Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be” ny olona, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Salamo 37:11.

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Afaka manampy anao tsy hanahy be loatra ve ny Baiboly?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

“Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” (1 Petera 5:7) Manome toky antsika ny Baiboly fa afaka manampy anao tsy hanahy be loatra Andriamanitra.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Afaka mahazo ny “fiadanan’Andriamanitra” ianao rehefa mivavaka. Ho maivamaivana ianao amin’izay.—Filipianina 4:6, 7.

  • Mety tsy dia hiady saina koa ianao, raha mamaky ny Tenin’Andriamanitra.—Matio 11:28-30.

Tsy hanahy intsony ve isika indray andro any?

Misy milaza fa... tsy maintsy manahy sy miady saina isika eo amin’ny fiainana. Ny hafa indray mieritreritra hoe rehefa any ankoatra ianao vao ho afaka amin’izany. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

Hofoanan’Andriamanitra ireo zavatra mampanahy antsika. “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?