Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Tokony Homena Tsiny?

Iza no Tokony Homena Tsiny?

Raha tsy Andriamanitra no mahatonga antsika hijaly, nahoana no be dia be no mahantra fadiranovana na tratran’ny mosary? Nahoana koa no misy ny ady, ny aretina, ny horohoron-tany, ary ny loza hafa? Miresaka antony telo ny Baiboly.

  1. Tia tena ny olona, tia vola, ary tsy tia ny hafa. “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Mpitoriteny 8:9) Tia tena na ratsy fanahy be ny olona sasany ka lasa mampijaly ny hafa.

  2. Mety ho tratran’ny zavatra tsy ampoizina isika. ‘Mety ho azon-tsampona isika amin’ny fotoana tsy ampoizina.’ (Mpitoriteny 9:11) Mety hoe sendra eo amin’ny toerana itrangan’ny loza ny olona iray na tsy mitandrina tsara, dia lasa mizaka ny vokany.

  3. I Satana no mitondra an’izao tontolo izao. Resahin’ny Baiboly mazava tsara hoe inona no tena mahatonga ny olona hijaly. Hoy ny 1 Jaona 5:19: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” I Satana Devoly ilay “ratsy” resahiny eo. Anjelin’Andriamanitra izy taloha fa “tsy nifikitra tamin’ny marina.” (Jaona 8:44) Nikomy tamin’Andriamanitra koa ny anjely hafa ka lasa demonia. Te hanao izay tiany fotsiny mantsy izy ireo. (Genesisy 6:1-5) I Satana àry no lasa mifehy an’izao tontolo izao nanomboka tamin’izay, ary tsy miantra olona mihitsy izy sy ny demoniany. Vao mainka tezitra izy ireo amin’izao. “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana, ka mahatonga “loza ho an’ny tany.” (Apokalypsy 12:9, 12) Tsy mifaditrovana izy, ary faly erỳ mahita ny olona mijaly. I Satana àry no mahatonga ny olona hijaly fa tsy Andriamanitra.

ERITRERETO IZAO: Milaza ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy hoatran’i Satana sy ny Demonia mihitsy izy, ka hoe hampijaly olona tsy manan-tsiny. “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny”, satria be fitiavana izy.—Joba 34:10.

Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Dia havelan’Andriamanitra hitondra eo foana ve izany i Satana?’ Hitantsika teo hoe halan’Andriamanitra ny zavatra ratsy, sady malahelo izy mahita antsika mijaly. Milaza koa ny 1 Petera 5:7 hoe: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” Hofoanany ny fijaliana sy ny tsy rariny rehetra. Tia antsika mantsy izy sady manana ny hery hanaovana an’izany. Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany. *

^ feh. 7 Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny momba ny hoe nahoana no be dia be ny fijaliana, dia jereo ny lesona 26 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io, ary azo alaina maimaim-poana ao amin’ny www.isa4310.com/mg.