Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Vitan’i Kingsley ve dia Tsy ho Vitako?”

“Vitan’i Kingsley ve dia Tsy ho Vitako?”

SAMBANY i Kingsley no nanao Sekolin’ny Fanompoana. Nokapohina kely ny sorony, dia fantany hoe efa tokony hanomboka izy. Notononiny tsara ny teny tsirairay, ary tsy nisy latsaka na dia vaninteny iray aza. Tsy nijery Baiboly mihitsy anefa izy. Nahoana?

Nipetraka tany Sri Lanka i Kingsley. Jamba izy sady tsy nandre tsara ary nila seza misy kodiarana vao afaka nandehandeha. Ahoana no nahalalan’io lehilahy io an’i Jehovah sy nahafenoany fepetra hanao sekoly? Aleo hotantaraiko.

Gaga be aho tamin’ny vao nihaona tamin’i Kingsley satria tena tia fahamarinana izy. Efa maromaro ny mpitory nampianatra azy taloha, ary nanana an’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay * izy. Tamin’ny soratra Braille ilay bokiny ary efa tonta. Nasaiko hianatra indray izy ary nanaiky. Nisy olana anefa.

Voalohany, tany amin’ny trano fitaizana be antitra sy sembana i Kingsley no nipetraka. Be olona tao ka nitabataba be, nefa izy tsy nandre tsara. Nila niteny mafy be àry aho rehefa nampianatra azy isan-kerinandro. Henon’ny rehetra mihitsy aza ny zavatra nianaranay!

Faharoa, kely fotsiny ny zavatra voavakiny sy takatry ny sainy isaky ny nianatra. Nila nanomana tsara àry izy mba handray soa kokoa. Naverimberiny novakina mialoha izay lahatsoratra hianarana. Tamin’ny soratra Braille ny Baiboliny, ary nojereny daholo ny andinin-teny. Nianarany tsianjery avy eo ny valin’ny fanontaniana. Tena nandaitra izany. Nipetraka tamin’ny tany teo ambony lamba izy rehefa nianatra izahay, ary falifaly be sady niteny mafy be nanazava an’izay nianaranay. Lasa nianatra indroa isan-kerinandro izahay tatỳ aoriana, ary adiny roa be izao isaky ny nianatra!

NIVORY SADY NANDRAY ANJARA

Kingsley sy Paul

Tena tia nivory i Kingsley, saingy nanahirana ilay izy. Nila mpibata izy rehefa ho eo ambonin’ilay sezany sy rehefa ho ao anaty fiara ary rehefa tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nifandimby nibata azy ny mpiara-manompo, ary tena tian’izy ireo ny nanao izany. Nasiana fanamafisam-peo teo akaikin’ny sofin’i Kingsley. Nihaino tsara izy, ary nanome valin-teny mihitsy aza!

Nisoratra anarana hanao Sekolin’ny Fanompoana izy, rehefa nianatra kelikely. Nanontaniako izy, tapa-bolana talohan’ilay sekoliny, raha efa nanao fanazaran-tena. Tonga dia namaly izy hoe: “Ie! Efa namerimberina in-30 teo ho eo aho, Rahalahy.” Noderaiko izy satria niezaka be, ary nasaiko naveriny ny anjarany mba hohenoiko. Nosokafany àry ny Baiboliny, napetrany teo amin’ilay toko hovakiny ny rantsantanany, ary nanomboka namaky izy. Gaga anefa aho fa tsy nakisany toy ny mahazatra ny rantsantanany. Hay efa hainy tsianjery ilay anjarany!

Tsy nampino ilay izy, ka latsaka ny ranomasoko. Nanontaniako izy hoe fa ahoana no hainy tsianjery ilay izy nefa in-30 fotsiny no naverimberiny. Hoy izy: “Ka in-30 eo ho eo isan’andro aho no mamerina.” Hay efa nandritra ny iray volana mahery izy no namerimberina an’ilay anjarany, ary tsy namelany ilay izy raha tsy hainy tsianjery!

Tonga ihany nony farany ny andro hanaovany an’ilay anjarany. Vitany tsara ilay izy, ka nitehaka nirefodrefotra ny mpanatrika, ary betsaka no nitomany. Nisy mpitory iray tsy nety nanao sekoly intsony talohan’io satria natahotra. Nisoratra anarana hanao sekoly indray anefa izy io rehefa nahita ny anjaran’i Kingsley. Nahoana? Hoy izy: “Vitan’i Kingsley ve dia tsy ho vitako?”

Nanokan-tena ho an’i Jehovah i Kingsley rehefa avy nianatra Baiboly telo taona, ary natao batisa tamin’ny 6 Septambra 2008. Tsy nivadika mihitsy izy mandra-pahafatiny tamin’ny 13 Mey 2014. Natoky izy fa hatanjaka sy ho salama tsara rehefa lasa Paradisa ny tany, ary mbola hanompo an’i Jehovah indray. (Isaia 35:5, 6)—Notantarain’i Paul McManus.

^ feh. 4 Navoaka tamin’ny 1995, fa tsy atao pirinty intsony.