Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

1 | Aza Manavakavaka

1 | Aza Manavakavaka

Fampianaran’ny Baiboly:

“Tsy manavakavaka Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.”​ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35, fanamarihana ambany pejy.

Inona no dikan’izany?

Tsy ny firenentsika, na ny fiaviantsika, na ny volon-koditsika, na ny kolontsaintsika no itsaran’i Jehovah * Andriamanitra antsika. Ny eritreritsika sy ny faniriantsika kosa no tena ifantohany. Marina mihitsy ilay hoe: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”​—1 Samoela 16:7.

Inona no azonao atao?

Tsy mahita ny any am-pon’ny olona isika. Afaka miezaka manahaka an’Andriamanitra anefa isika, dia tsy manavakavaka. Tadidio hoe samy manana ny maha izy azy ny tsirairay. Inona àry no azonao atao raha hitanao hoe mankahala ny hafa ianao, angamba noho ny fiaviany na ny fireneny? Mivavaha amin’Andriamanitra, dia angataho izy mba hanampy anao hanala an’izany fihetseham-po ratsy izany. (Salamo 139:23, 24) Matokia hoe hihaino sy hanampy anao i Jehovah, raha tena mangataka aminy ianao mba hampiany hahavita tsy hanavakavaka.​—1 Petera 3:12.

^ feh. 6 Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

“Oviana aho no mba niaraka tamin’olona fotsy hoditra ka tsy nila vaniny taminy? ... Lasa anisan’ny fianakaviambe iray maneran-tany aho izao.”​—TITUS