’ny fikarohana vao haingana, fa ny vahindanitra misy antsika fotsiny no efa misy planeta iray hetsy tapitrisa, fara fahakeliny. Tena midadasika be izao rehetra izao ka maro no mieritreritra hoe: ‘Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra sady Mpamorona ve dia hahamarika an’izay ataon’ny olombelona tsinontsinona eto amin’ity planeta kely ity?’

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Tsy hoe nomen’Andriamanitra antsika fotsiny ny Baiboly dia avy eo izy tsy niraharaha antsika intsony. Hoy kosa i Jehovah: “Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”—Salamo 32:8.

Eritrereto i Hagara, vehivavy ejipsianina niaina tamin’ny taona 1900 Talohan’i Kristy tany ho any. Mpanompon’i Saray izy, saingy nampietreny satria tsy nanaja azy. Lasa nitsoaka tany an-tany efitra àry i Hagara. Tsy noraharahain’Andriamanitra intsony ve izy satria nanao fahadisoana? Tsia. Hoy ny Baiboly: ‘Hitan’ny anjelin’i Jehovah izy.’ Nanome toky azy ilay anjely hoe: “Efa ren’i Jehovah ny fahorianao.” Hoy àry i Hagara tamin’i Jehovah: “Andriamanitra mahita ianao.”—Genesisy 16:4-13.

“Mahita” ny mahazo anao koa Andriamanitra. Intỳ misy ohatra: Manara-maso ny zanany kely ny reny be fitiavana mba hahitany izay mahazo azy, satria amin’ilay izy mbola kely iny ny zaza no tena mila an’izany. Mahita ny mahazo anao koa Andriamanitra sady vonona hanampy, indrindra amin’ilay ianao kivy sy malahelo be iny. “Any amin’ny avo sy any amin’ny toerana masina aho no mitoetra”, hoy i Jehovah, nefa koa “eo amin’ireo torotoro fo sy manetry tena, mba hamelombelona ny sain’ireo manetry tena sy ny fon’ireo torotoro fo.”—Isaia 57:15.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Ahoana no ataon’Andriamanitra rehefa mijery ahy? Mitsara ivelany fotsiny ve izy? Sa tena mahafantatra tsara ahy izy, ka tsy mifantoka amin’ny fahadisoako?’