Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Hoavin’ny Olombelona

Momba ny Hoavin’ny Olombelona

Inona No Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Hoavin’ny Olombelona

Nampanantena ve i Jesosy fa hisy olona ho any an-danitra?

Eny! I Jesosy mihitsy aza no nankany amin’ny Rainy any an-danitra, rehefa natsangana tamin’ny maty. Talohan’ny nahafatesany anefa, dia nilaza tamin’ny apostoliny 11 tsy nivadika izy hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. ... Handeha hanomana toerana ho anareo aho.” (Jaona 14:2) Vitsy ihany anefa no hahazo izany tombontsoa izany. Nohazavain’i Jesosy tsara izany, rehefa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.”—Lioka 12:32.

Inona no hataon’ireo “ondry vitsy” any an-danitra?

Hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra ireo olom-bitsy ireo, araka ny sitrapon’i Jehovah Ray. Ahoana no ahafantarantsika izany? Taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, dia naharihariny tamin’ny apostoly Jaona fa hisy olona tsy mivadika ho lasa “mpanjaka hitondra ny tany.” (Apokalypsy 1:1; 5:9, 10) Vaovao tsara izany. Anisan’ny zavatra tena ilain’ny olombelona mantsy ny fitondram-panjakana tsara. Inona no hotanterahin’izy io? Hoy i Jesosy: “Amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy.” (Matio 19:28) Ny fanjakana tarihin’i Jesosy sy ireo nanaraka azy no hitondra an’ilay “fanavaozana.” Ho lavorary ny fiainana amin’izay, toy ilay niainan’ny mpivady voalohany talohan’ny nanotany.

Inona no nampanantenain’i Jesosy ho an’ny ankamaroan’ny olona?

Natao hiaina eto an-tany ny olombelona, fa i Jesosy kosa natao hiaina any an-danitra. (Salamo 115:16) Hoy àry i Jesosy: “Ianareo avy atỳ ambany, izaho avy any ambony.” (Jaona 8:23) Niresaka momba ny fiainana mahafinaritra eto an-tany koa anefa izy. Hoy izy indray mandeha: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Ity salamo ity no tao an-tsainy tamin’izay: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be. Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.’—Salamo 37:11, 29.

Tsy ny “ondry vitsy” ho any an-danitra ihany àry no hahazo fiainana mandrakizay. Afaka ny hiaina mandrakizay koa ny olona an-tapitrisany eran-tany, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Ahoana no hamaranan’Andriamanitra ny fijaliana?

Nilaza i Jesosy fa hofaranana ny fampahoriana. Hoy izy: “Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31) Hotsaraina sy horinganina aloha ireo olona tsy tia an’Andriamanitra. Horoahina i Satana avy eo ka tsy hamitaka ny olombelona intsony.

Ahoana kosa ny amin’ireo olona efa maty nefa tsy afaka nianatra momba an’Andriamanitra sy Kristy, ka tsy afaka naneho finoana azy ireo? Hoy i Jesosy tamin’ilay olon-dratsy maty teo anilany: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Ho afaka hianatra momba an’Andriamanitra io lehilahy io sy ny olon-kafa an-tapitrisany, rehefa hatsangan’i Jesosy amin’ny maty ao amin’ny paradisa an-tany. Afaka ny ho anisan’ireo mpandefitra sy olo-marina hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * toko 3 sy 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 23]

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29