Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hisy Intsony ny Loza!

Tsy Hisy Intsony ny Loza!

AHOANA hoy ianao raha misy milaza aminao hoe: “Kely sisa dia tsy hisy intsony ny loza”? Mety hilaza amin’ilay olona ianao hoe manonofy antoandro izy, satria efa anisan’ny fiainana ireny. Na koa mety hiteny anakampo ianao hoe mampiresaka fotsiny izy.

Marina aloha fa hoatran’ny tsy ho foana mihitsy ny loza e! Afaka matoky anefa isika fa ho foana izy ireny, saingy tsy noho ny ezaka ataon’ny olombelona. Ny olona mantsy tsy mahay mamantatra izay tena mitranga eo amin’ny natiora sy ny anton’izany, mainka moa fa ny hifehy na hanova azy ireny. Hoy i Solomona, mpanjakan’ny Israely, izay nalaza ho tena hendry sy nahira-tsaina: “Tsy ho vitan’ny olombelona ny hamantatra ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro. Na miezaka mafy toy inona aza izy mba hitady izany, dia tsy hahita. Ary na dia hilaza aza izy fa manana ny fahendrena ilaina mba hahalalana izany, dia mbola tsy hahafantatra ihany.”—Mpitoriteny 8:17.

Iza àry no afaka mifehy ny loza? Milaza ny Baiboly fa ny Mpamorona antsika no hanao izany. Izy no namorona ny fiaraha-miasan’ny zavaboary eto an-tany sy ireo tsingerina samihafa, anisan’izany ny tsingerin’ny rano. (Mpitoriteny 1:7) Tsy manam-petra koa ny heriny fa tsy toy ny an’ny olombelona. Manaporofo izany ny tenin’i Jeremia mpaminany hoe: “Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra. Tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.” (Jeremia 32:17) Andriamanitra, araka izany, no nanao ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy. Ara-dalàna àry raha hainy ny mifehy azy ireny, mba hiadana sy tsy hanana ahiahy ny olona.—Salamo 37:11; 115:16.

Ahoana àry no hataon’Andriamanitra? Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra faharoa, fa anisan’ny ‘famantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’ ireo zavatra maro mampahatahotra mitranga ankehitriny. Hoy i Jesosy: ‘Rehefa hitanareo fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Matio 24:3; Lioka 21:31) Io Fanjakana io, izay fitondram-panjakana naorin’Andriamanitra any an-danitra, no hitondra fiovana lehibe eto an-tany. Hifehy ny herin’ny natiora mihitsy aza izy io. Marina fa vitan’i Jehovah Andriamanitra irery izany, kanefa nankininy tamin’ny Zanany izany. Hoy i Daniela mpaminany momba an’io Zanany io: “Nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.”—Daniela 7:14.

Nomena an’i Jesosy Kristy ny hery rehetra ilaina mba hanovana ny tany ho lasa toerana mahafinaritra. Tamin’izy teto an-tany, 2 000 taona lasa izay, dia efa nasehony kely fa mahavita mifehy ny herin’ny natiora izy. Tao anaty sambokely teny amin’ny Ranomasin’i Galilia, ohatra, izy sy ny mpianany, indray mandeha. “Nisy tafio-drivotra mahery, ka niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja. Dia nila ho feno rano ilay sambokely.” Nivadi-po ny mpianany, ary natahotra ny ho faty ka niantso vonjy tamin’i Jesosy. Inona no nataon’i Jesosy? “Niteny mafy ny rivotra” fotsiny izy “sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: ‘Mangìna! Mitonia!’ Dia nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro.” Gaga be ny mpianany ka nifanontany hoe: “Fa iza marina àry izy ity, fa hatramin’ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy?”—Marka 4:37-41.

Nankany an-danitra i Jesosy, tatỳ aoriana, ary nomena hery sy fahefana lehibe lavitra. Izy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Anjarany àry ny manao izay fanovana rehetra ilaina mba hiadana sy tsy hanana ahiahy ny olona eto an-tany, ary vitany izany.

Araka ny hitantsika anefa, dia ny ataon’ireo olona tia tena sy tsy mety afa-po no mahatonga, na manampy trotraka, ny ankamaroan’ireo olana sy loza. Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ahoana izy ireny raha tsy mety miova? Milaza ny Baiboly fa ho avy i Jesosy Tompo “avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” Handringana “izay manimba ny tany” izy.—2 Tesalonianina 1:7, 8; Apokalypsy 11:18.

Hifehy tanteraka ny herin’ny natiora i Jesosy Kristy, “Mpanjakan’ny mpanjaka”, aorian’izay. (Apokalypsy 19:16) Hataony izay hahatonga ny vahoakany tsy hiharan-doza intsony. Hampiasa ny heriny izy mba hifehezana ny natiora, ka handray soa avy amin’ny vanin-taona sy ny toetrandro ny olombelona. Amin’izay dia ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’ny vahoakany hoe: “Homeko ranonorana amin’ny fotoanany tokoa ianareo, ka hataoko mahavokatra ny tany, ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.” (Levitikosy 26:4) “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.” (Isaia 65:21) Tsy hatahotra intsony izy ireo amin’izay hoe sao ho ravan’ny rivo-doza na loza hafa ny tranony.

Inona no tokony hataonao?

Olona maro no te hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy misy loza intsony, ary azo antoka fa toy izany koa ianao. Inona àry no tokony hataonao? Nilaza Andriamanitra fa tsy hiaina ao amin’ilay tontolo tsy hisy loza, “izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara.” Tokony hianatra momba an’Andriamanitra àry ianao, ary hanohana an’ilay Fanjakana naoriny mba hitondra ny tany. Tian’Andriamanitra hahafantatra azy isika ary hankatò ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, izay nomeny ho an’ny Zanany.

Ny fianarana Baiboly no fomba tsara indrindra hanaovana izany. Ao no misy an’ireo fepetra takina mba hahafahana hiaina ao amin’ilay tontolo milamina, eo ambany fitondran’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana àry raha mangataka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianatra Baiboly anao? Ho faly izy ireo hanampy anao. Raha miezaka hahalala an’Andriamanitra sy hankatò ny vaovao tsara ianao, dia azo antoka fa ho tanteraka aminao ny Ohabolana 1:33 hoe: ‘Tsy hanana ahiahy izay mihaino ahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.’