Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lanjalanjao ny Fihetseham-ponao

Lanjalanjao ny Fihetseham-ponao

Lanjalanjao ny Fihetseham-ponao

MALAHELO be ve ianao indraindray? Sa manamelo-tena, sa mahatsiaro ho tsy misy vidiny? Iza tokoa moa no tsy mandalo amin’izany? Olona maro izao no kivy satria sarotra ny fiainana, mitombo ny herisetra, ary manjaka ny tsy rariny.

Mety hanimba antsika anefa ny fihetseham-po toy izany. Mety ho lasa tsy hatoky tena mantsy isika, na tsy hisaina tsara, na tsy ho faly. Hoy ny Baiboly: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Mila hery sy tanjaka anefa isika satria mafy ny fiainana eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Ilaina àry ny mandanjalanja ny fihetseham-po. *

Manampy antsika amin’izany ny Baiboly. I Jehovah no Mpamorona sy Mpikarakara antsika, ka tsy tiany hamoy fo isika raha vesaran’ny hakiviana na rehefa tsy misy antenaina. (Salamo 36:9) Andao àry handinika fomba telo anampian’ny Teniny antsika.

Sarobidy amin’Andriamanitra ianao

Misy mihevitra fa be atao loatra Andriamanitra, ka tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny olona. Izany koa ve no hevitrao? Manome toky anefa ny Baiboly fa tena mihevitra ny fihetseham-pontsika ny Mpamorona. Hoy ny mpanao salamo: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.” (Salamo 34:18) Mampahery tokoa ny mahalala fa akaiky antsika ilay Mpanjaka mahery indrindra, rehefa ory isika!

Tsy hoe mafy fo na tsy miraharaha antsika akory Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tia olona izy sady malahelo an’ireo mijaly. Andevo tany Ejipta, ohatra, ny Israelita, 3 500 taona lasa izay, ka hoy i Jehovah: “Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany. Hidina aho hanafaka azy.”—Eksodosy 3:7, 8.

Fantatr’Andriamanitra tsara ny fihetseham-pontsika. “Izy no nanao antsika, fa tsy ny tenantsika.” (Salamo 100:3) Afaka matoky àry isika fa takany izay tsapantsika, na dia tsy mahatakatra izany aza ny hafa. Hoy ny Teniny: “Tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Tsy miafina aminy na dia ny fihetseham-pontsika lalina indrindra aza.

Fantatr’i Jehovah koa fa tsy lavorary sy manao fahadisoana isika. Faly anefa isika, satria be fitiavana sy mamela heloka ilay Mpamorona antsika. Hoy i Davida mpanoratra Baiboly: “Toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:13, 14) Hafa mihitsy ny fahitan’Andriamanitra antsika. Mety ho ny ratsy ihany mantsy no hitantsika amin’ny tenantsika. Izy kosa mijery izay tsara ao amintsika, ary minia tsy mahita ny fahadisoantsika, raha mibebaka isika.—Salamo 139:1-3, 23, 24.

Rehefa mahatsapa ho tsy misy vidiny àry ianao, dia mila miady amin’izany fihetseham-po izany. Tadidio fa sarobidy amin’Andriamanitra ianao!—1 Jaona 3:20.

Ataovy namanao akaiky Andriamanitra

Izany no fomba faharoa hanampy antsika handanjalanja ny fihetseham-pontsika. Raha manahaka ny fomba fiheveran’Andriamanitra antsika isika, dia ho lasa namany akaiky. Tena afaka ny ho namany ve anefa isika?

Ray be fitiavana i Jehovah Andriamanitra, ka vonona hanampy antsika hifandray akaiky aminy. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Mahagaga tokoa, fa na malemy sy mpanota aza isika, dia afaka minamana akaiky amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao!

Lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny momba azy, ka afaka mahalala azy tsara isika. Mahafantatra ny toetrany mahafinaritra isika rehefa mamaky azy io tsy tapaka. * Ary lasa akaiky azy isika rehefa misaintsaina an’ireo toetrany. Ho hitantsika kokoa fa Ray be fitiavana sy mangoraka izy.

Mahasoa koa ny misaintsaina lalina an’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. Manjary latsaka ao am-po sy ao an-tsaintsika ny fomba fihevitr’i Jehovah, ka mampahery sy mitarika ary manitsy antsika. Tena mila izany isika rehefa miady saina na mitebiteby. Hoy ny mpanao salamo: “Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.” (Salamo 94:19) Tena afaka mampionona antsika ny Tenin’Andriamanitra, raha manetry tena isika ka mampihatra azy io. Hahazo fampiononana sy fiadanam-po isika, ka hisinda tsikelikely ny adin-tsaintsika. Andriamanitra irery no afaka manome izany. Mampionona antsika izy, toy ny ray be fitiavana manambitamby ny zanany malahelo.

Ho lasa naman’Andriamanitra koa isika raha miresaka aminy tsy tapaka. “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Afaka mivavaka sy mangataka ny fanampiany isika, na inona na inona mampitebiteby na mampahatahotra antsika. Hilamin-tsaina isika, raha mamboraka aminy izay ao am-pontsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7.

Azo antoka fa ho akaiky an’ilay Rainao any an-danitra ianao raha mamaky Baiboly tsy tapaka sy misaintsaina ary mivavaka. Ho mora aminao ny handresy ny fihetseham-po toy ny hakiviana, raha lasa naman’i Jehovah ianao. Ary inona ilay fomba fahatelo?

Mifantoha amin’ilay hoavy tena tsara

Afaka mifantoka amin-javatra tsara foana isika, na dia ao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza. Mampanantena antsika hoavy azo antoka mantsy Andriamanitra. Hoy ny apostoly Petera momba izany: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Petera 3:13) Inona no dikan’izany?

Ny hoe “lanitra vaovao” dia ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy. Ireo olona hiaina eto an-tany, izay ankasitrahan’Andriamanitra, kosa no atao hoe “tany vaovao.” Tsy hisy intsony ny zavatra mahakivy, rehefa ny “lanitra vaovao” no hitondra. Amin’izay, dia hotahin’Andriamanitra ireo olona tsy mivadika, satria hoy ny Baiboly: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.

Tena mampahery izany! Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe “zavatra mahafaly” no antenain’ny tena Kristianina amin’ny hoavy. (Titosy 2:13) Tsy hifantoka amin-javatra ratsy isika raha mitadidy an’izany fampanantenan’Andriamanitra izany, sy misaintsaina hoe nahoana izany no azo antoka.—Filipianina 4:8.

Ampitahain’ny Baiboly amin’ny fiarovan-doha ny fanantenantsika famonjena. (1 Tesalonianina 5:8) Taloha dia tsy sahy nandeha niady ny miaramila raha tsy nisy fiarovan-doha. Rehefa misy azy io ny loha, dia tsy maharary raha voadona sady tsy voan’ny zana-tsipìka. Miaro ny saintsika toy izany koa ny fanantenana. Tsy hifantoka amin-javatra ratsy na mampahatahotra na mahakivy isika, raha misaintsaina ny fanantenantsika.

Ho vitanao àry ny handanjalanja ny fihetseham-ponao! Tadidio fa sarobidy amin’Andriamanitra ianao. Ataovy namanao akaiky izy, ary mifantoha amin’ny fanantenanao. Matokia fa tsy maintsy ho foana mandrakizay ny zavatra mampitebiteby sy mahakivy!—Salamo 37:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilaina ny manatona dokotera raha maharitra loatra na mafy loatra ny hakiviana.—Matio 9:12.

^ feh. 14 Misy fandaharam-pamakiana Baiboly mora arahina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2009.

[Teny notsongaina, pejy 19]

“Fantatro tsara ny fijaliany.”—EKSODOSY 3:7, 8

[Teny notsongaina, pejy 20]

“Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.”—SALAMO 94:19

[Teny notsongaina, pejy 21]

“Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”—FILIPIANINA 4:7

[Efajoro/Sary, pejy 20, 21]

Andinin-teny Mampahery Momba An’i Jehovah Andriamanitra

“Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.”—EKSODOSY 34:6.

“Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 TANTARA 16:9.

“Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—SALAMO 34:18.

“Tsara toetra sy vonona hamela heloka ianao, Jehovah ô.” —SALAMO 86:5.

“Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.”—SALAMO 145:9.

“Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”—ISAIA 41:13.

‘Hisaorana anie [ilay] Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra!’ —2 KORINTIANINA 1:3.

“Izany no hanomezantsika toky ny fontsika eo anatrehany ny amin’izay rehetra mety hanamelohan’izy io antsika. Lehibe noho ny fontsika mantsy Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.”—1 JAONA 3:19, 20.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Nahatsiaro ho Nisy Vidiny sy Natoky Tena Indray Izy Ireo

“Mamo lava ny dadanay, ary tena nampijaly ahy izany. Nahatsapa ho tsy nisy vidiny foana aho, hatramin’ny mbola kely. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho, ka fantatro fa hisy fiainana mandrakizay eto an-tany. Tena faly aho noho izany fanantenana izany. Lasa zatra namaky Baiboly aho, ary tsy nisaraka tamiko mihitsy izy io. Mamaky andinin-teny mampahery aho rehefa malahelo be. Mahazo toky aho hoe sarobidy amin’Andriamanitra aho, rehefa mamaky momba ny toetra tsarany.”—Kátia, 33 taona. *

“Nandevozin’ny toaka sy ny zava-mahadomelina aho, ary tiako koa ny nifoka fofona lakaoly. Tapitra ny fananako rehetra, ka lasa mpangataka aho. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho, ka niova tanteraka ny fiainako. Lasa nifandray akaiky tamin’Andriamanitra aho. Mbola nila niady mafy aho satria nanamelo-tena sy nahatsapa ho tsy misy vidiny indraindray. Niezaka natoky anefa aho hoe tena mamindra fo Andriamanitra, sady tsara fanahy sy be fitiavana. Fantatro fa hanampy ahy foana izy. Ny fianarana ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly no zavatra tsara indrindra teo amin’ny fiainako.”—Renato, 37 taona.

“Nampitaha ny tenako tamin’ny zokiko lahy aho, hatramin’ny mbola kely. Nahatsapa ho ambany noho izy foana aho. Mbola tsy matoky tena aho hatramin’izao, ary mihevitra hoe tsy mahay. Tapa-kevitra ny hiady mafy anefa aho. Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho, ary nanampy ahy izy mba hatoky tena kokoa. Faly aho satria fantatro fa tia sy mikarakara ahy Andriamanitra!”—Roberta, 45 taona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 45 Novana ny anarana sasany.