Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Anjely

Anjely

Aseho amin’ny boky sy sary ary filma ny anjely. Iza anefa izy ireo, ary inona no ataony?

Iza ireo anjely?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Efa namorona zavaboary manan-tsaina sy ambony kokoa noho ny olombelona Andriamanitra, talohan’ny namoronany an’izao rehetra izao sy ny olombelona. Matanjaka kokoa noho ny olona izy ireny sady miara-mipetraka amin’Andriamanitra. Tsy hita maso ny fonenany, ary tsy afaka mankany isika. (Joba 38:4, 7) Antsoin’ny Baiboly hoe “fanahy” sy ‘anjely’ ireny zavaboary ireny.—Salamo 104:4. *

Tena be dia be ny anjely. Hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana fa anjely “arivoarivo” no nanompo an’Andriamanitra, ary “iray alina ampitomboina iray alina” no nijoro teo anatrehany. (Daniela 7:10) Misy an-jatony tapitrisa ny anjely, raha raisina ara-bakiteny ireo isa ireo!

‘Arivoarivo no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.’—Daniela 7:10.

Inona no nataon’ny anjely fahiny?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Matetika ny anjely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. * Hita ao amin’ny Baiboly koa hoe nanatanteraka an’ireo asa mahagaga nampanaoviny izy ireo. Nirahin’Andriamanitra ny anjely iray mba hitahy an’i Abrahama, ary hanakana azy tsy hanao sorona an’i Isaka zanany. (Genesisy 22:11-18) Nisy anjely niseho tamin’i Mosesy teo afovoan’ny voaroy nirehitra, ary nilaza hafatra lehibe taminy. (Eksodosy 3:1, 2) Rehefa natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela, dia ‘naniraka ny anjeliny Andriamanitra ka nanakombona ny vavan’ny liona.’—Daniela 6:22.

‘Ary ilay anjelin’i Jehovah dia niseho [tamin’i Mosesy] tao anaty lelafo, teo afovoan’ny voaroy naniry.’—Eksodosy 3:2.

Inona no ataon’ny anjely izao?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tsy fantatsika daholo ny zavatra ataon’izy ireo izao. Asehon’ny Baiboly anefa hoe manampy ny olona tso-po hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra izy ireo.—Asan’ny Apostoly 8:26-35; 10:1-22; Apokalypsy 14:6, 7.

Nataon’i Jehovah nanonofy i Jakoba hoe nahita anjely niaka-nidina teo amin’ny “tohatra” iray nampifandray ny lanitra sy ny tany. (Genesisy 28:10-12) Asehon’io nofy io fa maniraka ny anjeliny ho etỳ an-tany i Jehovah Andriamanitra, mba hanampy an’izay olona tsy mivadika aminy.—Genesisy 24:40; Eksodosy 14:19; Salamo 34:7

‘Nahita tohatra teo amin’ny tany izy, ary ny tampony nipaka tamin’ny lanitra. Ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo.’—Genesisy 28:12.

^ feh. 6 Nikomy tamin’Andriamanitra ny fanahy sasany, araka ny voalazan’ny Baiboly. “Demonia” no iantsoany an’ireny anjely ratsy ireny.—Lioka 10:17-20.

^ feh. 11 Samy midika hoe “mpitondra hafatra” ny teny hebreo sy grika nadika hoe “anjely” ao amin’ny Baiboly.