Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miankina Amin’ny Safidinao ny Hoavinao!

Miankina Amin’ny Safidinao ny Hoavinao!

TENA MISY VOKANY AMIN’NY HOAVINAO TOKOA VE NY SAFIDY ATAONAO? Mino ny olona sasany fa tsy manan-tsafidy izy satria efa voalahatra ny fiainany. Rehefa misy tanjona tsy tratrany, dia izao no ampiononany ny sainy: “Efa tsy natao ho ahy mihitsy io e!”

Misy indray diso fanantenana satria manjaka ny fijaliana sy ny tsy rariny. Miezaka ihany izy manatsara ny fiainany nefa hoatran’ny semban-drahona foana. Mbola misy mantsy ny ady, ny heloka bevava, ny loza voajanahary, ary ny aretina. Kivy izy amin’ny farany ka tsy te hisahirana intsony.

Marina fa mety hanova be ny fiainanao ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana. (Mpitoriteny 9:11) Tsy manan-tsafidy ianao amin’ireny. Miankina amin’ny safidy ataonao kosa ny hoavinao mandrakizay. Diniho ange izay lazain’ny Baiboly e!

Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita, rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina izy ireo: “Efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy.”Deoteronomia 30:15, 19, 20.

“Efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana.”—Deoteronomia 30:19

Nafahan’Andriamanitra avy tany Ejipta ny Israelita ka tsy andevo intsony. Nanome toky izy fa ho sambatra izy ireo rehefa tonga any amin’ilay Tany Nampanantenaina. Mila ‘mifidy ny fiainana’ anefa aloha izy ireo, izany hoe mila ‘tia an’Andriamanitra, mihaino ny feony, ary mifikitra aminy.’

Misy safidy mila ataonao koa amin’izao, ary miankina amin’izany ny hoavinao. Hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ianao raha tia an’Andriamanitra, mihaino ny feony, ary mifikitra aminy. Inona anefa no dikan’izany?

TIA AN’ANDRIAMANITRA

Toetra mampiavaka an’Andriamanitra ny fitiavana. Hoy ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza toy izao, rehefa nisy nanontany azy hoe inona no didy lehibe indrindra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Tsy hifandray tsara amin’i Jehovah isika, raha matahotra azy fotsiny na mankatò azy be fahatany. Tokony ho tia azy kosa isika. Nahoana?

Toy ny itiavan’ny ray aman-dreny ny zanany no itiavan’i Jehovah ny olombelona. Marina aloha hoe tsy lavorary ny ray aman-dreny, nefa mahavita mampianatra, mampahery, manohana, ary mananatra an’ireo zanany. Tiany ho faly sy ho sambatra mantsy izy ireo. Inona kosa no antenain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany? Tiany raha mba tia azy izy ireo sady manaraka ny toroheviny. Tsy ara-dalàna àry ve raha mba manantena hoatr’izany amintsika koa ilay Raintsika any an-danitra, nefa izy aza lavorary? Tiany koa raha mba tia azy isika, sady mankasitraka an’izay rehetra nataony ho antsika.

MIHAINO NY FEONY

Midika koa hoe “mankatò” ilay hoe “mihaino”, araka ny fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Izany no tiantsika hataon’ny ankizy rehefa miteny isika hoe: “Mba henoy ny dadanareo sy mamanareo.” Mihaino ny feon’Andriamanitra àry isika rehefa miezaka hahazo izay lazainy ary mankatò an’izany. Na tsy afaka mandre ny feony aza anefa isika, dia toy ny hoe mihaino azy ihany rehefa mamaky Baiboly sy mampihatra izay voalaza ao.—1 Jaona 5:3.

Tena ilaina ny mihaino an’Andriamanitra satria hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Tena ilaintsika ny misakafo, nefa mbola zava-dehibe kokoa noho izany ny hoe mianatra momba an’Andriamanitra. Nahoana? Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Fiarovana ny fahendrena, ary fiarovana koa ny vola. Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy dia miaro ny ain’izay manana azy.” (Mpitoriteny 7:12) Afaka miaro antsika dieny izao ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra. Hanampy antsika hahay hanao safidy koa izany, amin’izay isika hahazo ny fiainana mandrakizay.

MIFIKITRA AMINY

Hitantsika tany aloha ilay fanoharan’i Jesosy hoe: “Tery ... ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Ety ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, ka mila mpitari-dalana mahay isika sady mila manaraka azy akaiky raha te ho tody any. Mila miezaka ny ho akaiky kokoa an’Andriamanitra àry isika. (Salamo 16:8) Ahoana izany?

Be dia be ny zavatra tsy maintsy ataontsika isan’andro, nefa betsaka koa no mbola tiantsika hatao. Mety ho variana amin’ireny isika, ka tsy dia hanam-potoana hieritreretana hoe inona no tian’Andriamanitra hataontsika. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” (Efesianina 5:15, 16) Ho akaiky kokoa an’Andriamanitra isika raha ny fifandraisantsika aminy no zava-dehibe indrindra amintsika eo amin’ny fiainana.—Matio 6:33.

ANAO NY SAFIDY

Tsy afaka manova ny lasa ianao, nefa afaka manao zavatra mba hahatonga anao sy ny fianakavianao hanana hoavy tsara. Resahin’ny Baiboly fa tena tia antsika i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Voalaza ao koa izay tiany hataontsika. Diniho ange ity tenin’i Mika mpaminany ity e:

“Ry zanak’olombelona, efa nolazainy taminao izay tsara. Ary inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?”Mika 6:8.

Asain’i Jehovah hiara-mandeha aminy ianao, amin’izay hahazo fitahiana mandrakizay. Hanaiky an’izany fanasana izany ve ianao? Anao ny safidy!