Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hajao Hatrany” ny Olona toy Ireny

“Hajao Hatrany” ny Olona toy Ireny

NANENDRY anti-panahy matotra sy za-draharaha ny Filan-kevi-pitantanana mba hanampy an’ireo komity eo anivony, nanomboka tamin’ny 1992. * “Ondry hafa” ireo mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana ireo ary tena ilaina ny asany. (Jaona 10:16) Miara-mivory amin’ny komity anendrena azy izy ireo isan-kerinandro, ary manome fanazavana sy soso-kevitra. Rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana anefa no mandray ny fanapahan-kevitra farany. Manatanteraka an’izay hevitra tapaka avy eo ireo mpanampy sady manao asa hafa. Manatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana sy fivoriambe iraisam-pirenena miaraka amin’ny rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana koa izy ireo. Mety hotendrena ho solontenan’ny foibe izy ireo ka hasaina mitsidika sampana.

Efa nanomboka tamin’ny 1992 ny rahalahy iray no mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy izy: “Manam-potoana kokoa hamitana ny andraikiny ny Filan-kevi-pitantanana rehefa manao tsara ny asa asaina ataoko aho.” Efa 20 taona koa ny rahalahy iray no nanampy ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy izy: “Tsara lavitra noho izay tombontsoam-panompoana rehetra noeritreretiko ilay izy.”

Azo itokisana sy mazoto miasa ireo mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana, ary be dia be ny asa ampanaovina azy. Mankasitraka ny asa tsara vitan’izy ireo ny Filan-kevi-pitantanana. “Hajao hatrany” àry ny olona toy ireny.—Fil. 2:29.

^ feh. 2 Resahina ao amin’ny boky Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, pejy 131, ny andraikitr’ireo komity enina eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana.